Tantara mikasika ny Korea Atsimo

Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

  31 Oktobra 2018

Voahodidin'ny 85% amin'ireo toerana mafana ara-politika manerana ny tany i Shina, hoy ny profesora ambony dia ambony iray; ary ilainy ny halalaka amin'ny fifandraisana amin'ireny sy ny olana ara-jeopolitika hafa izay atrehiny, manomboka amin'ny fidirana amin'ireo ranomasina manodidina azy.

Korea: Fisamborana an'i Minerva

  07 Oktobra 2018

Olo-malazan'ny Aterineto, voasambotra i Minerva nony farany (jereo GV tamin'ny 30/11/2008, anglisy). Ary naparitaka ny mombamomba azy. Nametraka azy ho manampahaizana manokana amin'ny resaka toekarena ireo honohono marobe, manampahaizana manokana amina Tsenambola, na lehilahy iray misahana toerana ambony amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mifanohitra tanteraka amin'ireo tombatombana ireo, fantatra ankehitriny fa telopolo taona ary olona tsy manana asa izy, nahazo diplôma taorian'ny taona roa nanarahany fampianarana ambony.

Korea: 518, Fandripahana tao Gwangju

  12 Jolay 2018

518 ny tarehimarika. Tarehimarika tsy adinon'ny Koreana. Feno '518' nandritra ny andro maromaro ny bilaogy ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao Gwangju (Hetsika Demaokratizasiona tao Gwangju) tamin'ny 18 May 1980.

Tranonkala Koreana Notafihan'ny Shinoa Mpijirika

  20 Jona 2018

Voajirika ilay tranonkala lehibe indrindra fanaovana lavanty ao Korea, "Auction", tamin'ny volana Febroary ary very tamin'izany ny mombamomban'ny mpanjifa miisa 11 tapitrisa farahakeliny. Tsy ela akory izay, fantatra fa Shinoa ireo mpijirika.