· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011

Rosia: Jery todika ny aterineto 2010

Akon  11 Janoary 2011

Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.

Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana

Akon  11 Janoary 2011

“Sarintanim-panampiana ho an'ny Ririnina Rosiana” (Holoda.info), tetikasa iray vaovao ho fitrandraham-baovao avy eny ifotony, no natomboka napetraka tao Rosia mba hitaterana ny olan'ny vahoaka tratry ny hatsiaka mamirifitry. Ny masoivohom-baovao  RIA Novosti mitatitra [RUS] fa ny tanjon'ny vohikala dia ny hitondra fanentanana mikasika ireo olona miaritra ny tsy fisian'ny fitaovana...

Hongria: Fanentanana ho fanamaizinana manerantany

  10 Janoary 2011

Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media nampidirina tamin'ny 1 Janoary. Mitatitra i Marietta Le.

Hongria: Ice-T sy ny lalàna Hongroa vaovao mifehy ny Media

  03 Janoary 2011

Marietta Le dia mitatitra ny fisian'ny fanadihadiana atao amina foibena fampielezam-peo iray nandefa hiran'ilay mpiangaly gadona rap Ice-T ataon'ny National Media and Infocommunication Authority (Manampahefana miandraikitra ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana) any Hongria.

Mametraka sivana amin'ny fanaovana gazety i Hongria

GV Mpisolovava  02 Janoary 2011

Efa zava-mahazatra any amin'ny faritra maro ny sivana atao amin'ny fampahalalam-baovao, saingy tsy nisy nisaina mihitsy hoe firenena iray ao afovoan'i Eraopa no handeha hizotra amin'izany làlana izany. Eny, te-hanova an'izany i Hongria.