· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jolay, 2012

Rosia, Belarosia: Medvedev sy ny “Toerana Fanaovana “Cirque” Belarosiana”

Akon  23 Jolay 2012

Nandritra ny fitsidihan'ny Praiminitra Dmitry Medvedev tany Minsk tamin'ny Zoma 18 Jolay, nandefa tweet tamin'ny sary Instagram nahitana ity teny ity izy: “Tao amin'ny araben'i Minsk.” Ny olana tamin'ny sary dia ny fanoritsoritana ny  Toerana fanaovana cirque an'ny fanjakana Belarosiana, izay niteraka fanehoan-kevitra mikasika ny fihaonanan'i Medvedev tamin'ny filoha Belarosiana Aleksandr Lukashenko sy...

Bolgaria: “Rehefa roahina ny olo-malazan'ny taona…”

  20 Jolay 2012

Mandritra ny fahavaratra mahamay iny, rehefa mifamazivazy ny Bolgara fa fandripahan'olona ny fisiana fiara fitateram-bahoaka tsy manana famerana hafanana, teo anelanelan'ny horohrontany sy ny fiafaran'ny fanadinana eny amin'ny oniversite, dia nisy fanafintohinana nipoaka koa tamin'ny 12 jolay lasa teo satria noroahin'ny Filan-kevitra Faratampon'ny Fitsarana ny mpitsara Miroslava Todorova [bg], mpitarika ny sendikàn'ny...

Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria

Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria. Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny ainy ny fanafihana, izay na teo akaikin'ny bus na tafiditra tao anaty bus. Araka an'i  nrg, nijoro teo anoloan'ny bus...

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Tondradrano Nandrava An'i Krymsk Anaty Aterineto Sy Mivantana Ireo Mpampiasa Aterineto

Akon  18 Jolay 2012

Tamin'ny 6-7 Jolay, maherin'ny 170 ireo olona namoy ny ainy tamin'ny tondradrano nandrava tany atsimon'i Rosia. Niady hevitra ireo mpitoraka blaogy momba ny mety nahatonga izany loza izany tany amin'ny Krymsk - faritra voa mafy; maro ireo efa any amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo na mpanao gazety, ary maro amin'ireo adihevitra amin'ny aterineto koa no mifototra amin'ny ezaka fanavotana.

Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!

  13 Jolay 2012

Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany. Takon'ny fahasarotana ara-toekarena, ny fifanolanana teo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena noho ny fanagadrana ny praiminisitra teo aloha Yulia Tymoshenko...

Rosia: Tolotra Amin'ny Finday Hampifandraisana Ireo Mpandeha & Mpitondra Fiara

Akon  02 Jolay 2012

Tsy mampandany vola sy fotoana ny tolotranà finday anaty aterineto Yeehay! raha mikaroka sy mangataka fiarakaretsaka ianao, ary miteraka vokantsoa amin'ny tontolo iainan'ireo tànana Rosiana feno setroka amin'ny alalan'ny fampifandraisana ireo mpandeha sy mpitondra fiara izay mety tsy nifandray mihitsy raha tsy nisy izany.