Tantara mikasika ny Makedonia
Mahatonga ny valan'aretina koha-davareny ny fisalasalana hanao vakisiny any Makedonia Avaratra
. Mitaky ny hanambarana ny fisian'ny areti-mifindra koha-davareny any Makedonia Avaratra ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana, satria, tamin'ny 8 febroary, nandrakitra tranga 28 vaovao ny Ivon-toerana momba ny Fahasalamam-bahoaka, izay zazakely tsy vita vaksiny ny ankamaroany.
Barbie ao Balkàna : Avy amin'ny vaovao diso mankany amin'ny alahelo an'i Yogoslavia
Nampiasaina ho toy ny fitaomam-panahy ho amin'ny vaovao diso ao Balkàna ny vaovao mikasika ny fandraràna ilay sarimihetsika Barbie ao Vietnam, miaraka amin'ny filazana diso mikasika ny sivana ao Serbia.
Feno alika nilaozan'ny tompony ny tendrombohitra Makedoniana ka mampidi-doza ireo lynx efa ahiana ho lany taranaka
Any Makedonia Avaratra, alaina eny amin'ny araben'ny tanàna sy angonin'ny mpisambotra alika ao amin'ny fiadidiana ny tanàna ny alika nariana ka alefa any an-tendrombohitra manatevin-daharana ireo amboadia sy mifanome taranaka any.
Makedoina Avaratra : amboadia atao lasibatra sy vonoina
Makedonia Avaratra no iray amin'ireo firenena farany mihevitra ny amboadia ho sahala amin'ny mpanelingelina, ka any dia malalaka ny famonoana azy, eo aza ny fanasokajiana azy ho karazana efa azo lazaina ho tandindomin-doza.
Ilaina ny mandrindra ny fiarovana manoloana ny fisomparana miverimberina ao Balkana Andrefana
Nahita ny toerana niaingan'ny fanafihana nihatra tamin'ny Albaney ny manam-pahaizana Microsoft, izay nampitodika tany amin'ny tranokalan'ny sampan-draharaham-panjakana Iraniana, ka nitarika ny governemanta Albaney handray fepetra ara-diplaomatika.
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Tantara an-tsary “ambanin'ny tany” mampiseho ny zeitgeist ao Skopje, renivohitr'i Makedonia Avaratra
Tamin'ny Oktobra 2021 no natonta ilay boky hatsikana "Alika Mpirenireny sy Voalavo" ("Džukela i Pacof" amin'ny fiteny Makedôniàna). Nomen'ny mpanoratra azy alàlana ny Global Voices hamoaka ampahany nadika ho amin'ny fiteny anglisy.
Ylli Morina: ilay 13 taona lalin-tsaina amin'ny matematika avy ao Skopje, mampianatra ireo mpianatry ny Anjerimanontolo
Satria tsy ampy ny kilasy sahaza sy ny boky fanabeazana tao amin'ny sekoly fanabeazana fototra nisy azy izay mifanaraka amin'ny filàny sy ny talentany, nanitatra ny fahalalany tamin'ny aterineto i Ylli, tamin'ny alalan'ny fihainoana an'ireo mpampianatra avy any ivelany.
Valanjavaboary nasiônaly vaovao ao Makedônia Avaratra, iharan-doza noho ireo tetikasam-pampandrosoana mitohy
Taona iray taorian'ny nanambaràn'ireo manampahefana fa hametrahany valanjavaboary vaovao ao Makedonia Avaratra, manao fahirano an'ilay toerana ireo mpamokatra herinaratra manosika hankamin'ny fanorenana foibe famokarana herinaratra ao anatin'ilay vala.
Ao Makedonia Avaratra, misy tanora sasantsasany nahavita nanangana orinasa mahomby nandritra ny valanaretina Covid-19
Tanora telo mpandraharaha avy ao Bitola, tanàna iray any atsimon'ny firenena, dia manome ohatra momba amin'ireo tanora niatrika ilay krizy COVID-19 tamin'ny fomba feno famoronana sy miabo.