· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Novambra, 2012

Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”

Akon  29 Novambra 2012

Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...

Bolgaria: Revolisiona Voatabia

  28 Novambra 2012

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy...

Nahoana No Tsy Tokony Avela Tsy Hisazy Ny Hala-bato Ao Okraina

  23 Novambra 2012

Rakotry ny ahiahy mikasika ny mety ho fisian'ny hala-bato sy endrika kolikoly hafa koa ny fifidianana parlemantera farany teo tao Okraina. Veronica Khokhlova no mampibaribary ny sasany amin'ireo kiana nakarin'ny fiarahamonina sivily Okrainiana manohitra ilay fifidianana, sady milaza fa fotoana izao tokony hiraisan'ny mpanohitra hina manodidina tolona iray iombonana.

Fahadisoam-Pamakiana Ny Magnitsky & Kongresy Amerikana Avy Any Rosia

Akon  21 Novambra 2012

Dibo-kafaliana ireo bilaogera mpanohitra Rosiana tamin'ny Asabotsy, taorian'ny fandanian'ny Antenimieram-pirenena Amerikana ilay lalàna antsoina hoe “Lalàna Magnitsky” nahazo fanohanana avy amin'ny Antenimiera roa tonta tamin'ny 16 Novembra 2012. Manilika ny Fanitsian-dalàna Jackson-Vanik ihany koa ny ampahany amin'ny lalàna, ary mandrara tsy hahazo hiditra amin'ny faritr'i Etazonia ireo manampahefana ao amin'ny governemanta...

Noesorin'i Putin Ny Minisitry Ny Fiarovana Mba Hisondrotan'ny Mpandova azy?

Akon  20 Novambra 2012

Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, vonona hifidy indray an'i Barack Obama ho filoham-pirenena ny Amerikana,  nanapaka ny finamanany efa ela tamin'i Anatoly Serdyukov i Vladimir Putin, minisitry ny Fiarovana tao Rosia nanomboka tamin'ny taona 2007 i Anatoly Serdyukov. Sergei Shoigu, Governoran'i Moskoa sy lehiben'ny Minisitera Misahana ny Toe-draharaha Maika (MChS) no notendrena hisolo...

Ny Fikorontanan'ny Nasionalisma Rosiana

Akon  17 Novambra 2012

Tamin'ity taona ity, nanandratra avo ny anarany ny Andron'ny Firaisankina, saingy tamin'ny fomba tsy nampoizina. Tao anatin'ny tanàna 46 manerana an'i Rosia [ru], isany i Mosko, olona teo amin'ny 3 alina teo no nandray anjara tamin'ireo famoriam-bahoaka nataon'ny farany havanana. Na dia ampahany faran'izay kely dia kely amin'ny totalin'isan'ny mponina aza izany, ny Andron'ny Firaisankina nataon'ny vondron'ny farany havanana dia nahasintona mpanohana maro nanerana an'i Rosia

Rosia, Tadjikistan : Iza No Mahatsiaro Ho Tohina Amin'ilay “Torohay Ho An'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra”?

  16 Novambra 2012

Naneho hevitra momba ilay «Torohay ho an'ireo mpiasa mpila ravinahitra» nivoaka tany Rosia ny sampana natao ho an'ny tanora ao amin'ny antoko "Parti démocratique populaire" ao amin'ny fitondràna ao Tadjikistan. Kanefa, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia mahita hoe mihevitra ny amin'ireo teratany tadjiks sy ny firenena niavian'ireny mpiasa mila ravinahitra ireny i Rosia.