GlobalVoices anaty

Kosovo

Tahiry Firenena · 11 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Kosovo

16/12/2012

Nofoanana Noho ny Fanafihana ny Lanonam-Panombohan'ny “Kosovo 2.0 Talks Sex”

Tohin'ny lahatsoratra

Nikasa ny hamoaka pirinty ny votoaty iray hafa ny Kosovo 2.0 ka Kosovo 2.0 Talks Sex no anarany ary nokasainy ny havoaka 14 Desambra teo izy io. Saingy indrisy moa fa fotoana fohy monja taorian'ny lanona-panombohana, dia nisy andian-dehilahy eo ho eo amin'ny 20 eo niditra tao amin'ny nanatontosana ny lanonana tao Pristina, nandrava ny sehtra ary nidaroka ny iray amin'ireo mpiasa. Nofoanana ny lanonana. Mitatitra i Elena Ignatova.

06/04/2010

Balkans : ny itovizan'ny antoko komonista Yogoslavy sy ny facebook

Adikan'i Filip Stojanovski ho antsika ato ny lisitryny fitoviana eo amin'ny Facebook sy ny Antoko Komonista Yogoslavy (CPY).

14/03/2009

Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.

Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana  hanamafy  ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy...

24/12/2008

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany....

15/08/2008

Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?

Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45...

25/07/2008

Silaovakia: Mitsipaka ny fahaleovantenan'i Kosovo

Nanambara ny fahaleovantenany ny Repobilikan'i Kosovo tamin'ny 17 feboroary 2008. 43 amin'ny 192 mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana no manaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ary tafiditra amin'izany i Etazonia, Kanada, Aositiralia...

09/07/2008

Kosovo: Safidin'i Paortigaly sy fihenambidy ho an'ny “mankasitraka”

Cafe Turco no manoratra fa mbola tsy eken'i Portugal ny fahaleovantenan'i Kosovo – ary lazainy ihany koa ny fihenambidy ataona trano fandraisam-bahiny iray ao Pristina ho an'ireo “mpitsidika avy amin'ny firenena manohana ny fahaleovantenam-pireneny.”

04/07/2008

Sary Lahatsoratra
Faritra Balkanika : Mpizahatany, tapany faha-2

Sary marobe, lahatsoratra ary hafatra maro mikasika ny tohin'ny dian'i Michael J. Totten's any Albanìa, sy Montenegrô ary Kôsôvô. [Ity dia mbola tohin’ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Michael...

30/06/2008

Sary Lahatsoratra
Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra...

12/05/2008

Serbia: Ny fifidianana parlemantera

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Eurosmikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa manaraka ny fifidianana ao amin'ny Euroblogeto, eto ary eto. I Eric Gordy indray manaraka ny fifidianana ao amin'ny East Ethniaeto, eto, eto ary eto. Manoratra i Gray Falcon fa “ny lala-tokana hahazoan'ny Demôkiraty fandresena amin'ny fifidianana dia ny fahfaha-mandingana ilay kajikajy milaza fa tsy ho azony ny maro an'isa ahafahana manangana governemanta.” Hoy ny mpamaham-bolongana  Greater Surbiton ao amin'ny ny antoko radikaly Serba – sy ao amin'ny voka-pifidianana santatra hoe: “[…] Nametraka fanavahana tsara ity fifidianana ity satria na dia banga aza ny fanekena an'i Kosovo, dia voailika ihany koa ny fikororosi-fahana mankany amin'ny fitiavan-tanindrazana  mihoa-pefy. […]”

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny