Global Voices teny Malagasy » Taiwan (ROC)
Taiwan: Tantaran'ireo sisa tsy maty tamin'ny rivo-doza Morakot
有一個古老的傳說
人死後，變成了天上的星星，眷顧著留戀著他所深愛的人們
1999.9.21台灣中部大地震之後，夜空繁星閃爍
每顆星星的背後，都有一個令人心碎的故事
──《921安魂曲地震紀念專輯》文宣
Milaza ny angano fa lasa kintana isika aorian'ny fahafatesana ka afaka miahy ireo olona tiantsika. Taorian'ny horohorontany tamin'ny 1999, raha mahita mitsilopy isika amin'ny alina dia fantantsika fa samy manana ny tantarany mahavaky fo avy ireny kintany tsirairay ireny. — Requiem for the 921 Earthquake (Fahatsiarovana ny horohorontany 921)
Namely an'i Taiwan ny rivo-doza Morakot tamin'ny 08 aogositra. Niteraka fahasimbana lehibe ny oram-be nentiny: olona an-jatony ny nentin'ny rano nateraky ny rivo-doza tao an-tanànan'i Hsiaolin. Tany afovoany sy atsimon'i Taiwan kosa dia olona an'arivony no voagadra tao an-tanànany satria voahodidin'ny rano ny tanànany. Tany atsinanan'i Taiwan, trano marobe no difotry ny rano noho ny fiakaran'ny renirano ka olona aman'arivony maro no voatery nafindra toerana.
Ireo sisa tsy maty tao an-tanànan'i Hsiaolin no mitantara ny zava-nitranga nandritra ny rivo-doza:
黃金寶和九鄰壯丁從七日晚就徹夜守望，近六點時，洪水以迅雷 不及掩耳之勢席捲而至，大水一下淹到腰部，黃金寶…立即高聲叫喚親友避難，四十三人中，有九位小孩、兩位中風病患、一位孕婦。逃難時，黃金寶聽到巨響…身旁的村民驚呼：「崩山啊！」整個小林社區剎那間就不見了。
Jing Bao Huang sy lehilahy matanjaka 9 hafa mpifanolobodirindrina aminy no tsy natory ny alin'ny 7 aogositra. Tokony ho tamin'ny 6 ora maraina (ny 08 aogositra) dia tonga tampoka ny tondra-drano ary nanafotra ny tanàna tao anatin'ny minitra vitsy monja. Teny am-balahana ny rano. Jing Bao Huang… nihantsy ny havany hivoaka. tamin'ireo olona 43 nihazakazaka nivoaka ny tanàna dia nisy ankizy 9, 2 narary ary vehivavy 1 bevohoka. Raha nihazakazaka nivoaka ny tanàna ry zareo dia naheno zavatra nipoaka mafy be mihoatra ny varatra i Jing Bao Huang…olona tao aoriany no maty. “Tany nihotsaka” ilay izy!” Nanjavona tanteraka ny tanànan'i Hsiaolin manontolo.
Ny 11 aogositra dia maika hiverina any an-tanàna ireo sisa tsy maty ireo hijery ny havany.  Sharplin, mpanao gazety no nanoratra tao amin'ny bilaoginy:
一大早, 旗山國中早已擠滿心急如焚的家屬…小林村的家屬們好幾度在直昇機要降落時衝往操場…我問家屬怎麼了, 他們說, 是因為昨天有人答應, 要讓他們當中有人可以坐直昇機回去看, 再回來跟其他人講, 可是今天一直等一直等, 都沒人鳥他們.
Vao maraina be, dia feno havan'ny olona tao Hsiaolin mitaintaina fatratra tao amin'ny sekoly Chishan…Nihazakazaka teny an-tokontany izy ireo sao mba misy helikoptera (angidimby) tonga…Nanontany aho hoe fa atao inona. Namaly izy ireo fa sao mba afaka miakatra ao anaty angidimby ny sasany ka afaka hijery any an-tanàna ary avy eo hiverina hilaza ny zava-misy. Niandry vasoka teo nandritra ny 1 andro manontolo anefa ry zareo fa tsy nisy nahatsikaritra azy ireo akory.
Ny 15 aogositra no andro faha 7 taorian'ny ranobe. Andro lehibe ho an'ny maty araka ny fombam-pivavahana any Taiwan. Olona sisa tsy maty avy ao an-tanànan'i Hsiaolin sy ny fianakaviana namoy havana no niverina any an-tanàna hamonjy ny fanompoam-pivavahana ho an'ny maty. Niaraka tamin'izy ireny i Avant.
站在曾經是小林村的土地上，放眼望去所有人工的東西，比如建築物的殘骸、車體零件或村民日常生活用品都看不見，就只剩下巨石、泥流和漂流木！那些電視機的聲音，人們的歌聲，講話聲都聽不到了，四周無聲，現在的小林村變成是靜的可怕死寂。
Nijoro teo amin'ny toerana tokony ho nisy ny tanànan'i Hsiaolin, tsy nahita zavatra nataon'olona nitsangana aho na dia iray aza: tsy nisy sisana trano rava, tsy nisy tamingana fiara, ary tsy nisy ny zavatra ilaina andavanandro. Ny zavatra hany mba hitako dia vato, fotaka ary tapa-kazo. Tsy maheno feona fahitalavitra, tsy misy hirahira, tsy misy miresaka, tsy misy na inona na inona. Ao anatin'ny fahanginan'ny fahafatesana tanteraka ny tanànan'i Hsiaolin.
一些罹難者的家屬拿著紙錢和香，渡過惡水回到村子祭拜不幸罹難的家屬。他們依著對面的山形，約略找出家的位置後，跪拜亡魂並聲聲呼喚：阿爸！阿母！阮ê心肝囝啊！在一片死寂，只有土石和漂流木的山谷中，他們不停的呼喊著：「阿母恁緊出來喔！」、「恁有聽著無？」、 「恁緊轉來喔！」……..
Niampita renirano ny havan'ireo tra-boina hiverenana any an-tanàna. Nitondra taratasy sy hazokely izy ireo hatao fanomezana ho an'ny maty. Eny an-tehezan-tendrombohitra eny izy ireo no maminavina ny toerana nisy ny tranony. Mihiaka sy mitomany manao hoe: “Dada ô, neny ô, ny zanako malalako!” Eny amin'ny lemaka mangina tsy misy afa-tsy fotaka, vato ary tapa-kazo no miantsoantso izy ireo: “Neny, miverena! Maheno ahy ve ianao? Miverena!”
Taorian'iny rivo-doza nandrava iny dia toerana 452 manamorona ny renirano amin'ny faritra 11 no voatondro ho amin'ny “fanairana mena” ary faritra 328 amin'ny tanàna 129 amin'ny faritra 12 no “fanairana mavo”. tsy maintsy afindra toerana haingana ireo mponina mipetraka amin'ny faritra mena. Na izany aza, tsy ny rehetra no te hifindra. Hoy Chyng:
居民說，村裡許多長者不肯撤。…我問她，居民的理由？Ｆ回答：「居民說，『親人都死了，我出去幹嘛？』」
Milaza ny mponina fa olon-dehibe maro no tsy te hifindra… Nanontaniako izy ireo hoe nahoana? Nilaza i F fa “Efa lasa ny fianakaviako, ka inona no antony tokony handehanako?”’
Any atsimon'i Taiwan dia tanàna maro no mbola safotry ny rano. Nandeha nankany i shuchuan ny 12 aogositra ary nitantara,
走進靠海的佳冬鄉塭豐村、豔豐村，積水深及大腿，家具、碎玻璃、各式各樣的垃圾、半個人高的石斑魚漂在水面。家家戶戶堆滿汙泥，多數人都已逃離，連軍隊都進不到裡面。
Rehefa nandeha tany Wenfeng sy Yanfeng tao an-tanànan'i Jiadung aho, izay tanàna manakaiky ranomasina, dia hatreny am-poto-pe ny rano. Feno zavatra mitsingevana, fitaratra, fako isan-karazany eny ambony rano. Feno fotaka daholo ny trano rehetra. Olona maro no efa nandeha. Eny fa na dia ny miaramila aza tsy tafiditra ao an-tanàna.
