Global Voices teny Malagasy » Singapore
Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano
Noho ny habeny sy ny toerana misy azy,i  Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia.
Ny fifanarahan'ny 1961 provides ny fivarotana galonan-drano tsy voadio 350 tapitrisa isan'andro amin'ny vidiny 3 cents Maleziana ny 1,000 galona. Nanaiky koa i  Singapore fa hamatsy an'i  Johor (fanjakana Maleziana iray ao akaikin'i Singapore) isan'andro amina rano voadio amin'ny sanda  50 cents ny 1,000 galona. Hifarana amin'ny 2011 ity fifanarahana ity.
Ny fifanarahana tamin'ny 1962 dia nanome alàlana an'i Singapore hisintona rano tsy voadio avy amin'ny reniranon'i Johor. Ho setrin'izay, mahazo famatsiana rano voadio isan'andro avy any Singapore i  Johor. Fifanarahana manan-kery mandritry ny 99 taona.
Hifarana ilay fifanarahana voalohany amin'ny 2011, Dr. Mahathir Mohamad,  Praiminisitra teo aloha  dia manontany ao amin'ny blaoginy be mpanaraka tokoa raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika momba ‘ilay fifanarahana mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa:
Tsy lavitra mihitsy ny 2011. Efa nihevitra ny hanalava na tsia  ny fifanarahan'ny 2011 ve isika na hamerina hidinika fifanarahana vaovao iray momba ny rano? Hanao mahantra be fiantrana eto indray ve isika ka hivarotra rano tsy voadio amin'ny  3 cents ny 1000 galona ho an'ny mpanankarena mifanolo-bodirindrina amintsika?
Ny be fiantrana sy tsy be fanontaniana manindritsindrona dia làlana iray tsara ahazoana sakaiza. Nefa kosa mitondra inona amin'ny vahoakan'i Malezia.
Kent Moo, mpitoraka blaogy, dia manamarika ny mpitondra teo aloha dia nanainga “onjan'eso momba ny resaka fivarotana rano amin'i  Singapore, ary izany fomba fanao izany dia mandrendrika ny mpandimby azy, Abdullah Ahmad Badawi.”
Ny hafatra nampidirin'i Mahathir ao amin'ny blaoginy, toy ny mahazatra, dia niteraka fanamarihana maro. i Abang Din dia mankasitraka ny famerenana indray ny dinika momba ny tolotra rano:
Tsy dia mifanaraka loatra amin'ny tokony ho izy ny hanohizana mamatsy rano tsy voadio an'i Singapore raha tsy mifanaraka velively amin'izany ny tombontsoa azo avy aminy. Asa fandraharahana no ataontsika eto, dia aleo ho asa fandraharahana tokoa. Mazava loatra fa tsy maintsy mijery ny fifandraisantsika amin'i Singapore isika, nefa tsy ao anaty safidy kosa ny hanohy fifanarahana sadasada tsy misy dikany.
Antenaiko fa hijery akaiky an'io olana io ny governemantan'i Malezia mba tsy hanome laza ratsy ny vahoakan'i Malezia. An'ny Maleziana rehetra ny rano tsy voadio, noho izany kendreho ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra.
Ifanonline koa dia mihevitra fa ny vidin-drano hotapahana mandritry ny fifanarahana dia tokony hahitàna taratra ny sanda mihatra eny an-tsena amin'izao fotoana
Fahatsapana faran'izay tsotra iraisan'ny rehetra io. Na iza na iza doa tokony hahafantatra daholo fa raha misy fifanarahana vaovao hivarotana rano amin'i Singapore, dia tokony hisy vidiny vaovao mifanaraka amin'ny hita eo amin'ny tsena amin'izao fotoana. Malezia sy Singapore dia afaka miresaka ara-pomba diplaomatika momba io resaka rano io hahatongavana amina fifanarahana momba izay ho vidin-drano vaovao. Tsotra be izany izao, rehefa tsy lanin'ny vavonin'i Singapore ny vidiny, i Malezia kosa tsy tokony ho be filirony ka hivarotra ny rano amin'ny vidiny varoboba.
Weesg dia mino hoe vahaolana tsy mitanila io raha toa ka tsy havaozina ilay fifanarahana voalohany mba hahaizan'i Singapore mianatra mizaka tena.
Manontany aho hoe nahoana no mipongatra izany ankehitriny. i Singapore efa nanao tsilian-tsofina fa hanadaboka ilay fifanarahana voalohany momba ny rano amin'ny 2011. Rehefa mahatsapa i Malezia fa tsy izy mihitsy ny vidin-drano, ary i Singapore kosa faly hanadaboka ny fifanarahana, tsy tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany ve izany? Raha tsy manana ranoVOADIO sahaza i  Singapore aorian'ny 2011, an'i Singapore manokana izany, sa tsy izany? Toy ny olona iray mikikitra mively soavaly maty.
Izany eo ihany, faly aho hoe nandà ny tsy hanalava ilay fifanarahan'ny 2011 i Malezia. Tsara ho an'ny firenena roa tonta izany. Afaka mianatra mizaka tena koa i Singapore.
Tsara ny hampahalalàna ny olona fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana (dia fifanarahana). Mianara manaiky an'izay. Fidio am-pahendrena ny mpitondra anareo.
Ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Fifandraisana sy ny Zavakanto any Singaporedia namoaka  bokikely iray tamin'ny 2003 mba ho fanampim-panazavana momba ny resaka manodidina ny fifanarahana rano   Malezia-Singapore. Ao anatin'io bokikely io, Singapore dia manindry mafy fa mifandanja tsara ny fifanarahana tamin'ni Malezia raha ny tolotra rano no atao resaka.
Ny olana momba ny rano tsy resa-bola fotsiny fa ny fisian'i Singapore ho firenena manana fiandrianana mihitsy. Ireo Fifanarahana momba ny Rano dia tafiditra ao anatin'ny Fifanarahana Fisintahana izay miantoka ny maha firenena manana ny fiandrianany an'i Singapore. Raha azon'i Malezia ovàna araka izay itiavany azy ny votoatin'ny Fifanarahana momba ny Rano, dia mampametra-panontaniana koa ny momba ny fizakantenan'i  Singapore. Izay no tena fototry ny fifandirana.
Ny olana dia tsy ny hoe ohatrinona no alohantsika, fa ny hoe ahoana no fomba nanapahana ny fanitsiana ny sanda. Ny Fifanarahana momba ny Rano dia ahitàna andalana manokana mikasika ny hoe rehefa fotoana manao ahoana no azo anitsiana ny sandany ary ahoana no hikajiana ny fanitsiana. Ny fanitsiana ny sanda dia tsy araka izay maha-diavolana ny fon'ny andaniny na ny ankilany manokana. Raha toa MAlezia faka manova samirery ny votoatin'ny fifanarahana nekeny an-tsitrapo, aiza ny hasin'ireo fifanekena? Izay fifanarahana amin'ny ho avy rehetra hataontsika miaraka amin'i Malezia dia tsy hisy hanana ny lanjany.
Rajan Rishyakaran dia manakiana an'i Mahathir avy any Malezia ho nampikatso ny fifampidinihana teo amin'i Singapore sy Malaysia
Nahoana i  Singapore no tokony hanaiky handoa vola bebe kokoa amin'ny rano raha tsy mahazo na inona na inona ho tambiny ry zareo?
Ekena tanteraka, na tamin'ny vidin'ny rano tsy voadio tamin'ny andron'i  Mahathir aza, mbola mora kokoa ny vidin'ny rano tsy voadion-dry zareo Maleziana raha mitaha amin'ny fizakan-tena: saingy ny hilefitra amin'ny fangatahan'i Mahathir dia fiandohana ohatra ratsy any  Singapore. Noho ny tsy fahaizan'i Mahathir mitady marimaritra iraisana, ny fanaovan-javatra tsy amim-piheverana sy ny tsy fananany faharetana miaraka amin'i  Singapore, samy maty antoka izao i  Singapore sy Malezia.
Ny fiankinan-dohan'i Singapore amin'ny rano hafarana dia nanery azy hanamafy ny teknolojia vaovao mba hamokarana ny filàny manokana ara-drano. Nanangana ny  NEWater (avy amin'ny ranony efa niasa) izy ary tsy ela akory izay dia nanangana ny  ozinina lehibe indrindra any Azia ho fanasarahana ny rano sy ny sira avy amin'ny ranomasina.
Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina
Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009.
Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo izy ary rehefa nivoaka tamin'ny aterineto izany rakitsary sy feo izany dia azo nitarafana ny fifehezany teny anglisy. Niteraka adihevitra, na tany amin'ny vavahadin- tsarimihetsika, na tany amin'ny bilaogy, na tamin'ny fampahalalam-baovao, eny fa na dia teny an-dalam-be rehetra teny aza ny valinteniny.
Misy amin'izy ireny no manakiana :
Mihevitra i Sometimesjean fa tokony hahatafavoaka zavatra tsaratsara kokoa ankoatra ny hatsaran-tarehiny izy:
Satria fisoloan-tena an'i Singapaoro ny Oliravina Manerantany Singapaoro dia heveriko fa ankoatra ny hatsaran-tarehy dia tokony homena izay olona mahay miteny tsara sady manam-pahaizana ny voninahitra, izany hoe tokony mba farafaharatsiny manana fahaizana antonony raha tsy efa hoe mpianatra amin'ny ambaratonga ambony mihitsy aza. Voninahi-pirenena no arovana ka tokony ho mailo tsara.
Tanat kosa mitsipaka ny fifidianana izay ho mpandresy:
Raha araka ny hevitro manokana dia tsy tokony ho Ris Low no voafidy ho Miss Singapore World 2009 (Oliravina Manerantany Singapaoro 2009). Inona moa no miova raha hoe vao sitrana tamin'ny tazo izy andro vitsivitsy nialoha ny fifidianana! Heveriko fa noho ny fahaizany namitaka ny mpitsara nihevitra fa mety ny namaliany ny fanontaniana hoe “Mahavidy fahefana ny vola” no antom-pandreseny.
Na izany aza dia misy ireo midera an'i Miss Low noho ny nanànany herin-tsaina hiditra ao amin'ny fifaninanana.
Singkengloon dia mihevitra fa tsy misy ny lavorary:
Ny marina dia iharan'ny fitenenana hoe ny teny maro tsy ilaozan'ota maro amintsika. Tsy misy afaka milaza isika na dia iray aza fa tonga lafatra ny fahaizantsika teny anglisy. Ary mitovy hevitra amin'ny mpifaninana taminy aho fa mbola tanora izy ary mbola afaka manatsara zavatra betsaka.
Raha mila ny fanohanantsika ny Oliravintsika dia eso no avalintsika azy. Dia ahoana àry no hananan'ny tovovavintsika herin-tsaina hampamirapiratra an'i Singapaoro?
Mihevitra i Sam  fa mariky ny tsy fahatokisan-tena mihevitra ny fanakianana be loatra:
Ohatry ny menatra amina Singapaoriana karazany hafa isika. Te hanadio ny tsy fahaizantsika miteny anglisy any ambany karipetra isika. Tiantsika ho tovovavy metisy sinoa, na metisy maley, na metisy karana, na metisy vazaha no hisolo tena antsika, fa tsy ny milaza azy ho “Ah Lian”. Nahoana? Satria tsy mahazo aina isika amin'ny fahitantsika ny “tsy fetezana” eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika - “Ah Lian” hita be eo amin'ny lafiny kolontsaina sy fahatsarana, ny tsy fahaizana miteny anglisy sy ny hafa koa.
Na izany na tsy izany dia niteraka adihevitra indrindra noho ny tamin'ny fifaninanana taloha ity fifaninanana Oliravina Manerantany Singapaoro ity avy amin'ny fankasitrahana na ny fitsikerana azy ka nanjary nahabe mpanaraka ny fandaharana.
Marina Noordin
Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana
hunger
Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana.  Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo lahatsary mitondra anao hiresaka ny momba ny hanoanana omaly, ankehitriny ary amin'ny fotoana ho avy.
