The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

South Korea Tahiry Firenena

RSS ho an i South Korea

2009-07-14

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa ...

2009-06-23

Korea Avaratra: Mpanao gazety Amerikana roa voasazy hiasa an-terivozona

Tsy dia mandrisika loatra ireo vaovao avy any Pyongyang. Taorian’ny niampangana azy ireo ho niditra an-tsokosoko tany Korea Avaratra, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 12 taona ireo mpanao gazety Amerikana Laura Ling sy Euna Lee (araka ny re tao amin’ny CNN). Namoaka fintina am-blaogy momba ity raharaha ity ho an’ny ...

2009-05-24

Korea : Maty ilay filoha tsy nanao kolikoly indrindra fa ampangaina ho manao kolikoly izy

Nodimandry androany (sabotsy) ny filohan'i Korea teo aloha Roh Moo-hyun. Nanandrana nandao ny fiainany milamina tao an-tanàna niaviany tamin'ny alalan'ny fitsambikinana tany amin'ny hantsana tao ambadiky ny tranony ny filoha rehefa nahatsiaro nijaly noho ny raharahan-kolikoly sy fanadihadiana ataon'ny fampanoavana aminy. Na dia tsy misy loatra aza ny porofo ahafahana ...

2009-05-07

Korea: Zavatra maro mety hanaitra anao any Amerika Avaratra

Namoaka hafatra mavesa-danja ny mpikirakira aterineto iray momba ireo zavatra 22 manaitra avy hatrany rahal’ho any Etazonia. Mahaliana ihany ny mahita hoe nahona ireo zavatra izay heverina no voajanahary ao anatina firenena iray no manjary toa mahaliana sy manan-danja any an-kafa any. 1. 하이웨이 차선 위 사진의 차선의 힌선과 흰선이 연결되는 중간을 ...

2009-03-07

Korea: Fihaonana voalohany, ahoana no ahalalanao ny ho sakaizanao anatin’ny 10 minitra.

Amin’ny fomba ahoana no mety ahitanao ilay lehilahy sahaza anao haingana indrindra? Tsinjoko fa mizara famakafakana ara-pomba-piaina (psychologique) mahavariana ireo mpamaham-bolongana izay milaza manao hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mamaky ny toetran’ny maha izy azy ny olona sy ny endriky ny toetra ananan’ny lehilahy miaraka aminao, na amin’ny ...

2009-02-28

Kore : fitontongan'ny ekonomia, orinasa iza no manam-bintana indrindra ny ho velona

Raha nanantena ny maro amintsika fa hifarana tsy ho ela ny fitontongan'ny ekonomia dia hita fa mbola ady haharitra ela izy ity. Mampihena ny isan'ny mpiasa ny orinasa na mampidina ny vokany. Mizara ny traikefany ny terantany anankiray izay miasa ao amin'ny orinasa Japone. Karazana fandrefesana ara-bola maro no nampidirina.. 일본회사에서 ...

2009-02-15

Korea: Antony fito hametrapetrahan'ny vehivavy anao

Misy hafatra iray manintona milaza  antony fito mahatonga ny lehilahy ho voapetrapetraky ny vehivavy rehefa miresaka fotoana sy manome torolàlana ihany koa ny amin'ny fomba tokony hataonao lehilahy hisorohana an'izay fahavoazana lehibe izay. Aza dia mino azy ity 100%. Tsy voatery ho marina foana mantsy ilay izy. […]처음 만나자 마자 이벤트 ...

2009-02-11

Korea: Ny taombaovao an-aterineto sy avy amin'ny onjam-peom-pirenena

Mampientanentana ny olona na aiza na aiza ny fiandrasana ny taona vaovao. Miara-mivory amin'ny toerana iray ny olona mandray ny taona vaovao. Eto Korea dia eny amin'ny tilikambom-pamataranandron'i Bosingak ny olona no mifamotoana. Kanefa toa niainga tamin'ny korontana ity taona ity. Tsy maintsy nametraka ny onjam-peom-bahoaka KBS eo amin'ny toeran'ny voampanga ...

2009-01-18

Korea: fahazarana 17 mahatonga ny hoditrao ho malaky antitra

Hanolotra lahatsoratra iray milaza fampahafantarana mahaliana (na mampihomehy) anareo aho: ny fahazarana 17 anananao izay manome taona (fahanterana?) ny hoditrao. 값비싼 화장품이 피부를 유지해준다!? 이런 마음가짐으로 고급 화장품만을 믿고 피부에 관심을 덜 가지게 되면 5년 후에는 “아줌마! 화장품 뭐 썼길래…” 라는 말을 들을수도 있습니다. 피부는 관리가 중요합니다. […]피부노화를 가속화시키는 몇가지 원인을 공개합니다. Mahatsara ...