Tantara misongadina momba ny Eoropa Afovoany & Atsinanana
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
2009-11-22
Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro
Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.
2009-11-21
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haingana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vohikala, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Mitatitra ireo fihetsika avy amin'ny tontolon'ny blaogy Poloney i Jakub Gornicki.
2009-10-14
2009-09-17
Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”
Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...
2009-08-09
Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana
Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...
2009-08-04
Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina
Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io
2009-07-30
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
2009-07-28
Hongrie : Mihetsika ho an’i Irana, ho an’ny rehetra, na oviana na oviana
Mety tsy dia nilamin-tsaina loatra ireo tany Hongrie tato anatin'ny herinandro vitsivitsy lasa izao satria fomba maro samihafa no nampiasan'ireo mponina ny fanaovana fihetsiketsehana ho fitaovana amin’ny demokrasia.
Ny 19 Jona, mpianatra Iranianina manodidina ny zato mianatra any Hungary no nanao fotoam-pahatsiarovana tanaty fahanginana tao amin'ny Kianjan'ny Mahery-fo tao Budapest, renivohitr'i ...






