Tantara mikasika ny Bosnia Herzegovina
Noroahan’i Serbie ny “neo-Nazi” Amerikanina iray rehefa navoakan’ny vohikala mpanadihady Bellingcat ny misy azy
Queens, New York native Robert Rondo bragged about helping local neo-Nazis restore Serbian nationalist graffiti that had been defaced by anti-fascist activists. Mirehareha i Robert Rondo, teraka tao Queens (New York) fa nanampy ireo “neo-Nazis” ao an-toerana namerina ny soratsoratra izay novain’ireo mpiady amin’ny fanavakavahana ao an-toerana.
Ny tantaran'ny Haggadah-n'i Sarajevo, ilay boky jiosy tamin’ny vanim-potoana teo antenantenany izay tafavoaka velona tamin'ny fitsarana katôlika, ny famonoana tambabe ary ny ady tao Yogoslavia.
Rehefa nibodo an'i Bosnia sy Herzegovina ny Alemanina Nazia dia nafenina tao amin'ny maoske-n'ny tanàna silamo iray tany amin'ny Tendrombohitra Bjelašnica ny Haggadah, izay najanona tany mandra-pahatapitry ny ady.
Srebrenica : kaoperativam-behivavy manjaitra «arotava fiarovana ho an'ny rehetra»
Hita ao anatin'ity vondrona mavitrika ity ireo vehivavy avy amin'ny sehatr'asa isankarazany, samy vonona avokoa hanatratra tanjona mitovy: hanohana ny vondrompiarahamonina misy azy ireo.
Bosnia & Herzegovina, mpirotsaka an-tsitrapo miaro ireo mpifindramonina tafahitsoka any mba tsy hiharan'ny levilevin'ny eo an-toerana
Ao amin'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Bosnia, mba hahitàna fitoniana sy vonjy dia ireo mpirotsaka an-tsitrapo no sisa ianteheran'ireo mpifindra monina miaina ao anatiny sy manodidina ny toby fiandrasana fiarandalamby
Amin'ny tratran'ny COVID-19 efa ho 20.000 ao Balkans, ampahatelony mihoatra no ao Serbia
Tsy niraharaha ity areti-mandringana ity i Serbia tamin'ny voalohany ary nananihany aza
Natomboka any Balkans ny hetsika iraisan'ny faritra miady amin'ny fandisoam-baovao
Ahitana mpikambana avy any Makedonia Avaratra, Gresy, Serbia, Kosovo, ary Albania ny tambajotra ary hiara-hiasa amin'ny vondrona hafa mitovy aminy avy amin'ireo firenena hafa mifanila amin'izy ireo.
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Miparitaka any Eorôpa Afovoany sy Atsinanana ny fampifandraisana ny Coronavirus amin'ny fankahalàna vahiny
Tranganà fankahalàna aziatika notaterina tany Makedsonia Avaratra, Repoblika Tseky, Belarosy ary ... any anaty tambajotran-tserasera sosialy manerana ny faritra.
Mustangs ny any Amerika Avaratra, ny soavaly dia ao Livno , Bosnia Herzegovina
Taompolo vitsivitsy izao, nisy andiana soavaly dia, navotsotra ho eny anivon'ny voary. Ankehitriny, miroborobo be any an-tendrombohitra manakaiky an'i Livno ao Bosnia Herzegovina izy io.
Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana
Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.