· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Eoropa Afovoany & Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2010

Hongria: Mampidi-doza ny toerana fanangonana fako simika

  13 Oktobra 2010

Araka ny fanadihadihana, nandrakotra tanàna maro tany antsinanan'i Hongria ny fikorianan'ny fotaka misy poizina simika tamin'ny fiandohan'ny herinandro teo. Nahakasika tanàna fito izany fahapotehana izany vokatry ny fikorianan'ny fako misy poizina simika navoakan'ny orinasa iray mpikarakara firaka: Tüskevár, Kolontár, Kisberzseny, Somlóvásárhely, Apácatorna, Devecser, Somlójenő. (Sarintany miaraka amin'ilay toerana fanangonana azo...

Hongrie: Manohitra ny tranombarotra Auchan ny mponina

  09 Oktobra 2010

Inona marina ny zava-mitranga any amin'ny honahonan'i Dunakeszi ? Mbola mitohy foana ny tantaran'ny honahonan'i Dunakeszi nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2009. Mikasika ny tetikasa fanitarana ny toeram-pivarotana lehibe iray any Auchan Hongrie amina faritra misy honahona izay arovan'ny lalàna no olana . Nahitana Lahatsoratra [HUN] vao haingana mikasika ny vaovao farany...

Rosia: “Tranonkalan'ny fahamarinana “

Akon  02 Oktobra 2010

Ambara ho iray amin'ireo seha-pifaneraserana vitsy ara-demokratika ny aterineto Rosiana ao amin'ny fireneny ,indrindra amin'ny haino aman-jery Tandrefana . Na izany aza, tokony ho raisina tsara ihany ireto vaovao ireto, satria tsy mazava tokoa ny hoe hatraiza amin'ny fahalalahana amin'ny aterineto moa no tian'ny governemanta holeferina .