入夜的林邊、佳冬空氣還有一股動物屍體夾雜汙泥、濕氣的腐臭味。多數住家已不見人影，還留下來的，戴上口罩，拿著手電筒摸黑清理家園，或聚在門前泡茶，居民鄭生生說，「大家都不敢睡啊」。
Any an-tanànan'i Linbian sy Jiadung kosa, fofona maimbo sy fatim-biby ary fotaka no mifangaro amin'ny rivotra iainana. Efa lasa ny ankamaroan'ny olona. Ireo nisafidy ny hijanona kosa manadio ny tranony miaraka amin'ny jiro eny an-tanany. Misotro dite eo anoloan'ny trano. Mponina iray, Hseng-Hseng no niteny hoe: “Tsy misy te hatory na iray aza”.
Voa mafy koa ny tanànan'i Taitung County any andrefan'i Taiwan. Nandeha tany an-toerana i Apophoto ary nitantara ny zavatra hitany ao amin'ny bilaogy.
被沖毀的台九線和柔腸寸斷的南迴鐵路，這也中斷了太麻裡以南的所有交通，金峰、達仁、大武因此成了孤島，將近兩萬人受困其中，只能以空投物資的方式來援助居民。
Nopotehan'ny rano ny lalana sy ny lalam-by. Ao amin'ny faritra atsimon'i Taimali dia tsy misy lalana hifandraisana amin'ny any ivelany. Tsy afaka mifampitohy amin'ny any ivelany koa i Jingfeng, Daren ary Dawu. Amin'ny alalan'ny angidimby no ahazoan'ny mponina miisa 20 000 fanampiana.
上一次的海棠颱風也曾重創嘉蘭部落，衝垮十幾戶房舍，因此這次居民已學到教訓，在溪水暴漲前，都已緊急收拾家當撤離，也因此慶幸部落並沒有太多傷亡，但被水沖走衝倒的房子，卻是很多人一生的心血，只能流著淚看它潰堤。
Vao niharan'ny rivo-doza vao haingana i Jialang ka trano am-polony no rava tanteraka tamin'izay. Nahazo lesona tamin'iny ny mponina ka efa niomana niala tamin'ny trano fonenany mialoha ny tondra-drano. Vintana no tsy nahafaty olona maro tamin'izay fotoana izay. Na izany aza, olona maro no nandany ny androny tamin'ny tranony, ary ankehitriny dia mijery fotsiny an-dranomaso ny faharavany entin'ny rano sisa azo atao.
Maratra am-po ireo sisa tsy maty, olona maro no miezaka mampionona azy ireo ary manampy azy ireo hanarina ny tranony indray. Nisy rindran-kira atao hoe “Hira ho an'ny trano” natao tany Taipei ny 15 aogositra. Indro ny santionany amin'izany hira izany:
也許有一天　有一天能跟隨你的腳步
踏上遙遠的　回家的路
回到老家　拿回泥土
還我土地　重建家園 就是我啊
Angamba indray andro any hanaraka ny dianao aho
Hanaraka ny lalana ary hiverina hody
Hiverina hody ary hahazo ny tontolo
Hahazo ny tontolo ary hanangana indray ny tranoko.
Izaho izay.
I-fan Lin
Taiwan: Potiky ny rivodoza Morakot ny faritra atsimon'i Taiwan
Nandalo tany Taiwan ny rivo-doza Morakot ny 07 aogositra 2009 lasa teo. Nampirisika ny mponina tany amin'ny faritra avaratra hiomana amin'ny fiavian'ny orambe sy ny rivotra mahery ny biraon'ny famantarana ny toetr'andro tany an-toerana. Kanjo ny faritra atsimo no nitondra faisana tamin'ny tondra-drano sy ny fahasimban'ny fambolena raha nampitahaina tamin'ny faritra avaratra, indrindra tamin'ny namelezan'ny Morakot ity nosy ity ny 08 aogositra tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro.
Nihoatra noho ny rotsaka isan'andro ny oram-be tany Chiayi, Tainan, Kaohsinung ary tany Taitung izay vokatry ny toetr'andro ratsy tokoa. Ny faritry Pingtung no tena voa mafy indrindra satria ny rotsak'orana tany an-toerana nandritra ny 24 ora dia nahatratra1.403mm. Tafakatra hatramin'ny 2.500mm izany rotsak'orana izany tao anatin'ny 3 andro, ary io fatra io dia mitovy amin'ny rotsak'orana mandritra ny herintaona!
Difotry ny rano ny 2/3 n'i Pingtung. Any Linbian, Fangiliao ary Kanding dia tranobe maro no difotry ny rano ary voatery mipetraka eny an-tafontrano ny olona miandry fanampiana. Tany Chiandung kosa dia voatery nafindra toerana ny mponina rehetra.
Araka ny notaterina tao amin'ny vaovao tamin'ny 22:00 ny 10 aogositra lasa teo dia nahafatesana olona 23 ny tondra-drano ary 56 no tsy hita popoka. Maherin'ny 30 000 kosa ny olona tsy afaka mihetsika fa voadidin'ny rano.
Sary nalain'i Liu.
Mampahatsiahy ny “tondra-drano tamin'ny 87 ” tamin'ny taona 1959 ity rivo-doza ity(misy resaka taona sinoa angamba ao: naotin'ny mpanao fanitsiana) , rivo-doza izay namotika tanàna 13. nahatratra 11%n'ny harin-karena tany Taiwan no potika tamin'izany.
Lalam-by tapaka tany Taimali, Taitung
Sary nalain'i CNA(notsongaina tao amin'ny UDN)
Manoloana ny fahasimban-javatra nateraky ny rivo-doza dia nanapa-kevitra handray andraikitra ireo mponina sy ireo mpitoraka bilaogy.
Manangona sy manaparitaka vaovao eran'i Taiwan i Billypan sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny plurk ka nametraka ny Google Map hanamarihany ireo faritra voakasiky ny loza.
Milaza ao amin'ny Plurk i Billypan:
“Arakaraky ny fanampiana sarintany ao amin'ireo sarintany voakasiky ny loza no hahatsapako fa mihasarotra ny toe-draharaha any Changhwa sy Taichung. Tsara fiomanana kosa ny mponina tao afovoan'i Taiwan.”
Namorona vohikala ihany koa i XDite , “Supporting for the victims of Morakot Typhoon“ (fanampiana ireo niharan-doza tamin'ny rivo-doza Morakot), ka miantso ny rehetra hifanampy sy hifanome tanana.
Hafatra tao amin'nyTwitter sy plurk nataon'ny GENE sy ny landslides map nataon'i Schee no nananganana ny Morakot Disaster Intelligence Center, fikambanana hafa najoron'nyADCT, fikambanana mpamonjy voina tsy ara-barotra (tsy maka tombony) sady mahampikambana ahy rahateo. Indro ny rohy hidirana ao amin'ny vohikala.
Afisy kely tondra-drano ao Taiwan: “Momba an'i Taiwan i Andriamanitra”(天佑台灣)
Mizara vaovao maro mikasika ity loza ity koa i Ivan mpitoraka bilaogy. Miantso ny mponina rehetra handefa rano amin'ny tavoahangy ho any amin'ireo faritra voa mafy izy. Manoro hevitra ny solotenam-panjakana Yuan amin'ny tokony hianatra amin'ny Web 2.0 momba ny asa famonjena voina ataony koa i Vincent Chang.
Nahitan'i Lezomà  hevitra ny nataon'i Billypan sy Xdite mikasika ny tondra-drano, mijery ny fomba hanomezana endrika indray ny tanàna amin'ny fampiasana ny teknolojia nomerika. Mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy antsoina hoe Chyng no nanoratra ao amin'ny fanadihadihana nataony mikasika ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro any amin'ity nosy tropikaly ity. Nofaranany tamin'ny tenin'ilay mpandala ny tontolo iainana  Liao Ben-Chuan ny fanadihadihany:
但廖本全指出，全球氣候變遷影響下，暴雨只會愈來愈多；研究也顯示暴雨對島嶼影響最大，若政府沒有長遠國土復育思維，台灣未來堪慮。
Navoitran'i Liao Ben-Chuan fa manoloana ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny ankapobeny, dia hihamahery hatrany ny orana arahana tafiotra; milaza koa ny vokatry ny fikarohana fa izany oram-batravatra izany dia hiteraka voka-dratsy ho an'ny nosy maro. Raha tsy manana paik'ady mazava hiadiana amin'izany mandritra ny fotoana maharitra ny governemanta dia ho maizina ny ho avin'i Taiwan.
Portnoy
Ny “New Citizen Media Projects Foster Rising Voices” tany Côte d'Ivoire, Liberia, Sina, Mongolia, ary Yemen
Tamin'ny volana Janoary dia tolotra maherin'ny 270 avy amin'ireo mpikatroka mafana fo, mpitoraka blaogy, ary ONG [Fikambanana tsy miankina]  no voarainay, izay samy maniry mafy ny hampiasa ny fitaovam-pampitàna vaovaom-bahoaka hampahafantarany ireo vondron'olona - nataon'ireo mpampita vaovao tranainy sy vaovao ankilabao hatry ny ela - mba ho eo amin'ny tranonkalan-tserasera azo ifanakalozan-kevitra. Ity no tolotra maro isa indrindra voarain'ny  Rising Voices teo amin'ny tantarany tao anatin'izay roa taona nisiany sy  nanohanany ny ezaka ho fanapariahana ny fampahalalam-baovaom-bahoaka izay. Ny firongatry ny fampiasàn'ny olon-tsotra ny fampahalalam-baovaom-bahoaka dia maneho fa miatrika fiovàna goavana marina tokoa isika amin'ny fomba fikarohantsika vaovao mikasika ny tontolo hafa sy ny hoe iza no afaka manome izay vaovao izay.
Tanatin'ireo tolotra 270 ireo, ireto dimy ireto no tena nahasarika manokana raha ny zava-baovao, ny faharisihana ary ny firotsahana mivantana entiny ka nahatonga ny  Rising Voices   hitondra fanampiana.
Abidjan Blog Camps
Théophile Kouamouo dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy be mpahalàla hatry ny ela any amin'ireo tany Afrikana miteny sy mampiasa ny teny frantsay. Monina any Abidjan, Côte d'Ivoire, Kouamouo , iray amin'ireo nanangana ny  Ivoire Blog network ary koa nanomboka  ny fandefàsana ny hafatra be mpanaraka indrindra hoe “Inona no antony itorahako blaogy momba an'i Afrika? - Why I Blog About Africa -.” (Elia Varela Serra no mamintina ny sasantsasany amin'ireo valinteny ho anaty  andian-dahatsoratra roa ao amin'ny Global Voices.) Ankehitriny i Kouamouo dia miezaka ny mampiditra ireo mpiray tanindrazana aminy [na lahy na vavy] ho ao anatin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ny alàlan'ny fikarakaràna  “atrikasa momba ny blog ” manerana an'i Abidjan ka ao anatin'izany dia azon'ireo Ivoariana efa mpitoraka blaogy atao ny mifanakalo hevitra momba izay efa niainany sy mizara amin'ireo mpitoraka blaogy vaovao hoe fomba ahoana no atao mba hanatevenan-dahàrana an-dry zareo. Tany amin'ny volana Aogositra tany no efa natsidik'i Kouamouo ity hevitra ity tao anatin'ny blaoginy, izay nahazoany fanamarihana maro naneho fandrisihana. Ireo Blog Camps maro dia nànana tantara lava tokoa tamin'ny fisarihana ny olon-tsotra ho amin'ny fampiasàna aterineto mandray andraikitra. Maro tamin'ireo blog camps no nisy natao tany  India, nahitàna ny  Chennai tamin'ny 2006 ary, vao haingana teo, tany Mumbai. Ny Blogcamp CEE tamin'ny volana Oktobra lasa teo dia nahitàna fandraisana anjara vaovao maro avy amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy miteny Rosiana. Fa amin'ny ampahany betsaka, na izany aza, i Afrika Andrefana,  (ary indrindra fa i Afrika Andrefana miteny frantsay) dia adino ao anatin'io firongatry ny tontolon'ny blaogy maneran-tany io. Manomboka miova izany ankehitriny. Panos Afrika Andrefana, ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny  Highway Africa sy ny  Global Voices, dia nanambàra tsy ela akory izay ny anaran'ireo nivoaka ho mpandresy tamin'ny Waxal - Blogging Africa Awards. Manantena hahita Ivoariana bebe kokoa isika amin'ny taona ho avy ao anatin'ity lisitra nataon'i Théophile Kouamouo ho fanomànana seho samihafa hitondrana Ivoariana ampolony, raha tsy ho anjatony aza, ho ao anatin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy ity . Ny Abidjan Blog Camps dia hanosika ihany koa ny fampifandraisana eran'ny Afrika eo anivon'ny aterineto ireo blog camp efa misy toy ny any  Madagasikara, Kenya, Oganda, Nosy Maorisy, ary Afrika Atsimo.
Ceasefire Liberia
Any andrefan'i Côte d'Ivoire no misy an'i  Liberia sy ny mponiny mahatratra hatrany amin'ny 3.5 tapitrisa any. Najoron'ireo olona nandevozina nahazo famotsorana avy any Etazonia tamin'ny taonjato faha-19, rendrika tao anatin'ny ady an-trano sy tsy fandriampahalemana nandritry ny 14 taona i  Liberia izay tonga hatramin'ny fametrahana ny  ECOWAS sy ny an'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2003. Ankehitriny dia miarin-doha tsikelikely i Liberia na dia mahantra kely aza ny foto-drafitrasa, ary manodidina ny 80% ny tsy fanànana asa, ary ireo mpiady fahiny (maro amin'ireo no tsy ampy taona)  izay tsy maintsy ezahana ny hamerenana azy ao anatin'ny fiaraha-monina indray. Maro amin'ireo Liberiana tsy an'asa no mametraka ny fanantenany amin'ireo namana na havan-dry zareo monina any ivelany any Etazonia. Na izany aza, misy ihany ny tsy fahampian'ny serasera sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo Liberiana ao an-toerana sy ireo monina any ivelany. Amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny African Refuge - foibe iray fandraisana an-tànana ireo tanora any amin'ny faritra andrefan'i Afrika - sy ny  Century Dance Complex ao Park Hill, Staten Island (izay ivondronan'ireo Liberiana maro indrindra monina any ivelan'i Afrika), sy  Amnesty International ao Monrovia, i Ruthie Ackerman mpanao gazety mahaleotena dia mihevitra ny hanampy azy ireo hametraka tontolo-na mpitoraka blaogy Liberiana ivondronan'ny lafiny roa amin'ny Ranomasimbe Atlantika .
