GlobalVoices anaty

Taiwan (ROC)

Tahiry Firenena · 31 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Taiwan (ROC)

10/03/2013

Noho Ny Hetsi-panoherana, Lavin'i Taiwan Ny Fidiran'ilay Mpivahiny Mpanohitra Ny Nokleary

Tohin'ny lahatsoratra

Lehilahy Alemana iray izay nilahatra taminà hetsi-panoherana ny nokleary natao roa taona lasa izay [zh], tao Taiwan, no voatàna tao amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenen'i Taiwan sady nolavina ny fahafahany miditra [zh] ao amin'ny firenena, tamin'ny 8 Martsa 2013, andro iray nialoha ny nikarakaran'ireo mpanao hetsi-panoherana hetsika iray goavana hanoherana ny resaka nokleary tao an-toerana.

07/01/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Taiwan: Fanirian'ny Taona Vaovao Tsy Hisian'ny Nokleary

Tohin'ny lahatsoratra

Tena hafakely mihitsy ny fankalazana ny taona vaovao tamin'ity taona ity satria niara-niasa hanolotra firenena iray lavitry ny nokleary ho toa ny firariantsoa iraisan'ny vahoaka Taiwanese ho an'ny taona 2013 [zh] ireo mpihira malaza, mpikatroka mafàna fo mpiaro tontolo iainana sy ireo tanora.

10/12/2012

Video Lahatsoratra
Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana

Tohin'ny lahatsoratra

Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia miantso tsy misy hatak'andro ny fanaovana lalàna mandràra ny fanaovana ampihimamba amin'ny media ry zareo.

16/11/2012

Sary Lahatsoratra
Mpiasa voaroaka iharan'ny fandoavan-trosa ao Taiwan

Tohin'ny lahatsoratra

Zava-mitranga toa somary manaraby ihany, fa dia mitady hitory ireo mpiasa izay noroahin'ny tompon'orinasa efa ho enina amby folo taona lasa izay, ny Vaomieran'ny raharahan'ny mpiasa (CLA) ao Taiwan, ity...

27/03/2012

Video Lahatsoratra
Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

Tohin'ny lahatsoratra

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.

26/01/2012

Sary Lahatsoratra
Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra

Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.

12/12/2011

Shina: Manara-maso Ny Fifidianana Ho Filoha Hatao Amin'ny 2012

Tohin'ny lahatsoratra

Ny fahalinan'ireo Shinoa mpiondana aterineto tamin'ny andiany voalohany amin'ireo adihevitra telo tamin'ny faran'ny herinandro izay mitondra mankamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Taiwan amin'ny volana ambony dia manolotra hevitra ny amin'ny tokony hifantohan'ny saina misimisy kokoa amin'ity fihodinana ity mihoatra noho izay natao tamin'ny fifidianana tamin'ny 2008, sy hitarina ihany koa ny fifantohana ho tonga hatrany amin'ny toerana misy ireo antoko politia tsirairay amin'ny fampitambarana an'i Shina.

13/11/2011

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny "sasany"- sa tokony hoe "ny maro" no ho teneniko - amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.

02/11/2011

Sary Lahatsoratra
Taiwan: Sarin'ny Matsom-Pireharehana Maha-LGBT 2011 tao Taipei

Tohin'ny lahatsoratra

On October 29th, more than 50,000 people joined the annual Taiwan LGBT Pride parade in Taipei, which is the biggest in Asia. This year was the 9th parade since 2003. Here are some great photos from the day.

29/03/2011

Sary Lahatsoratra
Taiwan: Fanadihadiana Manokan'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohitra ny Nokleary

Tohin'ny lahatsoratra

Toby mpamokatra angovo nokleary faha-efatra no an-dalam-panorenana izao any Taiwan, ao amin'ny tanànan'i Gongliao, 40 km monja miala ny tanànan'i Taipei.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny