· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Korea Atsimo tamin'ny Aogositra, 2011

Korea Atsimo : 41 No Maty Tao Anatin'ny Tondra-drano Mahery Vaika Sy Fihotsahan'ny Tany

  07 Aogositra 2011

Oram-batravatra be no namely an'i Korea Atsimo nandritra ny andro maro nifanesy, nahatonga firotsahana tany, tondra-drano ary fahatapahan-jiro. Farafahakeliny 41 ny olona maty ary 12 no mbola tsy hita hatramin'izao. Nandritra ilay loza voajanahary, Koreana Tatsimo maro no nizara fanavaozam-baovao, sary maro ary toro-hevitra mahasoa ho an'ireo tra-doza tamin'ny alalan'ny Twitter.

Korea Atsimo : Adihevitra Ny Amin'ny Fiverenan'ireo Boky Momba Ny Mpanjaka

  03 Aogositra 2011

Ny volana May 2011, nankalaza ny fiverenan'ny andianà boky momba ny mpanjaka izay norobain'ny tafika Frantsay nandritra ny fanafihana ny Nosy Koreana Kanghwa, ny taona 1866 ny Koreana Tatsimo. izay hita taty aoriana fa manana endrika ‘fampanofàna' ny harem-pirenena fa tsy famerenana tanteraka. Olona maro no namoaka ny hatezerany amin'ny Frantsay sy ny governemanta Koreana tamin'ny tsy fahantaterahan'ny fampanantenana hatrizay;