Ireo Liberiana rehetra niaina ny ady — na miaramila izy ireo na tsia  — dia samy nizàka tebiteby anaty sy tratry ny famidràn-toerana. Amin'ny fananganana vondrona sy fizaràna izay niainana amin'ny hafa, dia ho afaka hànana vina sy fomba fijery midadasika kokoa noho izay efa nahazatra azy ireny tanora ireny. Hitera-bokatsoa ho an”ilay vondrom-piarahamonina izany ( amin'ny lafiny roa amin'ny Oseana) , amin'ny sehatra maro: ireo Liberiana, izay maro amin'izy ireo no misedra olana amin'ny fandrindràna ny fiainana any Amerika, dia afaka mifandray amin'ireo fianakaviany sy mitondra fanazavana momba ny nofinofy hoe toy inona izany fiainana any Etazonia izany. Mbola misy koa anefa disadisa navelan'ny fotoanan'ny ady, izay mety hipongatra eny antsefantsefan'ny resaka atsangan'ireo vondrom-piarahamonina ireo.
Ny tena niainana ny fotoan'andron'ny Digital - Sina
View Larger Map
Shenyang, midika ara-bakiteny hoe “ilay tanàna ao avaratry ny reniranon'i Shen” ary renivohitry ny faritanin'i Liaoning, dia milaza tena ho ny  “toerana fanaovana fizahantany manaraka” any Sina. Saingy rehefa mitsidika ny Pagodes rakitry ny ela ao amin'ny  Tanàna Fahiny na ny “Faritra Fampiroboroboana ny Haitao Avo Lenta” dia tsy ahitànao resaka momba ireo mpiasa lahy sy vavy ao amin'ilay tanàna, izay matetika no avy amin'ireo vondrom-piarahamonina tambanivohitra mahantra mikatsaka fiainana tsaratsara kokoa any andrenivohitra, ao anatin'ny boky kely fampahafantarana ho an'ny mpizahatany. Ao anatin'ny fiaraha-miasa amin'ny  Foibe ho an'ny Fahasalamana sy ny Fanabeazana ao Ai Zhi Yuan Zhu  i  Wei Zhang mpamokatra horonantsary fanadihadiana dia mampianatra ireo mpiasa lahy sy vavy izay mampiasa ny Foibe  AZYZ ny fomba fanaovana blaogy sy fampiakarana ampahan-tsary fanadihadiana mba hifampizaràn'izy ireo ny traikefany, ny fomba fijeriny, ary ny ahiahiny mba hisian'ny fahaiza-manakatra bebe  kokoa ny mahazo ireo mpivaro-tena eo amin'ny faritra [region's sex worker].
Nomad Green - Mongolia
Ireo tompon'andraikitrin'ny tontolo iainana any amin'ireo firenena avaratra-atsinanan'i Azia  dia nihaona tany Ulaanbaatar tamin'iny herinandro lasa iny izay niresahana voalohany indrindra ny fiovan'ny toetr'andro ary ny fitantànana ny angovo ao amin'ny faritra. Ny renivohitr'i Mongolia no toerana nety indrindra nandraisana ny fihaonana noho ny fihazakazahan'ny fahasimban'ny tontolo iainana tao amin'ity firenena ity tao ho ato vokatry ny fanitàrana haingana ny tanàn-dehibe, ny fisandrahan'ny orinasa vaventy, ary ny fitomboan'ny fanjifàna  arina”.  Matetika rakotry ny zavona noho ny fahalotoan'ny tontolo i Ulaanbaatar:
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/hfobAXAN_T8&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/hfobAXAN_T8&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny fitàran'ny tany hay nateraky ny fiovan'ny toetr'andro dia loza mitatao ho an'ny antom-piveloman'ireo mponina Mongolianina mpifindrafindra toerana ary ny antilope-n'i saiga [biby mampiavaka ilay firenena] izay voalaza fa karazana antilope tena tandindomin-doza indrindra any Azia. Vaovao ratsy nahatonga an'i  Portnoy Zheng, miaraka  amin'ny  Mongolian and Tibetan Foundation sy ny Mongolian Green Party, hanentana ny vahoaka  Mangolianina amin'ny fomba fanapariahana fampitandremana [fampahatsiarovan-tena] - sady ho an'ny eo an-toerana no ho an'izay any ivelany koa - mikasika ny olan'ny firenen-dry zareo amin'ny lafiny tontolo iainana. Maniry indrindra i Nomad Green mba  1.) hanazatra ireo olon-tsotra mpampita vaovao hampiasa blaogy, ampahantsary  digital, podcasts, ary sarintany amin'ny aterineto mba hitaterana vaovao momba ny tontolo iainana, 2.) hamorona tambajotran-tserasera sy vondrom-piarahamonina iarahan'ireo mpandàla tontolo iainana ka hanapariaka ny fahalalàna momba ny loza efa tsinjo, ny vahaolana ary ny tranga rehetra sy 3.) handika ny votoatin-javatra ho amin'ny teny Sinoa sy Anglisy mba hanentanana kokoa ny fiaraha-miasam-paritra sy maneran-tany hiatrehana ny fanàmby ataon'i Mongolia amin'ny resaka tontolo iainana.
Tosika ho an'ireo Vehivavy Mafana Fo amin'ny fahaiza-manaon'ny Fampitam-baovao - Yemen
Amin'ny fandrakofana ny faritra Moyen Orient mifantoka betsaka kokoa amin'ny fifandonan'i  Israely sy Palestina, ny ady ao Iraka, ny tetikasa nokleary ao Iran ary ny tsenam-bola ao amin'ireo  Firenena Gôlfa Persika, dia kely sy bitika no mba atokana hijerena an'i Yemen, iray amin'ireo firenena isan'ny mahantra indrindra aty amin'ny faritra. Ireo  sombim-baovao manify eny anivon'ny fampitam-baovao momba an'i  Yemen tao anatin'ny taona vitsy nifandimby dia mifandray amin'ny tahotra ho fisian'ny vondrona al-Qaida.
Amin'ny alalàn'ny fiaraha-miasa amin'ny Hand in Hand Initiative, ny Ghaida'a al-Absi dia hikarakara fanofanana  momba ny fampiasana ny fampitam-baovao ‘vaovao' ho an'ireo andriambavilanitra mpanao pôlitika, ireo mafana fo, ary ireo miasa amin'ny sehatra fiarovana ny zon'olombelona mba ho fitondràna ainga vao ho an'ny tontolon'ny fitorahana blaogy mampiasa teny Arabo sy hanangànana tambajotra Yemenita mpiaro ny zom-behivavy. Tena ao tsara raha androany, amin'ny fankalazàna ny faha 98 taonan'nyAndro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy, no anambarànay ny fandraisan'andraikitra nataon'i al-Absi hitondra tenim-behivavy maro be ho aty amin'ny aterineto. Ny fiharatsian'ny fanajàna ny zom-behivavy ao Yemen dia mazàna no  voatatitra sy voaresaka, nefa zara raha misy ry zareo vehivavy no mirotsaka mandray anjara amin'ireny fifanakalozan-kevitra ireny. Amin'ny fampihaonana [fampivondronana] ireo ONG sy antoko pôlitika manerana an'i Yemen dia manantena ny hiovàn'izany i  al-Absi.
Manainga anao hiara-dàlana amiko amin'ny fanehoam-pankasitrahana sy fiarahabana tonga soa ato anatin'ny fianakaviambentsika ireo tetikasa vaovao dimy nahazo ny loka.
Taiwan: Boky, mpanoratra ary ampahan-tsary
Isaky ny alahady ao amin’ny gazety China Times (中國時報) any Taiwan, betsaka ny mpamaky miandry ny pejy roa manome tatitra fohy momba ny boky. Isaky ny faran’ny taona, ireo tonian-dahatsoratra dia milaza ireo nofinidiny ho  “Bokin’ny taona” (開卷好書獎), ny boky sinoa tsara indrindra navoaka tany Taiwan tamin’iny taona iny. Nanomboka tamin’ny 2006, manomana “ampahan-tsary momba ny boky” ihany koa io gazety io ho an’ireo mpanoratra nahazo fankasitrahana, ka maneho ny asan'izy ireny amin’ny soratra, feo sy sary.
Tamin’ity taona ity dia mpanoratra 11 no nasaina handray anjara ao anatin-na ampahan-tsary, isan’izany ireo mpanoratra tantara foronina, ireo mafana fo (activists), ary ireo mpanoratra “andrana”. Any Ireo mpanoratra ireo dia mizara ny fomba fijeriny sy ny vina  momban’ny asa sorany, sy izay tiany ampitaina amin’ny alalan’ny sorany. Na dia amin’ny teny sinoa daholo aza ireo ampahan-tsary ireo, antenaintsika fa ho afaka mandika sy mamerina ny tontolo voizina sy iainana ao anatin’ireo asa soratra ireo. Any amin’ny faran’ny ampahan-tsary tsirairay avy, misy feo miteny sy manome toky fa ireo dia “Boky tsara, ary tsara hovakiana”.
Ireto manaraka ireto dia ampahan-tsary nofantenana ary nasiako  dikateny avy amin'ny  fitantaran’ireo mpanoratra.
Plastic Opium
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/5em6p_JUOW0&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/5em6p_JUOW0&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ao amin’ny Plastic Opium, ilay mpanoratra Xia Chuan-Wei (夏傳位) dia mamboraka ny fiantraikan’ny “cartes de crédits” sy ny “cartes de débits” amin'ny fomba fijerin’ny vahoaka, ny taha midangana tafahoatra atao amin'ireo mpampiasa azy ireny, ary ny fanavahana mihatra amin'ireo mpisambotra rehefa tafalatsaka ao anatin'ny fandriky ny carte de crédit. Ato anatin’ity ampahan-tsary ity ianao dia afaka mahita ireo distrika misy tsena goavana ao Taipei. Miteny toy izao ny mpanoratra ato anatin’ny ampahan-tsary:
[…]我想這個社會應該深一層地問，我們可以容許銀行業者賺錢到什麼樣的程度，都不用為他們所造成的社會後果負責；我們社會也應進一步思考，應該要建立一個什麼樣的標準，容許卡奴在負起他們自己的責任以後，重返這個社會，重新生活；我們更應該思考，怎麼樣督促政府，負起他應該負起的管制責任，這個社會要建立起一個什麼樣金融正義的標準，讓每一個人都擁有權利，能夠接觸到這個社會的金融資源，來發展他們自己的事業與生活。
[…] Mila mametra-panontaniana lalina mihitsy ny fiaraha-monintsika: Hoatrinona ny tombony voaangon'ny Banky nefa sady tsy ho tompon’andraikitra amin’ny fiantraikany sy izay ho vokatr’izany akory? Inona no tokony hatao hanampiana an’ireo mibaby trosa mba hahita indray ny toerany teo amin’ny fiaraha-monina sy hanombohany fiainam-baovao? taorian’ny nandraisany ny andraikiny? Ahoana no fomba hanaikàntsika ny governemanta mba ho tompon’andraikitra ary hametraka ny lalàna sahaza izany? Ahoana no hamaritantsika ny “rariny ara-bola” mba ahafahan’ny olon-drehetra mahazo ny loharanom-bola hampivoarany ny asany sy ny fiainany.
Us
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/sVw_eXkQGas&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/sVw_eXkQGas&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ilay mpanoratra Gu Yu-Ling (顧玉玲) dia mpitolona mafana fo hatry ny ela ho an’ny zon’ny mpiasa mpifindra monina. Us dia boky mirakitra ny tantara-na mpiasa mpifindra monina Filipiana maro. Taiwan dia nampiditra mpiasa mpifindra monina maro avy amin’ny firenena any Asia Atsimo Atsinanana, toa an-dry Indonezia, Filipina, Tailandy sy Vietnama, nanomboka tamin’ny 1990. Hoy ny fomba filàzany manokana ao anatin'ny  ampahan-tsary:
[…]這本書如果對社會會有一點作用的話，我希望它像照鏡子一樣，讓我們看見彼此。我們使用抗爭，我們使用了歌舞表演，然後那個記者會或公聽會，我們用各種軟的硬的方式，其實不就是試著要跟這個社會對話嗎？[…]我一路書寫，我一直非常非常意識到讀者在哪裡，我希望人們看見，我希望人們知道這真的發生在台灣，就在我的左鄰右舍，我只是視而不見而已。[…]
[…] Raha toa hisy fiantraikany eo amin’ny fiaraha-monina io boky io dia manantena aho fa ho fitaratra hanampy antsika hifampijery izy. Niezaka ny hanohitra isika, hihira sy handihy, ary ho henoin'ny vahoaka sy hisarika ny fampahalalana vaovao. Amin’ny alalan’ireny fomba rehetra ireny, na mora na sarotra, niezaka ny hifampiresaka amin’ny fiaraha-monina fotsiny isika. […] Mitandrin-tena foana aho manoloana ireo mpamaky rehefa manoratra. Manantena aho fa tsikaritry ny olona izany. Manantena aho fa azon’ny olona hoe tena zava-mitranga any Taiwan ireny tantara ireny. Mpifanolo-bodirindrina aminay ireo mpiasa mpifindra monina,  nefa maro no miteny fa tsy misy izy ireny.
The End of River
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/xlfHQcw94aE&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/xlfHQcw94aE&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Amin'ny maha-taranaka voalohany amin'ny mpanoratra  Maleziana-Sinoa any Taiwan, Li Yong-Ping (李永平) dia nanoratra ilay tantara miaraka amin'i Borneo sy Malezia ao an-tsainy ao, nefa mipetraka any Taipei, Taiwan. Hoy izy milaza:
我是一個小說家，小說家應該有個本事，能夠把兩個不同的空間結合在一起，你打開書房的窗子，你看到的是台灣的河流「淡水河」，你寫的是婆洲大河，可是在一個作家心靈裡頭，這兩條大河、這兩種風景，它就很奇妙地會產生一種互動，那個互動越來越強，結果這兩者就融合在一起，到了後來我幾乎分不清，我到底是寫婆羅洲大河，還是寫台灣的大河，我覺得這是寫作過程裡頭最美妙的一種經驗，這很難傳達出去，但是我相信敏感讀者在我的作品裡頭，應該可以看出這非常非常有趣的面貌。[…]
Mpanoratra tantara foronina aho. Ny mpanoratra tantara dia tokony hanana ny fahaiza-manao hampivadiana tontolo roa samy hafa. Rehefa manokatra ny varavarankelin’ny biraoko aho dia mahita ny reniranon’i Dan Shuei eto Taiwan, nefa izaho manoratra tantara momba ny renirano any Borneo. Ao anatin’ny saina mpanoratra, ireo renirano roa ireo sy ireo sehatra roa ireo dia mifandray amin'ny fomba mahagaga. Noho izy ity mitombo fatratra, dia mitambatra ireo renirano roa ireo.  Farany dia sarotra be ny manavaka hoe momba ny reniranon’iza marina no tena soratako. Izany no traikefa tsara indrindra amin’ny asa fanoratana, izay sarotra ampitaina tokoa. Na izany aza, ireo mpamaky mora mihetsi-po dia hahamarika izay tranga mahazendana izay.
Raha te-hijery ireo ampahan-tsary 11, tsidiho ny pejy ao amin'ny YouTube. Raha te-hamaky ny lahatsoratry ny ekipa mpamokatra ampahan-tsary, tsidiho ny Blaogy OpenBook [zh].
