Tantara mikasika ny Kosovo
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.
Ny governemantan'i Kosovo no voalohany nidaboka ao anatin'izao krizin'ny coronavirus manerantany izao
Niteraka fifanenjanana tao amin'ny ankolafy miara-mitondra nankany amin'ny fialàny eo amin'ny fahefany ny fepetra noraisina vao haingana hiadiana amin'ny COVID-19.
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Nilaza amim-pahadisoana ny fankatoavan'i Jamaika azy ny politisianin'i Kosovo. Fa naninona no tsy nanamarina ny media?
Nilaza ny fankatoavan'i Jamaika ny fireneny ho manana ny fiandrianam-pireneny nahazo tatitra betsaka tamin'ny media ny manampahefana Kôsôvara tamin'ny 19 febroary. Ary notsipahan'i Jamaika avokoa izany rehetra izany avy eo.
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.
Tamberina Feral Tribune, gazety mpanesoeso malaza ao Kroasia efa nikatona
Fantatra amin'ny tsi-fitongilanana tamin'ny adin'nyBalkana sy Feral Tribune was known for its impartial coverage of war in the Balkans and caricatures that ridiculed the nationalist leaders in former Yugoslavia.
Hazakazaka mampitamberina ny tsiaro sosialista: Nalaza haingana dia haingana an-dahatsary ireo fiara Yogoslavy fahita mahazatra
Ny telo amin'ireo fiara ireo dia novokarin'ny orinasa Yogoslavy antsoina hoe Zastava avy ao Kragujevac, Serbia, izay nifototra tamin'ny maodelim-piaran'ny mpamokatra fiara italiana Fiat.
Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo
Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo ankilan'i Serbia, dia i Rosia.
Horonantsary Momba Ny Fikomiana, Mamelona Ny Soatoavin'ny Fanoherana Ny Fasista Tany Montenegro
"Eo am-pizaràna ny tantaran'ny adin'ny olontsotra, dia tianay hampahatsiahivina ny taranaka tanora kokoa ny fomba nahazoantsika ny fisitrahana ny zontsika amin'izao fotoana izao... "