2009-11-21
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.
2009-09-17
Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”
Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...
2009-07-30
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
2009-03-14
Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.
Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana hanamafy ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy ny mpitoraka blaogy maro nandray izany.
“Manolotra antoka ho an'i Ukraine ny Fiombonambe Eropeana,” hoy ny lohatenin'ny BBC. “Tsy mampanantena na ...
2009-03-08
Eropa: Fitsidihan'i Obama atsy ho atsy sy ireo fanamarihana momba izany
Manomana fitsidihana any Grande-Bretagne, Frantsa, Alemana ary ny Repoblika Czech ny Filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny volana ho avy io, mandritry ny fivoahany voalohany mitsidika an'i Eropa taorian'ny nahalàny azy.
Anatin'ny hafany mitondra ny lohateny hoe “Te-hihaona aminy daholo izy mianakavy.” dia izao no nosoratan'i P O Neill ao amin'ny A ...
2008-04-30
Pôlôna : Vazivazy mikasika ireo andry mitondra toro-làlana
Polandian no manolotra izay dikan'ireo andry mitondra toro-làlana any Pôlôna :
Polish drivers have a rather relaxed attitude to traffic laws. It may be necessary to provide an interpretation of some of the more common road signs for visitors [...] All road signs should be taken with a pinch of salt ...
2007-12-12
Pôlôna : Vazivazy mikasika Pôlisy
Ny blaogy The beatroot dia mizara ireo vazivazy ankafiziny mikasika ny Pôlisy Poloney :
« A tourist in Warsaw asks a man in uniform :
"Are you a policeman?"
"No, I am an undercover detective."
"So why are you in uniform?"
"Today is my day off." »
« Mpizahatany iray any Varsovia manontany lehilahy manao fanamiana :
“Polisy ve ianao ?”
“Tsia, mpitsikilo ...




