Global Voices teny Malagasy » Belarus
Sary mihetsika : ankalazaina ny vehivavy amin'ny andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo
Efa nankalazaina nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1900 ny Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: raha hiverenana kely ny tantara dia fampahatsiahivana ny fitondrana tsy nety natao tamin'ny vehivavy sy ny tolona mafy tsy an-kijanona natao hahazoana fitovian-jo. Na izany aza, tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia maro amin'ireo tsy fitovian-jo ireo no efa voavaha ary ankehitriny dia fanao ny mankalaza ny andron'ny vehivavy hitadidiana ireo efa nahazoana valiny mahafa-po fa tsy hoe hitadidiana ireo fotoana mampalahelo akory. Ary hita taratra eny amin'ny asan'ny mpanoratra tononkalo sy mpihira fa izay tokoa no ataon'ny olona maro manerana ny tany.
Nikarakara seho an-tserasera ny Ministeran'ny Fiainam-pianakaviana any Chili hankalazana ny andron'ny vehivavy, ary hatramin'izao anio izao, dia mitondra tononkalo mahafinaritra ho antsika izy izay novakian'ny vehivavy maro. Ilay tononkalo mitondra ny lohanteny hoe “Ode to the Washerwoman” na Kalo ho an'nilay mpanasa lamba, nosoratan'i Pablo Neruda, izay mamaritra amintsika ny sarina vehivavy iray manasa lamba amin'ny alina mba hamelomany ny ankohonany, ny labozia sy ny volana no mba hany namany:
La nocturna
lavandera
a veces
levantaba
la cabeza
y ardían en su pelo
las estrellas
porque
la sombra
confundía
su cabeza
y era la noche, el cielo
de la noche
la cabellera
de la lavandera,
y su vela
un astro
diminuto
que encendía
sus manos
que alzaban
y movían
la ropa,
subiendo
descendiendo,
enarbolando
el aire, el agua,
el jabón vivo,
la magnética espuma.
Isak'alina
Ilay mpanasa lamba
Indraindray
manatsika
ny lohany
mitaratra eny amin'ny volony
ny kintana
satria
ny aloka
mampifangaro
ny eny an-dohany
alina tamin'izay, ny lanitra
ao anati'ny alina
ny volon'
ilay mpanasa lamba,
sy ny jirony
kintana
kely
manjelatra
ny tanany
miakatra
mihetsika
ny lamba,
miakatra
midina,
atontona
ny rivotra, ny rano
ny savony,
ny raotrany.
<object width="445" height="284" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Any Pero, nivory tany Lima ny mpikambana ao amin'ny Colective Canto a la Vida, nangataka ny fanajana ny zon'ny vehivavy sy ny zo aram-pananahana: ny zo amin'ny fanalan-jaza, manohitra ny fanerena tsy fahazoana miteraka ary ny fidirana ao amin'ny Day After Pill.
<object width="445" height="364" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Tsy ny vehivavy Peroviana ihany no nivory. Taterin'ny Nepalnews.com ao amin'ny serasera mailaka Nepali news channel koa ny fihetsiketsehana nokarakarain'ny vehivavy tao an-drenivohitra ao Kathmandu:
<object width="445" height="364" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra, ilay mpihira Bielorussina Dmitry Koldum, nanohitra ny Eurovision tamin'ny taona 2007, no namoaka ny sariny mihetsika amin'ilay hira hoe  “ny tovovavy rehetra eran-tany”, amin'izao androny izao:
<object width="445" height="364" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Ho an'ny vehivavy rehetra maneran-tany, arahaba tratry ny Andron'ny Vehivavy!
Juliana Rincon Parra
Rosia: Veloma mandrakizay ry “khrouchtchevki”
Andro vitsy lasa izay, drugoi, iray amin’ireo mpitoraka blaogy rosiana isan’ny be mpahalala sy malaky misandrahaka indrindra, dia nandefa tamin’ny  LiveJournal, izay fampiasany, sary  17 maneho tangoron-trano iray ao Mosko, niorina fony vaninandro Khrouchtchev ( fiantso azy ireny mahazatra ny hoe khrouchtchevki, na pyati etajki, rihana dimy, na koa hoe khrouchtchoby, izay azo adika tsotra hoe trano rsizarizarin’i Khrouchtchev : kilalaon-teny (tsilalaon-teny) ihany izany nalaina avy amin’ny trouchtchoba izay midika hoe trano tsizarizary amin’ny teny rosiana). Hanjavona ity tanana ity ary hisolo toerana azy ny trano fonenana manara-penitra kokoa sy mijoalajoala  .
Indreto santionam-panazavana vitsivitsy  [amin’ny teny rosiana] mandravaka ny tatitra an-tsariny, izay naharaisana fanamarihana miisa 331:
Ireo Khrouchtchevki tamin’ny fiatombohan’ny taona 1960 ka efa andalam-pandravana any atsimo-andrefan’i Mosko. Ireny tranobe misy rihana dimy ireny, tsy misy balcon, misy lakozia tery kely, [sy kojakojam-pidiovana manana habe toy ny boty kely], rindrina manify ahafahana mandre izay rehetra mitranga ao amin’ny mpifanolo-bodirindrina, dia efa nilaozan’ny zava-misy. Ny tangoron-tranon’i pyati etajki rehetra dia efa nilaozan’ireo nonina tao aminy ary efa miatrika ireo fitaovana matanjaka izay manjera mifandimby ireo tranobe mifanaraka amin’ny drafitra efa voasoritra. Vantany vao mahavita ny asany ireo  pelleteuses sy bulldozers, tsy misy miangana intsony afa-tsy tany malalaka midadasika sy foana eo amin’izay nonenan’ireo fianakaviana maro fotoana vitsy talohan’izany. Ireo mpiara-monina amiko ankehitrio dia saiky teraka sy lehibe tamin’ireny pyati etajki ireny, tany no niterahany ny zanany, ary ireny zanany ireny indray avy eo no mbola nanome azy kosa ny zafikeliny. Taranaka nifandimby maro no  niaina tamin’ireny  khrouchtchoby ireny. Noho ireny toeram-ponenana ireny, mba afaka nandositra ireo efitrano fatoriana tany amin’ny orinasa sy ireny kommounalki sovietika tsy maha-te hijery ireny ny Moskivita [trano fonenana itambaram-be]. Izy ireny no trano fonenana voalohany ho an’ireo vao avy nanorin-tokantrano sy nanome fahatoniana ho an’ireo efa nahazo taona, ary rano mafana ho any an-trano fidiovan’izy ireo tsirairay, na dia kely monja ihany aza. Raha atao bango tokana, misaotra anareo  pyati etajki.
Fitadiavana izay hisitrihana, ho an’ireo mponina tamin’ireo pyati etajki, dia sedra iray. Nandritra ireo taona maro niainana teto, nahavita nampivondrona fianakaviana maro (ankohonana) manodidina azy izy ireny, na akaiky na lavidavitra. Nifamatotra amin’ny fomba mampivanaka ny rehetra, ny fianakaviana tsirairay dia manana ny tantarany manokana momba ny fifandraisan’ny samy olona, nefa ny isan’ny trano atolotry ny mpitantana ny tanana mba honenana maimaim-poana dia tsy hoe tsy voafetra akory. Ny vaomiera misahana ny fandinihana ny trangan’ireo  “nasitrika” (napetraka) ireo dia mazana no misedra olana : ny sasany tsy tia ny trano vaovao nametrahana azy , ny hafa iondray mikendry ny hahazo efitra lehibe kokoa, na mikasa ny hamela ny zanany, na ny raiamandrenibeny, na ny vadiny teo aloha (na lahy io na vavy), izay niara-nifampizara faritra niainana taminy.
Andreï no farany mponina farany tamin’ny pyati etajka. Efa ho herintaona izao dia mifanolana ara-panjakana amin’ny tompon’andraikitra eo an-toerana izy. Araka ny fanambarany, zavatra mampihomehy sy tsy hay faritana no mahazo azy: nandritry ny dimy taona, nifampizara efitra roa kely tamin’ny vadiny teo aloha izy, ny vady vaovaon-dramatoa io koa sy ny alikan’izy ireo miisa dimy. Mangataka izy ny mba hapetraka amin’ny trano misy efitra roa, farahafaratsiny, amin’ny toeram-ponenana itambarambe, fa misaraka. Ny vaomiera mpikarakara ny fanomezana fonenana kosa anefa dia tsy manolotra afa-tsy efitra roa any amin’ny tranobe vaovao ho an’ireo vady taloha. Namafisin’ny tribonaly ny fanapahan’ny vaomiera. Ny entona fandrehitra (gaz) efa notapahana tamin’ilay tranobe taloha, fa mbola misy kosa ny rano sy ny herinaratra. Tsy hain’ny olona izay hatao amin’izao fotoana.
Andreï dia milaza fa saiky ny olona rehetra ao amin’ny tranobe misy azy dia misedra olana noho ny  famindrana toerana avokoa . Andaniny, azo takarina ihany hoe tian’ny olona hivaha indray mandeha ny olana tena mafy mahazo azy, dia ny trano fonenana izany, fa esty ankilany, ny fanjakana dia andalam-panomezana azy ireo maimaimpoana toerana hiainana misanda dolara an’arivony maro, ka raha izany dia tena miady marina ho an’ny ainy.
[sarin-behivavy iray mijoro manoloana ny tranobe iray efa rava amin’ny antsasany, mitafa amim-behivavy iray hafa, mbola monina ihany amin’io tranobe io, eo am-baravarankeliny]
- Sveta, sao mba tsinjonao any ho any ireo kiraro tontako?
Tsy apetraka honina amin’ny faritra lavitra intsony ireo mponina tamin’ny pyati etajki: omena trano fonenana eto izy ireo, miala tokony ho tangoron-trano roa tamin’ny azy fahiny.
[sary farany, tilikambo vao naorina tsy ela loatra]
Ao anatin’ity tranobe ity, efa manomboka ny fiainam-baovaony ireo mponin’ny  khrouchtchevki.
Ireto misy fanamarihana nofantenana avy amin’ireo nateraky ny tatitra an-tsarin’i drugoi ; ny sasantsasany dia avy amin’ireo mpitoraka blaogy monina any amin’ireo repoblika sovietika fahiny,  Belarosia, Ukraina, Litoania :
danatjan :
Ireo temitra sovietika nolazoin’ny fotoana no sary manetsi-po amin’ireny trano arodana ireny.
el_finik :
Mahatalanjona ny mahita ireo  khrouchtchevki ao Minsk [Belarosia] toa manana endrika hafa mihitsy, miaraka amin’ireto balcons, sns… ary tsy misy olona mandrava azy ireo
cheremis :
Karazana hafa mihitsy ireo. Ao  Mosko, misy pyati etajki izay tsy voakasiky ny resaka fandrodanana : raha ny tokony ho izy, vita amin’ny biriky izy ireny ary misy balcons. Ireo amin’ny sary dia natao hampiasaina mandritry ny 40 taona, ary [ny ben’ny tanan’ny Mosko, Youri Loujkov] dia, amin’ny lafiny hafa, eo an-dalam-panatanterahana ny drafitry ny fitondrana sovietika
zlena :
Mampalahelo kely ihany na dia izany aza … Izaho koa dia teraka sy lehibe tamin’ny karazandrazana khrouchtchevka. Tranoko io, na dia any Kiev aza no misy ny  khrouchtchevka-ko. Ary angamba mbola mba hitoetra ela izany.
4lynch :
Ny sary sasany dia toy ny nalaina tany Tchernobyl… Mahafatifaty !
katerinishe :
Angamba hevitra tsara ny mba hitazonana iray amin’ireny tranobe ireny tsy ho simba sy hanaovana azy ho rakitry ny ela momba ny fiainana andavanandro. Mba hahafahana, aoriana any, mahalala ny zava-nisy nanodidina ny tena nandritry ny fahazazana na ireo zavatra nananan-dry nenibe fahiny.
nito_os :
Izaho koa lehibe tany amin’ny khrouchtchevka, ary mbola monina any. Saingy aty Litoania, tsy ravana izy ireny . Ny mifanohitra amin’izany aza fa amboarina sy ampiana rihana fanampiny, mba tsy ho lafo loatra ny fanavaozana. Hijoro isika ry Khrouchtchevki!
