Tantara mikasika ny Rosia
Mivoady fandriampahalemana i Armenia sy Azerbaijan – amin'izao fotoana izao
Mety hifanaraka mikasika ny fifanarahana fandriampahalemana izay hosoniavina “amin'ny volana ho avy” ihany angamba ny mpitondra Armeniana sy Azerbaijanita.
Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia
Vitsy ankehitriny ny vazimba teratany Sakhalin, antsoina hoe Nivkhs, Ainu, Uilta. Mampiseho ny iray amin'ireo tanàna efa ho faty, Rybnoe, izay misy ny Nivkhs ny fanadihadiana iray .
Ahoana no iadian'ny Rosiana ny potinisma: Tahirin-kevitra iray
Tsy marina ny filazana fa tsy nanohitra ny fisandratan'ny Potinisma i Rosia — nanohitra izy. imbetsaka ary amin'ny fomba maro, na dia tsy nahomby aza.
Mpamadika iray isanandro : Ny toetry ny trangana famadihana any Rosia
Trangàna heloka bevava maro mikasika ny famadihana sy ny fitsikilovana no nahariharin'ny gazetiboky "Holod", izay lasa matetika kokoa noho ny tamin'ny vanim-potoana taorian'ny Staliniana tany URSS.
Okraina : miatrika fanamby goavambe, na izany aza dia mbola feno toky ireo mponina ao amin'ny iray amin'ireo tanàna tena rotidrotiky ny ady
Amin'ny lafiny maro, tsy ijerena fotoana na izay fomba hifaranan'ny fananihambohitra ao Okraina, tsy hahita fitsaharana mahafaly avy hatrany akory ireo vohitra sy tanàna toa an'i Izioum.
Miezaka manangana ny tanànan'ny ho avy any amin'ny faritany Rosiana ny tanora, raha mitady ny lasa kosa ny mponina
Niverina tany Chaykovsky, tanàna kely any Rosia ny mpanakanto ary nanangana foibe ara-kolontsaina ho an'ny daholobe tao. Miatrika fanoherana avy amin’ny tompon’andraikitra sy tsy fahampian’ny fifankahazoana eo amin’ny mponina any an-toerana izy ireo ankehitriny.
Voasivana ao Rosia ny sarimihetsika Yakut ‘Aita’
Ny antony notononin'ny Roskomnadzor dia noho ny fiezahan'ilay sarimihetsika 'handrava ny fitsipiky ny mahairay ny vahoaka ao Rosia'.
Fitsikerana ny zavakanto Rosiàna : “Tsy azo vonoina na potehana ny zavakanto an-dalambe”
Hatramin'ny niantombohan'ny ady, dia mbola olana ny satan'i Yekaterinburg, renivohitry ny zavakanto an-dalambe Rosiàna : niala an'i Rosia ireo mpanakanto sasany, raha ireo hafa kosa nogadraina noho ny asany manohitra ny ady.
Tsy misy vaovao ao amin'ny sarintany shinoa 2023. Fa maninona no mahatezitra ireo mpifanila vodirindrina aminy?
Avy any Azia Atsimo Atsinanana no tena misy setriny mahery indrindra noho ny filazan'i Shina fa azy manontolo ny Ranomasin'i Shina Atsimo.
Ireo firenena enina nahazo fanasàna ho isan'ny klioba BRICS
"Ny fihitarana sy ny fihavaozan'ny BRICS ho maoderina dia hafatra iray izay ny andrim-panjakana rehetra maneran-tany no mila azy mba hamolavolana ny tenany hifanaraka amin'ny fiovaovan'ny fotoana."