Tantara mikasika ny Albania

Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana

  08 Marsa 2019

Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.

Bilaogera amin'ity herinandro ity: Elena Ignatova

  05 Mey 2018

Na dia tsy bilaogera aza ara-teknika ny Bilaogeran'ny herinandro anio, malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Makedoniana amin'ny asany ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Makedoniana izy, satria mpandika teny sy tonian-dahatsoratra ao izy. Ankoatra izay, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices Albaney ihany koa izy, ary mpankafy mamaky bilaogy.