GlobalVoices anaty

Makedonia

Tahiry Firenena · 46 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Makedonia

26/11/2012

Video Lahatsoratra
Nanavaka ireo Bilaogera sy Mpisera Twitter Mavitrika ao Makedonia ny Fifaninanana Blogirame

Tohin'ny lahatsoratra

Namoaka ny vokatry [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame ["mibilaogy isika"]. Mitatitra i Filip Stojanovski.

08/11/2012

Na Eo Aza Ny Fandrahonana, Miady Hisian'ny Lalàna Tsy Miangatra Momba Ny Angovo Ireo Makedoniana Mafàna Fo

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpikambana avy eny ifotony ao amin'ilay fandraisana andraikitra sivily AMAN, izay nangataka ny mba hisian'ny fandrindràna tsy mitanila ny resaka angovo sy fampitsaharana ny fampakàrana ny sandan'ny asam-panjakana ao Makedonia, dia niatrika endrika teritery samihafa, nahitàna hatramin'ny fandrahonana tsy mitsaha-mitombo. Ny Sabotsy dia voasakan'ny mpolisy ny fifandonana mahery vaika nandritra ny famoriam-bahoaka iray.

05/08/2012

Video Lahatsoratra
Makedonia: Topi-maso Ho An'ny Fankalazàna Iraisam-pirenena Ny Tononkalo Fanao Efa Am-polotaonany

Tohin'ny lahatsoratra

Ilay Portiogey mpamokatra sarimihetsika André Soares dia namoaka lahatsary fanadihadiana fohy momba ny Harivan'ny Tononkalo any Struga, hetsika iraisam-pirenena ho an'ny tononkalo izay tanterahana any Makedonia nanomboka tamin'ny 1962.

21/05/2012

Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”

Tohin'ny lahatsoratra

Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho...

18/03/2012

Makedonia: Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana Nokarakaraina Hatao Ny Sabotsy 17 Martsa

Tohin'ny lahatsoratra

Nikarakara Diabe Ho An'ny Fandriampahalemana tamin'ity Sabotsy (17 Martsa) ity ireo vahoaka avy amin'ny foko maro ao Makedonia ho toy ny fanehoana ny ahiahin'izy ireo fa hoe ireo heloka bevava atosiky ny fankahalàna tato ho ato dia fambara ratsin'ny ady an-trano. Filip Stojanovski no mitatitra.

15/03/2012

Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany

03/03/2012

Makedonia: Mitohy Ny Raharaham-Panarahamaso Ny Fahalotoan-dRivotra ao Skopje

Tohin'ny lahatsoratra

Nandray fepetra tamin'ny tsy fisian'ny rafi-pandrefesana ny taha-pahadiovan'ny rivotra an-tserasera ao Skopje tamin'ny alalan'ny famoahana saripika eo amin'ny bolongana ny ONG Greenbox. manoratra momba ity fanapahan-kevitra ity i Filip Stojanovski.

16/02/2012

Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

Tohin'ny lahatsoratra

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana. Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40...

10/02/2012

Makedonia: Mikatona Ny Famoahana Mangarahara An-Tserasera ny Fahalotoan'ny Rivotra Ao Skopje

Tohin'ny lahatsoratra

Nitsaha-ketrika nanomboka ny fiandohan'ny taona 2012 ny rafi-panaraha-maso antserasera "Fisefoana Skopje" mampafantatra ny olona ny taham-pahalotoan-drivotra. Mandika antsoratra ny fanazavan'ny ONG iray ao an-toerana ny tokony hanarenana ity fitaovana sarobidy ity ho antsika i Filip Stojanovski.

05/02/2012

Masedonia: Nahazo Sazy An-tranomaizina Mandritra ny 14 Taona Ilay Mpitandro Filaminanana Namono Nahafaty Tovolahy iray

Ny 16 Jan, Igor Spasov, ilay mpitandro filaminana ahiahiana ho namono nahafaty tovolahy iray nandritra ny fankalazana ny fandresena tamin'ny fifidianana ny Jona 2011, dia nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny 14 taona. Mitatitra i Filip Stojanovski.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny