Russia
,
Georgia
Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no ahitana fa nandà ny volavolan-kevitry ny Vondrona Eoropeana hampitsaharana ny ady any Ossetia Atsimo amin'ny Zeorziana ny Rosiana.
2008-08-12
Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no ahitana fa nandà ny volavolan-kevitry ny Vondrona Eoropeana hampitsaharana ny ady any Ossetia Atsimo amin'ny Zeorziana ny Rosiana.
Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no mamoaka ny tatitry ny Filohan'i Estonia, Toomas Hendrik Ilves, milaza fa vaky ny ady any Eoropa, ary fanampin'izany lazainy koa ny ultimatum Rosiana (fe-potoana farany eken'i Rosia) hametrahan'ny tafika Zeorziana tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany any Abkhazia fa raha tsy izany dia potika.
2008-08-09
Raha raisina ho ohatra ny ady any Ossetia Atsimo nanomboka ny andro nanombohan'ny lalao olaimpika any Beijing, dia nomarihin'i Ruslanas Iržikevičius ao amin'ny Lituanica ny karazan-doza sy vaovao ratsy mpitranga any Rosia rehefa misy zavadehibe hafa mitranga any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao, fa vitsy ihany ireny vaovao ratsy ireny rehefa tsy amin'ny volana aogositra (izany hoe ny volana aogositra no tena itrangany matetika).
2008-08-04
2008-08-02
Balkan File no nilaza fa “nampifamadihan'ny CNN ho ny sary ny filazalazana ny rotaka nitranga tany Budapest, Haongiria, ny rotaka nitranga tany Belgrade”: “ny fanehoankevitra an-tserasera moa no nanambara fa angamba te-hampiseho hetsi-panoherana mafana vay kokoa noho ny tena nitranga ny CNN, saingy na izany aza, amin'ny fomba ahoana moa no isian'ny fifandisoana ka sary tany amin'ny firenena hafa sady tamin'ny herintaona ihany koa no naseho?”
2008-08-01
Lituanica no nitondra vaovao milaza fa nanapa-kevitra ny tsy hanatrika ny lalao olaimpika hotontosaina any Beinjing ny filoha Litoaniana Valdas Adamkus.
2008-07-29
Chernobyl and Eastern Europe no nanoratra fa “Mpampianatra 3 avy any Texas sy mpianatra Irakiana 27 no manao fanazarantena amin'ny fomba fanadiovana manala sisantaratra mampididoza” nandritra ny volana jona lasa teo tany Pripyat (Ukraine): “Eny, zavatra mahaliana azo atao amin'i Pripyat - ny fanazarana ny Irakiana ny tekinikam-panadiovana ny tanàna izay tsy vitan'ny mpitondra tanteraka nandritra ny 23 taona lasa izao. Fa raha tsy izany, efa hitan'ny Irakiana aloha hoe ahoana moa no mety hahazo ny tanànany aoriana kely ao [raha tsy ampy ny fitandremana].”
2008-07-26
Da Rússia (SPA) no milaza ny heviny mikasika ny tenin'ny mpikambana iray ao amin'ny vaomieran'ny fifidianana Rosiana fa mpitsikilon'ny Tandrefana ireo mpanaramason'ny fifidinana nalefan'ny vaomiera Eoropeana any aminy.
Nanomboka namoaka Bolongatsary Letoniana (Latvia photoblog) i Arnis Balcus : “Te-hampiranty izay hitako aho satria matetika heverina ho azo alaina maimaipoana ny zava-mahaliana ahy ary tsy mba tsikaritra loatra ihany koa. Eny, zavabitika tokoa ireo fa mbola hanjavona indray andro any, ary tahaka izany ny fanorenana sy ny rafitrano tamin'ny andro sovietika izay niserana ihany. Fa nalaiko (sary) ihany izy ireny ho tahiry satria omentsika lanaja ny zavatra iray rehefa tsy eo intsony.”
2008-07-25
Albanie: Fanasandamban i Tirana
- Mahavariana ilay lohateny fa tiako raha mba hoe fanahazan-damba no ten...
Tohiny »