GlobalVoices anaty

Letonia

Tahiry Firenena · 6 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Letonia

15/03/2012

Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany

05/03/2012

Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.

24/12/2008

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany....

26/07/2008

Letonia: Bolongatsarin'i Arnis Balcus

Nanomboka namoaka Bolongatsary Letoniana (Latvia photoblog) i Arnis Balcus : “Te-hampiranty izay hitako aho satria matetika heverina ho azo alaina maimaipoana ny zava-mahaliana ahy ary tsy mba tsikaritra loatra ihany koa. Eny, zavabitika tokoa ireo fa mbola hanjavona indray andro any, ary tahaka izany ny fanorenana sy ny rafitrano tamin'ny andro sovietika izay niserana ihany. Fa nalaiko (sary) ihany izy ireny ho tahiry satria omentsika lanaja ny zavatra iray rehefa tsy eo intsony.”

16/01/2008

Tantara Sovietika : Fartsovhchiki

Window on Eurasia indray no mamintina ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka’ nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana – fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra, fandraisana anjara anatina ekipa, mpitarika mpizahatany, ary misy koa ireo mivarotra “ivelan’ny hotely” sy ireo mivarotra ny entana amin’ny hafa. Mitantara hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra ny tsirairay amin’ireo tarika ireo i Vasil’yev, ary manampy be dia be amin’ny famintinana ireo tsikaritra isa-tarika hitan’i Vasil’yev ny lahatsoratra napetrany amin’ny aterineto.”

12/01/2008

Letonia: Raharaha maizin’ny olom-pirenena rosiana

Marginalia no mitatitra: “Raharaha maizina mahavàka iray hafa indray mahatafiditra an’i Letonia – dia ny fivarotana pasipaoro eo ho eo amin’ny zato ho ana mpanankarembe izay olom-pirenena Rosiana ny ankamaroany ka mitady ny tombotsoan’ny maha-mpikambana amin’ny Vondrona Eoropeana sy ny fifanarahan’ny Schengen an’ity firenena balta iray ity.”

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny