· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2013

Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?

  13 Marsa 2013

Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny. Mitatitra i Diana Lungu.

Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy

Akon  10 Marsa 2013

Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18  taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany  manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao...

Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia

Akon  09 Marsa 2013

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy ity? Nandefa doka miloko mainty sy fotsy izay nahitàna ny fangon'ireo tranonkala telo ireo tao anatin'ny fampielezankeviny

Lalana Ao Slovakia: “Asiana Lavaka Sy Hitazana ny Fitomboan'izany”

  08 Marsa 2013

Tamin'ity taona ity, ratsy dia ratsy ny toetry ny lalana ao Slovakia. Raha jerena, mbola ratsy kokoa noho ny tamin'ny taon-dasa. Tamin'ny 28 Febroary, nanoratra [sk] ny gazety SME fa ao amin'ny faritra Košice, ao Atsinanan'i Slovakia fotsiny dia ahitana lavaka amin'ny arabe mirefy 37.000 metatra toradroa, kanefa mbola tsy tapitra...

Kianja Sa Sekoly: Diso Toerana Ny Laharam-Pahamehana Ao Slovakia

  04 Marsa 2013

Tsy misy vola ampy hanomezana karama sahazo ho an'ireo Slovaky mpampianatra, saingy misy kosa ny vola hananganana kianja filalaovana baolina kitra manerana ny firenena. Tibor Blazko mitatitra momba ny hadisoan'ny governemanta Slovaky amin'ny laharam-pahamehana amin'ny famatsiam-bola.