· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Febroary, 2012

Rosia: Tatitra An-tsary Ataon'ny Bilaogera Sy Eritreritra Manoloana Ny Hetsika Ataon'Ireo Mpomba an'i Putin ao Moskoa”

Akon  25 Febroary 2012

Tamin'ny 23 Febroary lasa teo, folo andro alohan'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 4 Martsa, nanao lahateny ho an'ireo vahoaka an'arivony tao amin'ny stady Luzhniki ao Moskoa ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin . Nanatrika ny hetsika tamin'ny 23 Febroary ihany koa ny mpamahana bolongana sasantsasany monina ao Moskoa. Ireto ambany ireto ny fantin-tsary nalain'izy ireo sy ny fijerin'izy ireo izany, ahitana fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny mpihaino izany.

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

  23 Febroary 2012

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa miteraka fahasimbana eo amin'ny tontolo iainana sy eo amin'ny fahasalamana sahady.

Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje

  16 Febroary 2012

Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana. Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40 minitra ilay fiaramanidin'ny orinasam-pitaterana an-habakabaka tsheky CSA raha nezahina izay hampandeha nokitihina ilay lelan'ela-boromby tsy nety niasa, afaka niantsona noho ny hamehana ihany anefa...

Hongria : veloma i Malév!

  10 Febroary 2012

Malév, kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Hongroà, niorina tamin'ny taona 1946, no nikatona tamin'ny 03 febroary satria bankirompitra. Araka ny  vaovao an-gazety [hu], tsy nahalala ny hanakatonana ity kaompania ity ireo mpiasa tao raha tsy adiny y iray alohan'ny fanakatonana. Tamin'ny alàlan'ny saika hisoratana anarana handeha tao amin'ny seranam-piaramanidina Listz Ferenc ao Budapest kosa no nahalalan'ireo...

Moldavia: Tsy Nahazo Fanohanana Betsaka Avy Amin'ny Mpiserasera Ny Hetsim-panoherana ny Governemanta

  02 Febroary 2012

Tao anatin'izay roa herinandro lasa izay, nidina an-dalambe ny Moldaviana mba hanao hetsim-panoherana. Nitaky ny fametram-pialan'ny governemanta sy ny fanafoanana ny fifidianana kasaina atao alohan'ny fotoana ny mpikarakara ny hetsika-sy ireo mpanao politika marobe  nanatevin-daharana ny Vaomiera Mpiaro ny Lalam-panorenana sy ny Demokrasia. Nanomboka ny hetsika tamin'ny fotoana nanambaran'ny manam-pahefana...