Taiwan: Nanala ankeriny ny frezy dia polisy
Vao maraina be ora vitsivitsy lasa izay dia voaesotry ny polisy an-keriny niala tao amin'ny Kianjan'ny fahafahana ao Taipei ny hetsiky ny “frezy dia”n'ny mpianatra [tatitra amin'ny teny Shinoa eto (zh)] . Nanao fitokonana mitohy nandritra ny iray volana teo manko ny mpianatra taorian'ny hetsi-panoherana teo amin'ny Biraon'ny Fitantanana (ny tanànan'i) Yuan ho valin'ny herisetra sy fanaovana fanosihosena ny zon'olombelona nataon'ny polisy nandritra ny fitsidihan'i Chen Yunlin tany Taiwan tamin'ny volana Novambra teo. Voaesotra teo amin'ny Kianja ihany koa tamin'ny talata teo ny vondron'ny mpialokaloka Tibetan.
David Reid
Taiwan: Filoha very saina?
Mpikatroka ara-tsosialy Wobblies no miteny ao amin'ny twitter-ny (zh): “Teo ampahalalako ny fandavan'i (filoha) Ma ny famangian'ny Dalai Lama an'i Taiwan, no nanombohako nieritreritra fa marina ny nolazain'ny naman'ny raiko. Nolazainy ary fa na manana olona mitovy endrika sy vatana tanteraka aminy (fr: sosie) ity filoha ity, na efa takalon'ainan'olon-kafa. Sa ahoana ary no dia adala be tahaka izao ity Filoha ity?”  Lynn Miles moa lasa lavitra ny fisainany amin'ny hoe ahoana moa no ieritreretany fa zavatra tsara ny fandavan'i Ma  ny Dalai Lama(en).
Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina
Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu （三鹿） avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany.
25 taonina tamin'ny vovo-dronono novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu no naondrana nankany Taiwan tamin'iny volana Aogositra lasa iny, ary niteraka sahotaka be tokoa tany Taiwan ity vaovao ity.
I Sinhong [amin'ny teny Sinoa] no mitantara ny amin'ny fahataràn'ny fampilazàna ny vahoaka avy amin'ny governemanta Sinoa momba ilay vovo-dronono voapoizina
今年三月，中國境內即傳出有嬰兒喝出問題，六月中傳出病例報告，奶粉出口到台灣即在此時，八月初中國三鹿公司驗出奶粉含有毒的三聚氰胺，卻九月十一日才封存回收，十二日傍晚才通知台灣。
Tamin'ny volana Martsa, tao Shina, dia efa nisy siosio nandeha fa nisy zazakely maro narary vokatry n y fihinànana vovo-dronono voapoizina. Nohamafisin'ny filazàna avy amin'ny Hopitaly izany ny volana Jona, ary nanodidina io fotoana io no nanondrànana ireo vovo-dronono voapoizina ho any Taiwan.. Ny fiandohan'ny volana Aogositra, nahatsikaritra ny vondron'orinasa Sanlu fa misy melamine tany anatin'ny vovo-dronono novokarin'izy ireo. Na izany aza,, nangatak'andro lava ny amin'ny tokony hamerenana ireo vovo-dronono ny vondron'orinasa Sanlu hatramin'ny 11 septambra, ary dia nilaza tamin'ny tompon'andraikitra Taioaney (Taiwanais) ny governemanta sinoa ny 12 septambra.
Kianin'i Eric [amin'ny teny sinoa] ny tsy firaharahàn'ny governemanta taioaney (Taiwanais) sy ny fanaovany tsinontsinona ilay fampitandremana ary ny fahataràn'ny hetsika avy aminy.
人命關天的大事，十二日接到電話的海基會竟感覺「善意」，而後府院噤不做聲，見事態愈演愈烈後，到昨日才由劉兆玄召開跨部會議下令展開交涉，這種末梢神經近乎麻痺的狀態，最可能的病因只有一個，就是唯恐破壞馬英九上台後一路「呵護」的兩岸氣氛…影響所及，連人民最基 本的生命健康都無能保障。
Resaka saro-pady mahakasika ain'olombelona izy ity, ka tena nanohina tokoa ny Strait Exchange Foundation (海峽交流基金會) ny “fihetsika maha-te hidera” nataon'ny governemanta sinoa, raha ninia nangina kosa ny governemantantsika. Tato aoriana, nony hitan'izy ireo fa tsy voafehiny intsony ny raharaha dia nanapa-kevitra ny hampiantso fivoriana iraisan'ireo ministera isan-tsokajiny ny Praiminisitra Liu Chao-shiuan (劉兆玄)  Nalemy lohalika tanteraka ny governemantantsika ary ny antony dia tsy isalasalana fa ny tahotra hoe sao simba ilay “fifandraisana sarobidy” eo amin'ny Taiwan sy Shina taorian'ilay fianianana nataon'ny Filoha  Ma Ying-jeou 馬英九 tamin'ny volana May lasa iny…ary dia tena tsy hain-dry zareo akory na ny hiaro ny mpiray tanindrazana aza/p class=”translation”>
I Sinhong [amin'ny teny sinoa] koa dia namoitra fa mety ho nosarontsaronan'ny governemanta noho ny fisian'ny Lalao Olaimpika tamin'ny volana Aogositra ity olana ity.
中國隱瞞毒奶粉事件與北京奧運脫不了關係，京奧在八月八日到二十四日舉辦，之前，中國政府就下令全面掩蓋有損國家形象事件，毒奶粉驗出含毒正在奧運舉辦前夕，顯示中國當局為了面子，草菅人命，還禍延他國，專制顢頇，罔顧人命，令人髮指！
Tsy azo saràhana amin'ny Lalao Olaimpika natao tany Beijing tamin'ny volana Aogositra ity fanarontsaronana ny resaka vovo-dronono voapoizina ity. Ny Lalao Olaimpika izay natao ny 8 hatramin'ny 24 Aogositra. Talohan'ny Lalao Olaimpika dia nanome baiko ny governemanta sinoa mba hanakànana izay fanadihadiana rehetra mety hanaratsy endrika an'i Shina. Talohan'ny Lalao Olaimpika indrindra anefa no nahatsikaritra ny fanapoizinana ry zareo tao amin'ny vondron'orinasa Sanlu, ary dia tsinjontsika avy amin'izany fa naleon'ny governemanta sinoa namela ny mpiray tanindrazana aminy ho faty mba hahafahany mitazona ny sary tsaran'i Shina. Nefa ity ezaka hanarontsarona ity dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny ain'ireo Sinoa , fa koa loza mitatao ho an'ireo olona any amin'ny firenena hafa, tsy azo ekena velively mihitsy ny fisainana mihevitra ho masi-mandidy amin'ny ain'ny hafa toy izany!
Nanamafy ny vondron'orinasa Sanlu fa ireo melamine hita tany anatin'ny vovo-drononon'izy ireo dia ireo mpamokatra sy ireo mpaninjara no nanampoka azy ireny mba hanaraka ny fenitra momba ny azota, rehefa avy notampohany rano ny ronono mba handevonana azy. Tsy maharesy lahatra ny maro anefa io fanambaràny io.
I Eric [amin'ny teny sinoa] dia maka tsoa-kevitra avy amin'ny fomba nentina namokatra ny vovo-dronono.
添加三聚氰胺以提高含氮量的原理，必須具有一定專業知識，因此所謂獨由酪農下手的可信度實在不高。
Izay nampiditra ny melamine mba hampiakàrana ny tàhan'ny azota ao anaty vovo-dronono dia tokony ho olona matihanina satria ilàna fahalalàna ara-tsimika izany, noho izany tsy inoako fa hoe ny mpamokatra no nampiditra melamine tany anaty ronono
I Williamlong [amin'ny teny sinoa] koa dia naka tsoa-kevitra avy amin'ny toetoetra ara-tsimikan'ny melamine.
