· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Marsa, 2011

Rosia: Fampahalalam-baovao An-tserasera 2010-2011 Araka ny Hevitr'i Yandex.ru

Akon  31 Marsa 2011

Tatitra vaovao an'i Yandex.ru[ru] “Tontolon'ny Fampahalalam-baovao ny RuNet. Septambra 2010 – Janoary 2011″ nanoro-hevitra fa mandroso ny fampahalalam-baovao an-tserasera Rosiana saingy mbola lavitra ny lalana aleha mba hahalasa azy ho fikambanana mpitatitra vaovao manara-penitra . Tsy toy ny tamin'ny taona maro lasa, manana vaovao marobe hisafidianana ao amin'ny aterineto ny Rosiana....

Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe

Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.

Masedoana: fahatsiarovana ny demokrasia

  24 Marsa 2011

Maneho hevitra mikasika ny fivoriana manokana nataon'ireo antoko politika goavana ho fametrahana indray ny fifanakalozan-kevitra demokratika andraisan'ny daholobe anjara ao anatin'ireo andrim-panjakana ny mpitoraka bilaogy. Volan nanontany [MKD]: Nahoana isika no mitady demokrasia modely eo amin'ny fitantanana? Taorian'ny faharavan'ny fanjakan'ny antoko tokana, dia niova ho fitondran'ny Solitàna {Sultan} (ilazana ireo mpitondra...

Okraina: Mampitaha an'i Fukushima sy i Chernobyl?

  17 Marsa 2011

Ilay horohorontany niaro tsunami namely an'i Japana tamin'ny zoma 11 martsa lasa teo iny no niteraka fahasimbana goavana [ENG] ho an'ny foibe nokleary Fukushima-1, satria ny fijanonan'ny fomba fampangatsiahana dia niteraka trangan-javatra mampalahelo toy ny fipoahana matetika, afo, ary fiakaran'ny hafanana [ENG] teo amin'ny fitaovana mpamokatra herinaratra nokleary. Arakaraky ny fivoaran'ny zava-misy, dia mampiseho...

Serbia: Fanehoan-kevitra Momba ny Valan-dresak'i Gaddafi Tao Amin'ny Pink TV

Nanao resadresaka teo amin'ny 8 minitra teo tamin'ny telefaona ho an'ny fahitalavitra Serba TV Pink ny filoha Libiana Muammar Al Gaddafi tamin'ny 28 Febroary, nilazany fa i Libia dia tahaka ireny firenena "tena mandry fahalemana tanteraka" ireny. Ireo fanehoan-kevitry ny Serba eo anivon'ny aterineto sy tany anaty fampielezam-baovaom-pirenena ka ahitàna fanekena tanteraka sy fanohanana ny tantaran'i Gaddafi.