The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Estonia Tahiry Firenena

RSS ho an i Estonia

2008-12-24

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany. Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...

2008-08-13

Olympics

Osteuropablog no miresaka (GER) ny fitovitoviana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena samy kely sady malemy na io Zeôrizia na i Estonia, ary dia mieritreritra sahay izy amin'izay hitranga mandritra ny lalao olaimpika fanao amin'ny ririnina hotanterahina any Sochi tanàna iray any Rosia, manakaiky an'i Zeôrizia isian'nyady amin'izao fotoana amin'ny 2014.

2008-08-12

Ady & Fifandirana ,
Fifandraisana iraisam-pirenena

Suomalais-venäläinen kansalaisfoorumi no mamoaka ny tatitry ny Filohan'i Estonia, Toomas Hendrik Ilves, milaza fa vaky ny ady any Eoropa, ary fanampin'izany lazainy koa ny ultimatum Rosiana (fe-potoana farany eken'i Rosia) hametrahan'ny tafika Zeorziana tsy hampiasa ny fitaovam-piadiany any Abkhazia fa raha tsy izany dia potika.

2008-01-16

Fandraharahana ,
Tantara

Window on Eurasia indray no mamintina ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka' nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana - fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra, fandraisana anjara anatina ekipa, mpitarika mpizahatany, ary misy koa ireo mivarotra “ivelan’ny hotely” sy ireo mivarotra ny entana amin’ny hafa. Mitantara hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra ny tsirairay amin’ireo tarika ireo i Vasil’yev, ary manampy be dia be amin’ny famintinana ireo tsikaritra isa-tarika hitan’i Vasil’yev ny lahatsoratra napetrany amin’ny aterineto.”

2007-10-20

Estonìa : Anaram-bosotra

Ny blaogy Itching for Eestimaa dia manolotra fanazavana [Anglisy] momba ny famoronana anaram-bosotra izay sintonina avy amin'ny anarana ihany any Estonia. When forming nicknames in Estonia, usually they chop the front half of your name off and at 's' to the end. 'Peeter' becomes 'Pets', 'Toivo' becomes 'Toits', even 'Epp' can ...