2009-01-14
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ...
2008-12-21
Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?
Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.
2008-12-08
korea: naato ny fiaran-dalamby mamitohy ny avaratra sy ny atsimo
Niato tamin'ny 28 novambra lasa teo ny fifamoioizana an-dalamby mampitohy an'iKorea avaratra amin'i Korea atsimo.[En] Raha nanomboka niasa indray ny fiaran-dalamby nampitohy ny roa tonta taorian'ny fihaonana an-tampony teo amin'ny roa tonta tamin'ny herintaona rehefa nitsahatra 50 taona izany, dia nanantena fivoarana sy fifanakaikezana teo amin'izy ireo ny olona. Rehefa ...
2008-12-07
Bangladesh, India: Sary momba ny fiainan'olona serôpôzitifa
Mpanao gazety mpaka sary malaza Bengali Shahidul Alam no manao tamberina ny asan'i Dayanita Singh, mpaka sary Karana iray efa nadrombaka ny amboara tamin'ny fakana sary. Maneho ny "Fiainana serôpôzitifa" mitondra ny tsimok'aretina VIH na “Positive Lives”, fampirantiana ny setriny ataon'ny olona momba ny VIH/SIDA moa izany tamberina izany.
2008-08-07
Korea: Fanompoam-pirenena sy fandavana raharaha miaramila
Tsy niverina tany amin'ny vondro-tafika nisy azy ny zatovolahy iray manatontosa ny raharaha miaramilany any amin'ny polisy rehefa avy nahazo fialantsasatra kely ary nanambara ny adin-tsaina mahazo azy (ho fandavana ny raharaha miaramila). Araka ny nolazainy dia mahatsiaro tena ho meloka izy taorian'ny fandravana fihetsiketseham-panoherana iray amin'ny alalan'ny fijoroana an-dalambe ...
2008-05-09
Korea:Ny fitsidihan'ny filoha Koreana an'i Etazonia sy ny mpampita vaovao
Natao tamin’ny Aprily teo tany Washington ny fihaonana an-tampony voalohany teo amin’i Amerika sy Korea Atsimo hatramin’ny nahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena koreana. Nisarika ny sain’ireo mponin’ny aterineto ity fitsidihan’ny Filoha Lee Myung Bak an’i Etazonia ity. Ankoatry ny votoatin’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta, dia ny hoe ahoana no fomba hanehoan’ireo mpampita ...
2008-04-29
Kôrea Atsimo : Seoul notafihin'ireo “Shinoa ratsy kely”
One free Korea [Kôrea tokana sady mahaleotena] no manapariaka ny fijeriny ny hetsik'ireo mpanohana ny afo Olaimpika Shinoa hoy toy ny firongatr'ireo
The Ugly Chinese.
“Shinoa ratsy kely”.
2008-04-18
Korea: Tsy fahampian’ny vary fahiny sy ankehitriny
Hita ombieny ombieny ity resaka olana ara-bary ity. Nisy hetsika mafimafy ihany natao teto Korea ho fanoherana ny fanokàfana ny tsenan’ny vary amin’ny firenena hafa. Mpikirakira aterineto iray nandray anjara tamin’ny hetsika ho famelàna ny tsena ho an’ny eto an-toerana ihany no miresaka momba ny fahiny sy ny ankehitriny.
15년전 15년전 ...
2008-03-11
Kôrea Atsimo : Hetsika fitakian-jon'ny vehivavy
CINA no manapariaka rohy sy sary mikasika ny hetsika notanterahin'ireo vehivavy aman'arivony tany Seoul, any Kôrea Atsimo, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy :
to protest against the - still - terrible conditions for a majority of female workers.
“ho fanoherana ireo fepetra - mbola - tena ratsy izay sedrain'ireo ...
2008-01-29
Korea : Ho firenena mpiteny anglisy ?
Hiteny anglisy avokoa ny Koreana rehetra afaka fotoana fohy. Hiakatra ve sa hidina ny faneriterena raha miteny anglisy ianao na tsia? Nilazain’ny governemanta vaovao, ekipa tetezamitan’i Lee Myung Bak fa ho ampianarina amin’ny teny anglisy avokoa ny taranja rehetra. Herinandro taty aorian’ny nanambarana io drafitra io dia mbola henika ity ...




