· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Korea Atsimo tamin'ny Novambra, 2011

Korea Avaratra: Mampatahotra an'i Kim Jong Ve Ny Famonoana Natao An'i Gaddafi?

Koreana Tavaratra nitsoaka ny fireneny lasa mpanao gazety manoratra ao amin'ny bilaogy antsoina hoe North Korea RT (Real Talk) i Joo Sung. Teraka tao Korea Avaratra Andriamatoa Joo ary nahavita fianarana ambony tao amin'ny oniversite Kim Il-sung, iray amin'ireo oniversite manan-danja indrindra ao Korea Avaratra. Niala tao an-tanindrazany izy ny taona 1998 ary...

Korea Atsimo : Tsy Nampihemotra Ireo Mpifidy Ny Fampitandremana Natao Tamin'ireo Mpanentana Ao Amin'ny Twitter

  07 Novambra 2011

Ny Renivohitr'i Korea Atsimo, Seola, ny 26 oktobra 2011 dia nifidy ny ben'ny tanànany vaovao. Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna dia tena ady goavana be teo amin'ilay vehivavy mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ilay tsy mbola fantatra loatra izay avy amin'ny antoko demokratika. Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny manam-pahefana amin'ny fanehoana fiangàrana amin'ny kandidà iray, ireo mpampiasa Twitter anefa dia haingana dia haingana amin'ny fandrisihana ny olona rehetra tsy an-kanavaka hifidy.