The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Russia Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Russia

2008-06-10

Rosia : Ny fahalalahan'ny mpanao gazety

Nisy ady hevitra mahaliana mikasika ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety any Rosia tao amin'ny New York Time amin'ny teny Rosiana, ao amin'ny Live Journal. Mahery ny 1000 ny hevitra avy amin'ny mpitoraka blaogy Rosiana hita tao amin'ny lahatsoratr'i Clifford J. Levy izay nadika tamin'ny teny Rosiana. Nadika amin'ny teny Anglisy ny 45 ...

2008-05-23

Rosìa : Soratsoratra eny amin'ny rindrin'ny tànanan'i MoaskoPhotos post

Lyndon no manapariaka ao amin'ny Scraps of Moscow ireo sarina soratsoratra any amin'ny rindrin'ny tànana'i Moasko izay nalaina tamin'ny taona 2004-2005, rehefa avy "nandio" ireo andian-tsary teo am-pelatanany izy.

2008-05-12

Elections ,
History

Robert Mackey no manoratra ao amin'ny the New York Times' The Lede momba  “ny ‘Feon'i Rosia Ankehitriny'” - sy ny feon'ny filoha Dmitry Medvedev nandritra ny lanonam-panokafana: “[…] George Watts, ilay mpanentana teraka Kanadiana izay nifindra tany amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1952 niaraka tamin'ny ray aman-dreniny. Talohan'ny naharava ny komonisma dia niasa tao amin'ny sampan-draharahan'ny teny vahiny tao amin'ny Radio Moskoa Atoa Watts ary matetika koa no nandika teny teo ho eo, izany no nolazainy ao amin'ny tantaram-piainany ofisialy ao amin'ny Rosia ankehitriny, ary tafiditra amin'izany ihany koa ny niasany ho feo amin'ny teny anglisin'i Nikita Khrushchev sy i Leonid Brezhnev nandritra ireny kogresy ofisialiin'ny antoko ireny.”

2008-04-29

Rosìa : Moasko sy New York

Two-Zero no manome ny heviny hoe tsy i Moasko velively no : the new New York. “New York vaovao.”

2008-04-27

Disaster ,
Environment

Mahatsiaro an'i Chernobyl i Déjà Vu - The Uncanny Feeling: “Raha mieritreritra momba ny Chernobyl aho … […] … nahita an'i Katya tao Kiev, 90 km atsimon'i Chernobyl, aho tamin'ny faha-16n'ny taonany, matin'ny tahotry ny loza izay tsy azony jerena na hevitreverina akory, nandray fiaran-dalamby ho any Leningrad handositra ny taratra mampidi-doza (radiation). Fa tsy niverina tany Kiev intsony ho'aho izy mandraka ity masonandro androany! Iny no “namarana tampoka teo ny fahazazako” hoy ny nambarany taty aoriana. Vadiko i Katya.”

2008-04-22

History ,
Law

Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa - “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa - dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i Vladimir Putin. Miresaka momba ireo lahatsoratra ampiady hevitra ireo eto sy eto i Kyiv Scoop.

2008-04-10

Freedom of Speech ,
Governance

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny OTAN i Gresy; 130 monja ny miaramilany any Afghanistana - isa mitovy amin'ny an'i Makedonia, tsy mpikambana sady ampahadimy amin'ny isan'ny mponina any aminy.”

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...

2008-03-29

Cyber-Activism ,
Diaspora

Moscow Through Brown Eyes (Moskoa jerena avy amin'ny maso volontany) no mamoaka vaovao farany fohy mikasika ny vono olona noho ny fankahalana ao Moskoa; Window on Eurasia (Varavarankely misokatra mankany Eorazia) indray wnanoratra ireo fampielezana kisarisary apetaka amin'ny tamboho (graffiti) hetsehin'ny Fikambanana manohitra ny fifindra-monina tsy ara-dalàna (DPNI) any Moskoa

“mba hanairana ny vondro-kerin'ny fikambanana sy ho fihantsiana ireo vondrona mpifanandrina aminy, ireo mpifindra monina miasa any an-toerana ary ireo mpandala ny zon'olombelona.”

Rosìa : Honohono sy zava-misy

Da Russophile [voasarik'izay rehetra mikasika an'i Rosìa] dia mamaly ny lahatsoratr'i La Russophobe [tafintohin'izay rehetra mikasika an'i Rosìa] amin'ireo Honohono 10 mikasika an'i Rosia : 2. MYTH: Putin has abused human rights, personally murdered 200 journalists and returned Russia to its totalitarian past. REALITY: Too bad that only 3% of Russians agree, ...