Ity lahatsary manaraka ity dia efa vonona ao amin'ny Culture Unplugged vohikla iray mampiroborobo ny lahatsarim-panadihadiana, fohy na sarimihetsika finday, ary manome loka amin'ny alalan'ny vola ireo izay tena  malaza. Eo ho eo amin'ny 6 minitra eo ny faharetan'i Chicken A la Carte ary ny fisongadinan'ny an-tsary ao aminy no mahatonga azy mahahoatra ny fisakanan'ny tsy fifankahazoan-teny:
<object width="400" height="300" data="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" type="application/x-shockwave-flash"><param name="name" value="cultureUnpluggedPlayer" /><param name="align" value="middle" /><param name="flashvars" value="video=http://cdn.cultureunplugged.com/lg/CHICKEN_ALA_CARTE.flv&m=1081&u=0&thumb=http://cdn.cultureunplugged.com/thumbnails/lg/1081.jpg&sURL=http://www.cultureunplugged.com&title=Chicken a la Carte&from=Ferdinand Dimadura" /><param name="src" value="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /></object>
Jereo ao amin'ny cultureunplugged.com ity lahatsary ity
Maro tamintsika fahakely no nandre ny renintsika hanapitra ny sakafo eo ambiliantsika, sy hoe misy ny ankizy kepaky ny hanoanana any amin'ny faritra hafa eto ambonin'ny tany any: ny marina dia mety hoeo amin'ny manodidina antsika eo dia efa misy ankizy kere.
Ity lahatsary manaraka ity kosa indray izay notontosain'i CarolinaMed dia  mampahatsiahy antsika ny tsy rariny amin'ny fanariana sakafo na fandanilaniana azy amin'ny tsy antony ary mametraka isa raha jerena ny  lanin'ny firenena voalohany manerantany, sy ny isan'ny olona mety hahazo  tombontsoa tamin'ny sakafo nariana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ary avy any Singapore, azahahasupernova no manontany: Inona no fialantsininao amin'ny fandanilaniam-poana ny sakafo, ary omeo ny antony  mety hanimbàny ny tontolo iainana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Tsy zava-baovao ny hanoanana any Philippines: Misy ny angano mifototra amin'ny fitadiavan-tsakafo hihinanana hialana amin'ny hanoanana: Tahaka izany ity lahatsary ahetsika fohy natao tamin'ny lokorano manaraka ity. Mitantara kely ny momba azy ity ny mpanetsika tokomokolika:
Ny tantaran'i Bontoc dia miresaka hazo iray mijoro eo ekani'ny ony Danum akaiky an'i Sagada. Ity dia angano mikasika vehivavy iray antsoina hoe Maeng, ary ny tena masaka ao an-dohany dia ny hamonjena ny fianakaviany hiala amin'ny hanoanana.
Tantara namboarina avy amin'ny angano Philippine nangonin'i Damiana Eugenio izy io. Ao amin'ny boky dia tsy manana anarana ny olona resahina ao fa ny anaran'ny tanàna niaviany dia hoe Maeng.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny sary hajia dia Give us This… by Mr. Kris
Juliana Rincón Parra
Singapaora: Voarara ny ronono shinoa
Nahitana melamina , ilay fangaro namparary sy nahafaty zaza tany Shina, ihany koa ilay marika ronono holandey any Singapaora. Voarara any Singapaora moa ankehitriny ny ronono avy any Shina. Nosoratan'ny mpamaham-bolongana iray : “Ho porofon'ny fifandraisan'izao tontolo izao sy ny fiafaran'ny sakafo amin'izao fotoana izao, dia efa niitatra tafavoaka an'i Shina ankehitriny ny fahitana sakafo voamboatran'ny orinasa “voapoizina”.”
Singapaoro: ireo vahiny mpifanolobodirindrina amintsika
Raha nanambara ireo toerana 11 vaovao hametrahana ny mpiasa vahiny ny goverinemanta tamin'ny herinandro teo dia tsy faly ny mponina avy amin'ny saranga antonony amin'ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon. Niara-nientana tamin'ny fanangona-tsonia haterina any amin'ny solombavambahoakany ao an-toerana George Yeo sy Lim Hwee  Hua ry zareo — nilaza moa ny solontenan'izy ireo fa vonona amin'ny adihevitra ry zareo. Miady hevitra ihany koa ny mpamaham-bolongana.
Namintina ny resaka nifanaovana tamin'iny mponin'i Seragoon ny Minisitry ny raharaham-bahiny ao amin'ny A Writer's Blog:
It was lucky that the dialogue session was already scheduled. Many residents spoke up, some with great passion. As expected, the principal concern was security. The already difficult traffic flow would also be aggravated. It was good that everyone acknowledged the contributions of foreign workers to our economy.
Soa ihany fa efa tao anaty fandaharam-potoana ny tafa sy dinika. Maro ny mponina no nandray fitenenana, ary tanaty hafanam-po mihitsy ny an'ny sasany. Ny resaka fandriampahalemana araka ny efa nampoizina no tena mampanahy ny maro. Mbola hanoatra noho ny ankehitriny izay efa hipokipoka ihany koa ny fifamoivoizana. Ny lafy tsarany kosa indray dia ny fahatsapan'ny tsirairay fa manabe voho ny toe-karentsika tokoa ny fisian'ny mpiasa vahiny.
Saingy feon-dakolosy hafa kosa no nanehoan'i Gerald Giam ao amin'ny Singapore Patriot ilay fihaonana. Nosoratany anaty lisitra avokoa ny tsikera tena henjana nataon'ny mponina.
They don't want “half-naked men” hanging around their neighbourhood;
The neighbourhood will become unsafe for old people;
Parents will worry about leaving their young children and aged parents at home when they go to work;
Traffic congestion by lorries ferrying workers;
The estimated 1,400 properties worth over $1 million each would see a drop in asset value.
Tsy tian-dry zareo hisodisody amin'ny manodidina azy ireo ny “lehilahy mitafy tapaka”.
Lasa hampidi-doza ho an'ny beantitra ny faritra.
Tsy ho sahy handao ny ankizy sy ny zokiolona irery ao an-trano ny ray aman-dreny rehefa handeha hiasa.
HItohana noho ny fiarabe mitondra mpiasa ny fifamoivoizana.
Ho latsa-danja noho ny sandany izay mihoatra ny 1 000 000 dôlara tsirairay ny vidin'ny trano sy ny tany eo ho eo amin'ny 1 400 isa eo.
Notohizan'i Giam ny resaka:
Many of us fear that foreign workers will be a source of social problems. Let's put it this way: If you were earning $500 a month with an extended family of 12 back home depending on you, would you risk your livelihood by committing some silly crime and getting jailed, caned and deported? Foreign workers litter and dirty the place? Who are the ones who clear our rubbish, pick up our litter and sweep our roads?
Manahy ny maro aminay fa hiteraka olana ara-tsosialy maro ny mpiasa vahiny. Andao anie hojerena izay lafiny izay: raha 500 $ isam-bolana no fandrainao ary fianakaviana misy olona 12 no velominao, hahasahy hijabajabaka hanao kitoatoa ny fiainanao amin'ny alalan'ny fanaovan-dratsy mahameloka ve ianao, ka raha tratra dia gadraina ary avy eo dia roahina? Handoto ny fokontany ny mpiasa vahiny ary hanary ny fakony eny rehetra eny? koa iza ary no hanala ny fakontsika, hanaisotra ny lotontsika ary hanadio ny arabentsika?
Maro ny mpamaham-bolongana nomanoratra fa any amin'ny sehatra avoavo kokoa eo amin'ny fifandraisan'ny Singapore amin'ny vahiny no tena itoeran'ny olana. Niteraka adihevitra lehibe (ihany koa) ny lahatsary iray mampiseho ny manodidina ny zaridainan'i Serangoon sy ny sekoly iray tsy misy mampiasa intsony havadika (ho toeram-pandraisana ny vahiny). Esoesoin'ny mpamaham-bolongan-dresaka henoina ao amin'ny mrbrownshow ihany koa ny tahotra “alien” Bengala ao amin'ny mponina.
Ng E-Jay ao amin'ny Sgpolitics.net kosa indray miteny fa tsy resaka fitsarana ivelany mialoha izy ity. Tsikerainy ny goverinemanta ho tsy niomana mialoha tamin'ny fandraisana ireo mpiasa ahiny nantsoina hiasa any amin-dry zareo:
If the Government wants to import a large number of foreign workers to build our casinos and all the mega projects that are supposed to spur our economy on, ample preparations first have to be made to house them properly. That means providing living quarters for foreign workers in locations that would inconvenience local residents the least.
Raha mila mpikarama vahiny maro dia maro hananganana ireny casinos Sy ireo tetikasa goavana rehetra heverina fa hampiakatra ny toe-karenantsika ireo ny goverinemanta, dia efa tokony noeritreretiny mialoha ny toerana hametrahana ireo vahiny ireo. Ny dikan'izany dia manangana tanàna ho an'ny vahiny any amin'ny toerana tsy mampanahy ny mponina indrindra.
Voalaza ao amin'ny gazety the Straits Times (amin'ny alalan'ny AsiaOne) moa fa miantso ny hamoram-pon'ny mponina voatery hitoetra akaikin'ny mpikarama avy any India, Thailandy ary Bangladesh ny fitondrana. Saingy nolazain'i George Yeo fa efa mieritreritra ny hanangana tanàna mitokana hitelina ny fiavian'ireo mpikarama be dia be ankehitriny ny goverinemanta.
Toherin'i Flying Low — mpamaham-bolongana tsy mitonona anarana, fa milaza ho mpiasam-panjakana -  ity hevitra ity :
Isn’t there some HDB [Housing Development Board] race quota implemented so that there will be no racial enclaves in Singapore? But it is ok to build a foreign worker enclave. Yes, isolate these foreign workers from Singaporeans. This is the obviously best way to encourage “Singaporeans [to] open their hearts to them“.
Moa ve tsy misy HDB [Drafi-pampivoarana ny fonenana] hamerana fiaviana (na foko) ao mba tsy hahatonga ny fisian'ny fiolonolonana eo amin'ny samy Singapaoreana ? Saingy ekena kosa ny hananganana faritra onenana ho an'ny vahiny. Eny e, saraho amin'ny singapaoreana ireo vahiny ireo. Izay mazava loatra no fomba tsara indrindra hanairana ny “ “hamoram-pon'ny Singapaoreana ho azy ireny“.…
Singapour: Tokony ho ankatoavin'ny fanjakana ho ara-dalàna ve ny varotra taova?
Misy adihevitra mafonja miainga ao Singapour : Tokony hankato ny varotra taova ho ara-dalàna ve ny governemanta ? Nanomboka tamin’ny volana lasa iny ny adihevitra raha voasambotra sy nampidirina am-ponja ireo tanora Indoneziana roa nikasa hivarotra ny voany tamina lehilahy mpanankarena mpanao afera iray tao Singapour. Ny asa famindràna taovan’olombelona dia “mandràra ny fanomezana taova, na rà ka sandaina takalo ” ao Singapour.
mr wang dia maneho mazava tsara ny resaka éthique ao anatin’ilay resaka:
“Ny tsindrian’ny éthique dia hoe ny varotra taova dia mety hitondra amin’ny fanararaotana ny mahantra sy hanimba ireo malala-tànana tsy dia mànana ny ampy loatra ara-tsosialy ary tsy manam-pidiny amin'ny fahafantarany an’izany.”
Mitàna ny laharana fahadimy eran-tany amin’ny vokatry ny aretin’ny voa (insuffisance rénale) i Singapour. Raha araka ny famakafakana iray, 3,500 raha kely ny olona tratry ny aretin’ny voa ao ; 600 amin’ireo ny ao anatin’ny lisitra famindrana taova. Nefa tsy maintsy miandry hatramin’ny sivy taona any ry zareo ireo mba hahazo avy amin’ireo mpanolotra aorian’ny fahafatesana.
I Blinkymummy dia mankasitraka ny fankatoavana ny varotra taova:
“Izaho manokana dia resy lahatra fa tsy dia misy antony loatra hanakànana ny varotra taova, raha toa ka tanterahana ao anaty fifanarahana voafaritra mazava tsara ny fifampiraharahana. Nahoana no amelana ho faty olona iray ao anatin’ny lisitry ny famindràna taova satria hoe ny fiankaviany na ny namany dia tsy misy manana voa mifanaraka amin’ny azy?
“Ny ambony indrindra ho an’ny mpividy sy ny mpivarotra, tokony hahafantatra tsara mihitsy ny zavatra mety hiseho ny roa tonta. Ary ny tsara toerana indrindra hitàna ny toeran’ny mpitsara dia ny fanjakàna. Satria izy faran’izay handaitra sy ho tsara amin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany izay fepetra ilaina. “
Nefa nanana fomba fijery hafa kosa ny mpamaky iray:
“Tena ho mpitsara marina tokoa ve aloha ny fanjakàna? Eny, raha any amin’ny firenena filamatra. Fa raha mbola tsy misy ny firenena filamatra, tsy mihevitra aho fa hoe ny famelàna ny fanjakana hanao ny asan’ny mpitsara dia tsy hitera-doza.
“Ao anatin’ny fivarotana taova, ny mahantra dia tsy ho afaka velively hanam-bintana  higoka fiainan-tsambatra ho azy manokana, fa dia fotsiny hoe afaka nisintona ny ankohonany hiala ao anaty fahantràna. Tsy everiko mihitsy hoe ny fanjakana no ho hanana fahafahana ara-moraly hitànana io toeran’ny mpitsara ny ho làlam-piainana io.”
Nametraka lahatsoratr'i Jennifer Yeo& Madan Mohan i Singapore Law Watch . Resy lahatra ireo mpanoratra fa ahazoana tombony ny varotra taova:
“Ny fanolorana taova, na dia hisy takalony aza, dia mety hahatsaratsara ny fiainan’ny andaniny sy ny ankilany izay samy tsy mahita làlan-kivoahana amin’ny olan’ny fahasalamana na ny fahantrana. Raha toa ny fanjakana – sy ireo tia manampy ny mpiara-belona aminy – tsy afaka manampy ireo mahantra mba hisedra ny olany, tsy tokony mihitsy hanangana sakana hafa indray ho azy ireny.
“Afaka mijoro ho mpitarika i Singapore sady manome ohatra tsara ho fiandohana ho an’ny fikambanam-be iraisam-pirenena mba hankato ny varotra taova. Manana ny fotodrafitrasa rehetra ilaina hanamoràna izany fandraharahàna izany ny Repoblika.
“Hevitra iray ny hametrahana rejisitry ny aretin’ny voa mba hanangonana sy hitiliana ireo mpanolotra sy ny mpila mba hahazoana antoka fa tsy nisy ny faneriterena, na fanararaotana. Fikambanana iray mpanao asa soa na fitantanana tsy miankina no afaka handray an-tanana izany sy ny rehetra manodidina azy toy ny fanekena an-tsitrapo mazava tsara, ny fiarovana ny tsiambaratelon’ny mpanome sy mpanolotra, ny filàna, ny momba ny fandaniana ara-pitsaboana, ny fiantohana, ny fanomezana tamby sy tombontsoa ireo mpanome, ny fianakaviany sy ny hafa aorian’ny famindràna”
Maro tamin’ireo soso-kevitry ny mpanoratra no nanana ny akony teo amin’ireo minisitra ao amin’ny governemanta izay nandefa tsilian-tsofina fa amin’ny hoavy dia hisy fepetra  haroso mba hahafahana manao ny varotra taova. Carpe Deim-Seize the day koa dia mino fa:
“ Afaka mijoro ho mpitarika i Singapour amin’ny fandinihana sy fametrahana rafitra afaka miantoka ny varotra taova ka hisian’ny fifandanjàna eo amin’ny filàn’ny isam-batan’olona sy ny sarambabem-bahoaka.”
