The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Bosnia Herzegovina Tahiry Firenena

RSS ho an i Bosnia Herzegovina

2009-02-19

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

2008-12-24

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany. Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...

2008-12-12

Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook

Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho. "Antsilava, tadivy, Srebrenica!" (Nož, Žica, Srebrenica!) no iray amin'ny teny filamatra tian'ny mpanandratra ny Serba indrindra. Nisy ny fotoana nitsangana ny vondrona Facebook iray manana mpikambana 1 045 mitondra io anarana io sy vondrona iray hafa manohitra azy kosa manana mpikambana 10 584 ary mitaky ny mpandrindra ny Facebook hanakatona ny vondrona NOŽ ŽICA SREBRENICA!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! satria "manome voninahitra ny fandripahan-dehilahy sy zazalahy 8000 nitranga tany Srebrenica" io vondrona io. Indro i Sinisa Boljanovic mandika teny (anglisy) ho antsika ny resaky ny mpamaham-bolongana Serba.

2008-07-25

Governance ,
Zon'olombelona

A Step at a Time [dingana amin'ny fotoany] no mandray ho azy ny resadresaka nifanaovana tamin'ny mpikambana ao amin'ny Akademia Rosiana RFE/RL milaza ny fanirian'ny fireneny hanakatonana ny fitsarana iraisam-pirenena misahana ny raharaha Yogosilavia taloha (ICTY na TPIY) taorian'ny nisamborana ny mpitarika Serba Bosiniaka Radovan Karadzic.

2008-06-30

Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatanySary post

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.

2008-01-28

Faritry Balkan : “Jestdej”

Sleeping with Pengovsky no manala sarona ny fomba ataon'ny mpihira Krôasiana hihirana ilay hira malaza ‘Yesterday'-n'ny tarika ‘the Beatles' : ... For all of you native speakers out there - if you ever wondered how English sounds to people from the Balkans - take a look at the above picture. “… Ho ...

2008-01-12

Faritry Balkan : topimasom-boky

Greater Surbiton no milaza ny topimaso ny boky mitondra ny lohateny hoe ‘Peace and Punishment’ (Fandriampahalemana sy Fanasaziana) nosoratan’i Florence Hartmann, “mpitondra tenin’ny mpampanoa lalàna ny Maisitira Carla del Ponte ao amin’ny Tribonaly heloka bevava iraisam-pirenena ho an’i Yogoslavia teo aloha(ICTY), […] olona ambony voalohany tao amin’ny ICTY nanoratra boky ...

2007-12-29

Serbia : “Novokarina ho meloka”

Ny teny moa eto dia milaza ny fanamelohantena ananan'ny Serba. “Amin'ny alalan'ny fanariana io fanamelohantena io ihany sy amin'ny alalan'ny fahafantarana izay namolavola io fampanamelohan-tena io sy ny tanjona nokendreny no lalampiaingan'ny Serba ho amin'ny fahafahana.” hoy Gray Falcon nanoratra. Ireo vahoaka hafa ao Balkan manko mirehareha avokoa sady mampideradera ny ...

2007-10-26

Faritry Balkan : « Resaka fiteny »

Ny blaogy Balkan Baby dia mitatitra mikasika ny « resaka fiteny » any amin'ny faritra Balkanika : « What language do we speak when we are in the countries that once made up Yugoslavia? In Slovenia and Macedonia the answer is quite simple since these two countries both had their own ...