· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Korea Atsimo tamin'ny Marsa, 2012

Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra

  29 Marsa 2012

Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nandeha dia nandeha ny resaka tao Korea Atsimo sy Japana, ity farany izay vao avy nikarakara...

Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju

  13 Marsa 2012

Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny UNESCO ho lovan'izao tontolo izao ity tetikasam-pananganana toby miaramila ity dia nanohitra ny fananganana azy hatramin'ny 94% tamina fitsapa-kevi-bahoaka ny...

Korea: Mitaky ny Zo Hahazo Manao Pataloha Ireo Mpanamory Ara-barotra

  09 Marsa 2012

Tamin'ny Andro Manerantany Ho an'ny Vehivavy dia nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety ireo mpanamory ara-barotra avy amin'ny iray amin'ireo zotram-piaramanidina goavana indrindra ao amin'ny firenena,teo anoloan'ny tranoben'ny Kumho Asiana hangataka ny hahazo hanao pataloha. Tonga marobe naneho ny fanohanany ireo Korena mpampiasa aterineto.

Korea Atsimo: Miala Amin'ny Asany Ireo Mpanao Gazety Maro Avy Amin'ny Fahitalavi-panjakàna Iray

  08 Marsa 2012

Ireo mpanao gazetin'ny iray amin'ireo tambajotram-pahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Korea Atsimo, ny Munhwa Broadcasting Corporation (MBC) dia mitokona mandritra ny fotoana tsy voafaritra efa nanomboka tamin'ny volana Janoary 2012, mitaky ny fahamarinana amin'ny fanaovan-gazety tsy misy ambadika politika. Tamin'ny 4 Martsa 2012, mpanao gazety 166 no nanambara fa hiala amin'ny asany [ko] ho mariky ny fanoherana.