· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Desambra, 2011

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

Okraina: Fampiasàna Lahatsary Mba Hampihenana ny Hevitra Mety Hitondra Fanimbàna

Rising Voices  23 Desambra 2011

Ireo mpanao hetsika avy ao amin'ny “Fikambanana Mpiaro ny fitsaboana Fanoloana eto Okraina” dia maka sary sy manoratra ireo tantara manokana momba ny fitsaboana ireo marary mba hampahafantarana fa ny ” Fitsaboana amin'ny alalan'ny fanoloana” dia mety hanova tanteraka ny fiainan'ny olona miankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina mba ho tsara kokoa. Miteny...

Rosia : Fihetsiketsehana Tamin'ny 10 Desambra tao Vladivostok

Akon  23 Desambra 2011

Mbola mahabe adihevitra hatrany ao Rosia ny fifidianana solombavambahoaka vao haingana sy ny vokam-pifidianana izay fantatra fa nisy hosoka. Na dia teo aza ny filazana ireo hosoka sy hala-bato niseho nandritra ny fifidianana , dia afaka naneho ny heviny ny olom-pirenena Rosiana. Tamin'ireo Birao fandatsaham-bato 4 amin'ireo 5 ao Vladivostok,...

Rosia : Fandinihana Ny Mety Ho Hamafin'ny Korontana Amin'ny Hetsi-panoherana Ny Asabotsy Androm-pifidianana

Akon  22 Desambra 2011

Koa satria ny toe-draharahan'ny voka-pifidianana Rosiana sy ny momba ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona manerana ny firenena dia mbola tsy voavaha, dia mponina avy amin'ny tanàna maro no niomana hanao fihetsiketsehana ny Asabotsy 10 Desambra 2011.. Alexey Sidorenko dia nandinika ny isan'ireo vondrona anaty aterineto sy ny mety ho fiantraikan'ireo hetsi-panoherana.

Polonina: Miresaka Momba Ny Tolo-dalàna Hampidirana Indray Ny Fanamelohana Ho Faty Ireo Mpiondana Aterineto

  16 Desambra 2011

Ilay mpitarika ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Polonina dia nanambara fa mankasitraka ny fampidirana indray ny fanamelohana ho faty ho an'ireo "heloka bevava mahatsiravina." Ary na dia ny filazàna faran'izay bitika momba izany fomba fijery ny sazy faratampony izany aza dia mety horaisina ho làlana iray enti-mandrombaka mpifidy, kanefa dia niala àny koa adihevitra iray goavambe mikasika ilay lohahevitra. Anna Gotowska no mitatitra.

Okraina:Misava Làlana Amin'ny Fampiasàna Ny Media Sosialy Ny Hôpitalim-Bahoaka

  15 Desambra 2011

Nitsangana ny 1798, ny toeram-pitsaboana klinikam-paritra ao Dnipropetrovsk [ru, uk] - notendrena taorian'i Ilya Ilyich Mechnikov - dia iray amin'ireo trano fitsaboana ntaolo indrindra any Okraina. Izy ihany koa dia iray amin'ireo toerana fitsaboana an'ny fanjakana voalohany indrindra izay mampiasa ny media sosialy. Mitatitra i Tetyana Bohdanova.Founded in 1798, Dnipropetrovsk Regional Clinical Hospital is one of the oldest hospitals in Ukraine. It is also one of the first state medical institutions to use social media. Tetyana Bohdanova reports.

Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto

Akon  13 Desambra 2011

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy malalaka.