Bielaròsy, Rosìa : Fiaran-dalamby Minsk-Murmansk
LJ mpiblaogy ao amin'ny af1461 dia manapariaka sary meva maro mikasika ny faritra Avaratra, ny faritra Faran'ny Atsinanana sy faritra hafa any Rosia, ary koa momban'ny lalamby Rosiana (jereo, ho fanoharana, ireto sarin'ny garan'ny “lalamby maty” any amin'ny tanàna iray any amin'ny faritry Murmansk ireto).
Eo ambany ny lahatsoratra izay dikantsoratra (RUS), na dia izany aza dia tsy toy izany foana ny toe-draharaha. Mampiseho soratra mipetraka amin'ny fiaran-dalamby Minsk-Murmansk - soratra izay noheverina ho fanampiana ireo mpandeha izay mikaroka ny fiara mifanandrify amin'izay tapakila novidiany, anefa dia mampiseho koa fa na dia zavatra faran'izay tsotra aza dia mety mivadika ho “nofy ratsy” any amin'ity faritra ity.
Korontana re izao
Ny fiaran-dalamby #325/326, mampitohy an'i Minsk-Murmansk, dia fifangaroana fiaran-dalamby - ireo tena mankany Minsk-Murmansk dia zara raha fiara valo monja, fa ny ankoatr'izay dia fiara mijanona any [Grodno], [Brest], [Gomel], [Velikiye Luki], [Pskov] sy izay toerana hafa rehetra izao.
Noho izany rehefa miainga avy ao Murmansk ny fiaran-dalamby, izay olona tsy “mamo” ihany no afaka maharaka tsara ireo fiaran-dalamby tokony ho raisiny:
[photo]
Indro ny dikantsoratra :
Fiaran-dalamby laharana faha- 325 fanisana [ireo fiara] manomboka avy amin'ny lohan'ny firan-dalamby
31, 32, 34, 33, avy amin'ny 2 ka hatramin'ny 7, [nampiana soratanana 8], 20, 21,
29, 19, 22, 17, 18, 23, 15
[soratanana amin'ny faran'ny pejy] ny fiara laharana faha- 0 [dia] eo anelanelan'ny laharana faha-5 sy faha-6
Indreto kosa hafatra notsongaina avy tamin'ireo napetrak'ireo mpamaky ny blaogy:
strijar:
Oadray ! Tena ohatr'izao mihitsy ny fomba filahatr'ireo tranobe fahiny [any St. Petersburg]   Amin'ny rihana iray no indray hitanao ireo “trano fonenana” [flat | appartement] laharana faha-3, faha-17 ary faha-24.
alenok74:
Adina faharanitan-tsaina [IQ test | test QI] hoan'ireo mponin'i Murmansk io
Indray andro izay, nandray io fiaran-dalamby io i ramatoa vadiko, misy hatsikana hafa miksika io fiaran-dalamby io : ny antsasan'izy ireo dia [misoratraha any Bielaròsy], ary ny antsany kosa - any Ròsia, ary ireo tapakila hoan'ireo fiara voalohany (Bielaròsy) dia latsaka haiva 1.5 heny. Noho izany rehefa mividy ny tapakila ianao dia mila manamarika hoe, “Mba omeo tapakila iray amin'ireo firan-dalamby Bielaròsy aho” -dia mora kokoa ny saran-dalanao.
Tantara Sovietika : Fartsovhchiki
Window on Eurasia indray no mamintina ny boky vaovao momba ny Sovietika fartsovshchiki: “ Niroborobo tokoa ny ‘fartsovka' nandritra ny taompolo 1970 sy 1980 ka heverin’i Vasil’yev fa misy tarika enina samihafa miditra amin’ny sehatry ny fitadiavan’entana - fiasana amin’ny hotely fandraisambahiny, tantsambo any amin’ny sambo Sovietika, fiarabe mandeha lavitra, fandraisana anjara anatina ekipa, mpitarika mpizahatany, ary misy koa ireo mivarotra “ivelan’ny hotely” sy ireo mivarotra ny entana amin’ny hafa. Mitantara hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra ny tsirairay amin’ireo tarika ireo i Vasil’yev, ary manampy be dia be amin’ny famintinana ireo tsikaritra isa-tarika hitan’i Vasil’yev ny lahatsoratra napetrany amin’ny aterineto.”