· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Jolay, 2011

Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

  27 Jolay 2011

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.

Bolgaria: Andro Iray Tsy Misy An'i Boyko Borisov PM

  22 Jolay 2011

5 Jolay 2011, nisian'ny fanamby mahaliana ho an'ireo fampahalalàm-baovao Bolgara efa mahazatra : Hamaly ny antso iray ao amin'ny Facebook hoe "Andro iray tsy misy an'i Boyko Borisov" [bg; tsy mandeha intsony amin'izao ilay pejy, satria taorian'ny hetsika dia noraisin'ireo mpikarakara ny fanapahan-kevitra hamafa azy, mba hisorohana ny spam, hafatra tsy iriana afafy amin'ny aterineto] - sa mbola hanohy ny hitatitra ireo zavatra ataon' ny Praiminisitra Boligara ry zareo?

Rosia : Sambom-pizahantany niteraka resabe

Akon  21 Jolay 2011

Ny folakandron’ ny Alahady 10 jolay 2011, dia nitsimbadika teo amin'ny tohodranon'i Kouibychev tao amin'ny ony Volga ilay sambo fitsangatsanganana “Bulgaria”. Araka ny atontan'isa ofisialy, dia mpandeha 129 no mbola tsy hita popoka sy heverina ho natelin'ny rano. Matetika rehefa mandre loza sy voina tahaka izao ny olona dia mampahatsiahy ny toe-javatra...

Okraina: ny tantara ratsin'i Yula Tymoshenko

  13 Jolay 2011

Nanomboka tamin'ny faran'ny volana jona teo tany Kiev renivohitra ny fitsarana ny praiminisitra taloha tany Okraina, Yula Tymoshenko, izay mpitarika ny hetsika vonimboasary,  noho ny fanararaotam-pahefana. Araka ny nambaran'ny mpanao famotorana, nanampatra ny fahefany i Tymoshenko tamin'ny nanaovany sonia ny fifanarahana amin'ny mpamatsy gazy tany Rosia, ka ny vidiny nifanarahany tamin'ny praiminisitra...

Rosia: Misafidy ny sainan'ny tanànany ny bilaogeran'i Vladivostok

Akon  10 Jolay 2011

As the Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC) summit of 2012 approaches, local authorities of the Russian maritime city of Raha manantomotra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC) 2012, sahirana anaty fikarakarana Vladivostok, ny mpisera tia famoronana kosa nanoratra fa tsy manana saina ofisialy [ru] handraisana ny lanonana ny tanàna. Indreto ny sasany amin'izay novolavolaina hamenoana izany fahabangana izany.

Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Akon  09 Jolay 2011

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy  nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny Fikambanana  Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io....

Makedonia: Fivorian'ny Antenimiera Vaovao Manamafy Orina ny Fandresen'ny Antoko Vaventy

  06 Jolay 2011

Nanatontosa  ny fivoriany voalohany tamin'ny Asabotsy 25 jiona 2011 teo ny Solombavambahoaka Masedoniana voafidy farany teo. Ny firafitr'io Antenimiera io dia mampiseho ny fironana mankamin'ny fivangogoam-pahefana miaraka amin'ny fihenan'ny mpandray anjara politika, izay mampanantena  “mihoatra noho ny” karazana fanao politika nandritra ny taona vitsivitsy farany. Eo amin’ny 2 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny Masedoniana, izay...

Rosia: Ireo Hagaigen'ny Ministera Tao Amin'ny Aterineto

Akon  03 Jolay 2011

Ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaham-Bahiny (MVD) dia vao avy nanomboka fanentanana tao amin'ny Aterineto ary tato anatin'ny tapa-bolana dia hetsika goavana roa no nahasarika ny saina tamin'ireo hetsika nataon'ny Ministera.