三聚氰胺是不溶于水的白色粉末，怎么可能掺入牛奶中呢？即使掺入也无法溶解，产生沉淀。因此三聚氰胺应该是后期直接掺入奶粉之中的。
Tsy tena levon'ny rano tanteraka ny melamine, koa amin'ny fomba ahoana no ahafahan'ny mpamokatra hanampy melamine amin'ny ronono? Raha izy ireo no nanao izany, tsy maintsy hisaraka amin'ny ronono ny melamine. Noho izany, ny maharesy lahatra ahy dia ny hoe nampiana melamine avy hatrany tany amin'ny orinasa ihany ny vovo-dronono nandritra ny fikarakaràna natao taminy.
Lianyue, [amin'ny teny sinoa] izay teratany sinoa, dia niantso ny governemantany hanao ity raharaha ity ho zava-dehibe, hijery ny tena fototry ny olana, ary hamàha izany.
若不彻查所有涉及人员…中国乳制品业一同崩溃。三鹿这样的企业都下毒，人们有理由相信，其他企业也有嫌疑。三鹿为了自保，可能放风它的做法是行业“公开的秘密”，拉着整个行业一同陷入信任危机。…中国的食品业接着垮台。连自己的孩子都可以毒，那么，还有什么底线？毒毒宠物，毒毒青少年、成年人，不更是毫无顾忌吗？中国制造由于连连涉毒，在国际上已经恶名远扬，三鹿这次安然过关，就等于让三鹿为大家敲下最后一根棺材钉。
Raha tsy hanadihady ireo rehetra voakasik'ity ny governemanta sinoa…ny sehatry ny fandraharahàna momba ny ronono sinoa no hirodana. Isan'ireo sangany amin'ny vokatra azo avy amin'ny ronono ny vondron'orinasa Sanlu, raha nanampy singa manapoizina amin'ny vokatra arosony ry zareo, dia hataon'ny olon-drehetra anaty sobika iray ho toy ny manao izany daholo ny mpamokatra hafa rehetra eto Shina. Raha te hiaro tena ny vondron'orinasa Sanlu amin'ny filazàna fa tsiambaratelon'ity orinasa ity ny fanampiana melamine, hiara-rendrika aminy amin'ity olana ity daholo ny ankabeazan'ny orinasa sinoa mpanodina ronono…Rendrika miaraka amin'ireo koa ny orinasa sinoa mpanodina vokatra fihinana. Raha tsy matahotra ny hanapoizina zaza ny orinasa sy ny governemanta sinoa, hatraiza no fetran'izy ireo eo amin'ny seahtry ny orinasa mpanapoizina? Ireo biby fitaiza an-trano, ireo ankizy tanora, ny olon-dehibe … Ny «Made in China» dia efa tena malaza amin'ny fisian'ny akora manapoizina any anatiny. Raha ho tafavoaka amin'izao ity vondron'orinasa Sanlu ity, dia efa samia isika mivonona ny amin'izay fantsika mbola homaniny halentiny amin'ny vatam-patin'I Shina.
Nisy koa ny resaka nandeha fa notambazan'ny vondron'orinasa Sanlu ny Baidu [milina sinoa mpikaroka] mba hanivana ireo hevitra mivoy fanakianana ny orinasa, rehefa manao fikarohana amin'ny alalan'i Baidu. T4822k11b no manoratra [amin'ny teny sinoa] hoe :
三鹿的危机公关解决方案被内部员工曝光，其中内容显示三鹿如给百度支付300万公关保护费，百度就通过搜索技术屏蔽三鹿负面新闻。…百度的这位公关经理还解释说：“在百度上搜一下，之前的负面新闻都在，这就是最好的证据。”…通过搜索发现，百度上所有的三鹿负面新闻，都是在9月12日后开始出现的。用网上广为流传的热帖标题“三鹿，在小朋友的生命健康面前请不要表演”作为关键词搜索，9 月12日下午，google显示11400篇，而百度在9仅能显示11条；9月13日上午，google显示11800篇，百度却一下子上升到54条。
Ny mpiasa tao aminy ihany no namboraka ny tetika nomanina hanarontsaronana sy hitantànana ity olan'ny vondron'orinasa Sanlu ity.  Ny tetika dia ny hanomezana telo tapitrisa an'I Bandu ka hangataka ny hanivànan'ito farany ny vaovao… Ny tale misahana ny serasera ao amin'ny Baidu dia nilàza fa : “Raha ohatra ianao manao fikarohana ao amin'ny Baidu, azonao atao ny hahazo ireo tahirim-baovaon'ny lasa, ka manakiana na tsia ny vondron'orinasa Sanlu. Izay no porofo tsara indrindra”… Kanefa, taorian'ny fanamarinana, tsikaritray fa taorian'ny 12 septambra vao nanomboka nivoaka ireo vaovao manakiana ny vondrona Sanlu. Raha mitendry ny hoe “Sanlu” ianareo, aza mody fanina rehefa mahakasika ny fahasalaman'ny taranatsika ” (三鹿，在小朋友的生命健康面前请不要表演 ) ary alefanareo ny fitadiavana, ny tolakandron'ny 12/9 , I Google dia nanome tarehimarika 11 400 ho valin'ny karoka, raha 11 monja no nomen'ny Baidu. Ny marainan'ny 13/9, i Google nanome tarehimarika 11800 ho valin'ny fitadiavana, raha 54 ny an'ny Baidu, avy eo dia niakatra be tampoka izany.
Taiwan: Fitotonganan'ny tsenam-petra-bola ifampiraharahana
Ny bolongan'i Michael Turton no miresaka ny fiantraikany amin'ny sehatra politika ny fihenan-danjan'ny tapakilam-pifampivarotam-petra-bola any Taiwan.
Taiwan: Shina Taipei!
Michael Turton avy ao amin'ny The View from Taiwan (fijery avy aty Taiwan) no namosabosakevitra tanaty adihevitra miresaka momba an'i Taiwan mandritra ny lalao olaimpika any Beijing. Navoitran'ny mpamaham-bolongana ary fa raha efa lefy ny  adihevitra momba ny anarana ho entina, ny asafidianana amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny hoe Shinoa Taipei sa Shina Taipei.
Taiwan: Nofinofy toy inona no andrasantsika amin'ny Lalao Ôlaimpika?
Raha mikarakara ny Lalao âlaimpika 2008 i Sina dia nilaza hoe “tontolo iray, nofinofy iray, inona no andrasantsika amin'io nofonofy io?
Nazavain'i Schumann ny niavian'ny afo Ôlaimpika:
古代希臘人在奧運舉辦前,會按宗教儀式,在奧林匹亞宙斯神廟前的祭壇上點燃火種， […]火炬手高舉火炬,一邊奔跑,一邊呼喊：停止一切戰爭,參加運動會。
火炬傳到哪，哪的戰火就熄滅了。[…]人們忘記了仇恨,忘記了戰爭,都奔向奧林匹亞參加奧林匹克運動會。
久而久之，火炬這個本來用來傳遞信號的工具，便成了和平、光明與友誼的象征.
Mialoha ny Lalao Ôlaimpika taloha dia nandrehitra afo teo anoloan'ny Tempolin'i Zeus l'Olympien ny mponina Grika fahiny.  […] Ilay mitondra ny afo dia mihazakazaka no sady miantsoantso hoe: ‘ atsaharo ny ady fa ‘ndeha hilalao!' Tamin'ny toerana rehetra nolalovan'ny afo, nitsahatra ny ady. […] Namonjy ny Lalao Ôlaimpika daholo ireo mponina Grika fahiny,  adinony ny fifankahalàna sy ny ady.  Vokany, ny afo, izay fitaovana nampiasaina handefasana hafatra, nanjary mariky ny fandriampahalemana, fahazavana sy firahalahiana.
Na izany aza, dia hoy i Schumann,
原本具有神聖意義的奧運聖火,卻被中國搞得像過街老鼠,
中國, 污辱了聖火.
Nitsoriadriaka namakivaky làlana maro toy ny voalavo ity afo Ôlaimpika ity mba hialàna amin'ireo tsy mpankasitraka. Imasom-bahoaka ny tsiny atoraka ny afo Ôlaimpika ataon'ny governemanta Sinoa.
Maro irao Taiwanais niady hevitra raha toa ka tokony hanaovana ankivy ity afo Ôlaimpika ity noho ny governemantan'i Sina tompon-daka amin?ny fanaovana tsinontsinona ny zon'olombelona. AW dia miresaka ny tanjon'ny governemantan'i Sina amin'ny fikarakarana ity Lalao âlaimpika ity:
舉辦奧運變成了中共向全世界展示其「合法性」[…]當奧運場上人們盡情歡呼的時候，在中共黑暗的監獄裡，可能良心犯們正在被折磨得痛苦的呻吟；當西方政要在開幕式上給予中共足夠面子用來貼金的時候，中共正下定決心一定要把共產黨獨裁專制永遠延續下去。
Ny Antoko communiste sinoa mihevitra ny haneho hibaribary fa hoe mamim-bahoaka izy (manana tanjaka) amin?ny fikarakaràna ny Lalao Ôlaimpika. […] Raha mirefodrefotra ny tehak'ireo olona any an-kianja, ireo mpiaro ny zon'olombelona kosa mety mbola mijalijaly any am-ponja rehetra any. Raha maneho fankasitrahana ho an'ny governemantan'i Sina amin'ny fanatrehana ny lanonam-panokafana ireo mpitarika ara-pôlitika tandrefana, dia hikokotra mafy hitantana an'i Sina mandrakizay ny Antoko Communiste eto Sina.
Door and window no manontany izay sahy handray andraikitra hahamatroka ny afo Ôlaimpika?
世界各國的領袖…..才是讓聖火蒙塵的主因…..
平日以民主自傲的國家那去了???
以自由為榮的國家哪去了???
自稱世界警察的傢伙呢….是癱瘓了嗎???
也好….讓全世界看清楚….
道德的糖衣….在強權面前….全都瓦解殆盡….
Ireo mpitondra firenena rehetra no tokony handray andraikitra hahamatroka ny  afo Ôlaimpika.
Aiza ireo firenena mirehareha ho demôkratika?
Aiza ireo firenena mirehareha ho miaina anaty fahalalàhana?
Aiza ireo firenena nantsoina ho mpandamina izao tontolo izao? Sa nalemy tsy afa-mihetsika intsony izy ireo?
Tsara loatra. Hitantsika izao hoe mihena ireo fiarovana ara-moraly mamin-dry zareo manoloana ny fitondrana tsy refesi-mandidy.
Zendana i doctor61 amin'ny fomba fitohizan'ny fitondrana sy fifindrafindran'ny afo Ôlaimpika:
一個國家辦奧運，搞到要動員海外學生華人保護聖火，甚至由中國主動派安全人員出國保護，實在也是創舉了。
Voalohany teo amin'ny tantaran'ny firenena mampiantrano ny Lalao Ôlaimpika izao no nilàna fanetsehana ireo teratany Sinoa monina any am-pitandranomasina sy ireo “mpiaro mahatoky”  mba “hiaro” ny afo Ôlaimpika.
Etsy andaniny, maro no gaga nanoloana ny fitakian'ireo olona manohana an'i Tibet hanaovana ankivy ny afo Ôlaimpika. Nanamarika i forumvisitor,
圖博人在海外的人數應該沒台灣人數多，可是他們能爭取到的國際友人的聲援能量, 我自己覺得真的很驚人。我覺得我們要好好學習, 至少要盡量幫忙保護這個可能的盟友。
Zendana aho mahita ny fanohanana avy any ivelany azon'ireo Tibetana, indrindra fa tsy dia maro loatra noho ny Sinoa ny Tibetana monina any am-pitandranomasina. Mieritreritra aho fa tokony hianatra ireo Tibetana ireo isika ary hiaro ireo namana ireo.
Manohana ny ankivy i Door and window:
奧運聖火的繞境…幾天看下來…
真的有不少感慨…..
中國鎮壓西藏的當時….抵制聖火的言論根本聽不到…..
新加坡甚至….變相支持…挖勒…
但….幸好正義沒有完全消失….
支持人權的民眾站出來之後….
各國也紛紛表態不參加開幕式…..
唉…..人民若不以行動發聲…..就真的沒聲音了……
Nisento aho nanaraka ny fitondrana sy fifindrafindran'ny afo nandritry ny andro maro.  Raha namoritra an'i Tibet ny governemantan'i Sina, tsy mba nandre zavatra mikasika ny fanaovana ankivy ny afo Ôlaimpika izahay.
I Singapour aza dia nanohana ny asan'ny governemantan'i Sina. Sento.
Na izany aza, tsy ho very akory ny rariny (ny fahamarinana).
Taorian'ny tohana maro be avy amin'ny olona mpiaro ny zon'olombelona, maro ireo mpitarika (mpitondra) nilaza fa tsy hanatrika ny lanonana hanokafana ny Lalao Ôlaimpika.
Sento. Raha tsy manandra-peo toy izao ataontsika izao isika, dia tsy hisy hiteny.
mobobeijing2008 nihevitra fa tokony ho niombon-kevitra amin'ny fanaovana ankivy koa i Taiwan:
台灣長期遭受中國武力的威嚇[…]在2008北京奧運舉辦之前，大家應掌握這個關鍵時刻，共同參與跨國界的抵制行動[…]呼籲中國，不應「右手舉聖火、左手抓飛彈」[…]而應該公開承諾，放棄以武力解 決台灣問題。
I Taiwan dia efa norahonan'ny tafika avy any Sina. […] Fotoana tokony hararaotintsika izao hiarahana amin”ity hetsika efa tsy voafetran'ny sisintany ho fanaovana ankivy ity […] sy hangatahana ny governemantan'i Sina tsy handray ny afo Ôlaimpika amin?ny tànana havanana nefa hitondra bala-afomanga amin'ny tànana havia. […] Tokony hanome toky ny governemantan'i Sina fa tsy hampiasa ny tafika ho famahàna ny olana any Taiwan.
Nony lasa lalina ity resaka fanaovana ankizy ity any Sina, nikorapaka nanentana ny olona ny governemantan'i Sina mba tsy hanafangaro ny resaka pôlitika sy ny lalao (atletisma). Na izany aza, tsy nisy nanoina ity antso ity.
Hoy i johnnio,
中國過去有幾年都因為政治問題不參加奧運，現在反而喊很大聲，要政治歸政治，體育歸體育。中國人的雙重標準果然博大精深 。
Tany aloha tany dia tsy nanatrika Lalao Ôlaimpika i Sina noho ny olana pôlitika, nefa ankehitriny dia izy indray no miteny amintsika mba tsy hanafangaro ny resaka pôlitika sy ny lalao (atletisma). Mahay ny atsy sy mahay ny aroa ka saro-takarina.
Hoy i no justice,
政治歸政治？ 那台灣要加入世界衛生組織, 非政治機構, 他們在哭夭什麼？
Pôlitika ve ny pôlitika? Raha naniry ny hiditra amin'ny Fiombonam-be Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana i Taiwan, izay tsy fikambanam-be ara-pôlitika, nahoana no nosakanan-dry zareo isika?
Ny fanaovana ankivy ny Lalao Ôlaimpika - Beijing 2008 dia tsy olana pôlitika fotsiny. Mikasika indrindra koa izy io ny amin'ny fanirian'ny olon-drehetra maneran-tany mba hifampizara sy hifanakalo.