GlobalVoices anaty

Rosia

Tahiry Firenena · 172 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Rosia

26/04/2013

“TrashOut”: Sarintany Ifandrimbonan'ny RuNet Hanoroana Toera-Pako Tsy Ara-dalàna

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Nisy fampihatra am-pinday vaovao mpandala ny tontolo iainana navoaka [ru] tao Rosia. Fifandrimbonana an-tsarintany ahafahan'ny mpisera manamarika toerana tsy ara-dalàna ahitana fako ao amin'ny sarintany iray ny “TrashOut“. Ity app (fampihatra) maimaipoana...

16/04/2013

Poizina Ho An'ireo Rosiana Mpanao Gazety Ny Labiera & Twitter Afangaro

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Fitaovam-pitaterana mora sy azo antoka hifamezivezena ao Rosia ny fiarandalamby, indrindra fa raha ampitahaina amin'ireo arabe ratsy dia ratsy ao amin'ny firenena. Firenena lehibe i Rosia ary andaniana ora maro ny dia manasaraka ireo tanan-dehibe (na mety ho andro mihitsy aza). Noho ireo fahasarotana ireo, efa zava-mahazatra loatra araka izany ho an'ny mpandeha sasany ny misotro in-dray na in-droa mba handaniana ny andro. Indraindray aza dia mihoatra noho io ho an'ny olona sasany, eny fa na dia mpanao gazety aza.

14/04/2013

Voalohany Amin'ny Mpisera Anaty Aterineto Ao Rosia Hiatrika Fitsaràna

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Pussy Riot, eat your heart out. Later this week, Russia’s most polarizing blogger, Alexey Navalny, will stand trial for embezzling roughly half a million dollars from a state-owned timber company in the city of Kirov. In a country constantly plagued by politicized legal proceedings, prosecuting the nation’s most prominent netizen promises fireworks. Pussy Riot, sokafy ny sofina. Aoriana kely amin'ity herinandro ity, ny Alarobia 17 Aprily 2013, ny bilaogera malaza indrindra ao Rosia, Alexey Navalny dia hiatrika fitsaràna noho ny resaka fanodinkodinana vola efa ho antsasaka tapitrisa dolara tao aminà orinasam-panjakana iray momba ny ala ao an-tanànan'i Kirov. Anatinà firenena iray voapentin'ny politika hatrany ny raharaham-pitsaràna, azo antoka fa hitondra pitik'afo tokoa ny fanenjehana ilay mpisera anaty aterineto faran'izay malaza ao amin'ny firenena.

“Hadihadian'ny Mpampanoa lalàna” ireo Fikambanana Tsy Miankina Any amin'ny Faritanin'ny Rosia

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Ireo mafana fo an'ny DemVybor any amin'ny faritr'i Voronezh dia nitatitra tao amin'ny blaogin'ny DemVybor [ru] fa manao fanadihadiana any amin'ireo Fikambanana tsy miankina (ONG) ny biraon'ny mpampanoa lalàna any an-toerana. Ireo fikambanana efatra nokendrena dia samy ao anatin'ny Tranoben'ny Zon'Olombelona ao Voronezh [ru] avokoa

09/03/2013

Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy ity? Nandefa doka miloko mainty sy fotsy izay nahitàna ny fangon'ireo tranonkala telo ireo tao anatin'ny fampielezankeviny

14/02/2013

Mametra-pialàna ny Papa, Miforitra Amin'i Putin Ny Rosiana

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Noho ny tsy fisian'ny fahalinana loatra amin'izay ho fiantraikan'ny fametraham-pialàn'i Benedict eo amin'ny finoana Katolika dia naleon'ny RuNet nanao ny fialamboly mahafinaritra azy, ny hanihany.

04/02/2013

Tafiditra Ao Amin'ireo Anjerimanontolo Rosiana Ankehitriny Ve Ny Hetsika Tamin'ny 1968?

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Ny volana lasa teo, ny 18 Desambra, nanomboka nanao fitokonana sy nanakana ny fidirana amin'ny vavravara-ben'ny Anjerimanontolo ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana momba ny varotra sy ny toekarena (RSUTE). Ny fifandroritan-kevitra dia mikasika an'i Sergei Baburin, rektoran'ny Oniversite, izay nesorina tamin'ny asany vao tsy ela akory ary nifangaroan'ny asa naha tompon'andraikitra azy tao amin'ny akademia tamin'ireo tantaran'ny lavabe naha mpanao politika azy.

07/01/2013

Mitagataga & Depardieu any Rosia

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Tamin'ny 3 Janoary 2013 i Vladimir Putin no nanasonia [ru] sombin-dalàna sivy vaovao (mifandraika amin'ny fifindra-monina ny ankamaroany) sy ny iray fanasoniavana ny didy fampiharana ny fanomezana zom-pirenena [ru] Rosiana ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Gérard...

27/11/2012

Tetikasa Anaty Aterineto Hanaraha-maso Ny Toetry Ny Làlana Any Rosia

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Fomba fanaraha-maso ny toetry ny làlana sy ny fampanaraham-penitra azy amin’ireo lamina farany napetraky ny governemanta ny tetikasa "RosYama". Na iza na iza mahita làlana tsy manaraka ireo fenitra ireo dia afaka mampiasa ny tolotra RosYama.

25/11/2012

Solombavambahoakan'i Rosia Mitambatra Lasibatry Ny Fanebahana Ety Anaty Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Nandrahona hitondra tranonkala mpanàla azy hiatrika fitsarana ny Rosia Mitambatra, noho ny resaka fanalàm-baraka. Ny fahatafintohinana anefa dia toa niainga avy aminà gazety iray mpisary gaigy ety anaty aterineto.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny