The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Taiwan (ROC) Tahiry Firenena

RSS ho an i Taiwan (ROC)

2008-03-12

Taiwan: Tsy misy tanàna ho an’ny Aborigènes antitraSary postVideo post

Ny adihevitra ho an’izay ho filoham-pirenena voalohany nokarakarain’ny Peopo, plateforme mpampahalala vaovao avy amin’ny olon-tsotra dia natao ny 24 febroary. Roa no nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenana ary namaly ny fanontaniana 20 napetrakin’ny olon-tsotra izay mampiasa ny rohin’ampahan-tsary toy ny Youtube mba hanapariahana ny hetahetany sy ny olany. Banai sy ny vadiny ...

2008-01-22

Politika

Velabelarin’i Hsiang-Tai ny fiainan’ny gadra roa Hu Jia sy Zheng Jinyan izay eo ambany fitantanan’ny polisy miandraikitra ny filaminam-pirenena (tsy mitovy amin’ny teny hoe mitandro ny filaminana tsotra izany). Asongadin’ny mpamaham-bolongana Taiwaney ary fa: Raha tian’i Shina tokoa ny hiverenan’i Taiwan ho ao aminy, aza fady, tompoko, miovà aloha ianareo! Fa raha tsy izany kosa, miala tsiny, tompoko, fa tsy hanaiky ho anisan’i Shina velively i Taiwan.

2008-01-11

Taiwan: Ny vidin’ny anana

Nihena hatramin’ny atsasa-bidiny ny vidin’ny anana any Taiwan hatramin’ny nisokafan’ny tsenan’ny tantsaha. Hoy ny filazan’i PipperL mitantara ny fidinam-bidin’entana mampahory ny tantsaha any (zh)

2007-11-05

Shina: Sainam-pirenena nampiady

Nampiseho tampoka ny sainan’ny Repoblikan’I Shina (tsy Repoblika Entim-bahoaka an’i Shina izany) i Liu You-chen, mpilalao E-spaoro Taywaney teo ampandraisana ny medaily varahin’ny Lalaon’ny Aterineto manerantany [World Cyber Games (WCG) 2007] notontosaina tany Seattle USA nandritra ny fotoam-panolorana medaily. Nampirongatra ireo mpilalao tahaka an’i Sha Junchun (aka PJ) sy Li ...