Saingy manohitra  ny varotra taova ny Fikambanana ara-pahasalamana ao Singapour. Kianin’i Angry Doctor io fomba fijery io :
“I Angry Doc dia mahatsapa fa rehefa tompon’antoka amin’ny ara-moraliny manokana ireo mpitsabo, ary amin’ny maha-asa azy, ny éthique-ntsika dia mamela antsika hisafidy ny handray anjara na hisintaka amin’izay mety ho endrika iray fandraisana anjara amin’ny traitement, toy ny maha-mpiaro ny mararintsika, ny anjara andraikitsika rehefa sendra olana ara-pitsaboana dia tokony ho fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampianarana sy fanomezam-baovao. Tsy tokony hanandrana handositra andraikitra isika amin’ny fampiasana ny resaka moralin’ny mpitsabo sasany ho fanilihana (fialàna bala). “
Ireo mpitoraka blaogy avy amin’ny finoana Katolika dia mitsipaka ny varotra taova. A quiet moment dia nizara santionana vinavina avy amin’ny katolika :
“Ny taova iray nomena dia mety hanavotra aina iray nefa iza no handoa be? Mety ho voatampi-maso ny olona iray, voatery, voatsindry, naharay fandraviravizana na koa mety mihitsy novonoina mba hahazoana maka ny taovany, ho an’ilay mila izany.
“Mety hahazo ny fanazavana marim-pototra ve ilay marary, ary afaka hahatakatra hoe hanao ahoana ny ho fiainana aorian’ny fandidiana famindràna toy izay hiaina fiainana anaty nenina avy amin’ny rarin-tsaina (depression) sy aretina fahita aorian’ny fandidiana famindràna .”
Tsikerain’i Sze Zeng ny fivarotana izay rehetra mikasika ny aina:
“Ao amin’ny  varotra taova, ny famaritana hoe  ‘mpanome taova’ dia  toa fifanoheran-kevitra iray eo amin’ny sehatry ny varotra tsy misy fifamenoana fa  sandaina vola, ary tsy misy hoe mpanome fa tompony fotsiny izao, tsy hita taratra ao anatin’ilay fifandraisana ny fitiavana hanampy ny toa azy fa tena raharaham-barotra tsotra izao fotsiny. Ny mahasarika ho amin’ny fankatoavana ny varotra taova dia fitàran’ny fifampivarotana amin’ny ankapobeny manerana ny sehatra rehetra iainana andavanandro.”
Mampitandrina i Javert's World  fa ny dikan’ny varotra taova dia ho “lasa haraton’aina ho an’ny mpanana ary ho fandripahana ny mahantra.” Mpitoraka blaogy iray hafa no manamarika ny varotra taova dia tsy hanafoana ny tsenan’ny voa any amin’ny varo-maizina:
“Hanapa-kevitra hankato ny varotra taova ny governemanta ary hametraka rafitra feno sy manaraka lamina manaraka fomba fiasa lasitra, nefa tsy antoka hanafoana tanteraka ny varo-maizina izany. Sahala amin’ny mbola hisian’ny mpampanjana-bola na feno banky aza manodidina, na ahoana ireny filokana eny anelakelan-trano ireny no mbola miroborobo mifanindran-dàlana amin’ny filokana eken’ny lalàna.”
Nefa i CTW dia manazava fa :
“Ny fanànana fepetra fanaraha-maso maromaro momba ny varotra taova dia ahafahana misoroka ny mpanera tsy hanararaotra ireo lazaina ho mpanome. Tsy te-hilaza aho hoe zavatra tsotra kely izany fa ireo tomponandraikitra ao Singapour no tena  fatsora mahay mitady làlan-kidifiana.
Mampitandrina  ny amin’ny mety ho fandaniana volavolan-dalàna mikendry ny hanararaotana ireo firenena mahantra mifanolo-bodirindrina amin’i Singapour koa i Anders Brink:
“Rafitra araky ny lalàna manao akory moa ity, izay hananàn’i  Singapour lalàna hankatoavana ny fanararaotana ny mponin’ireo firenena mahantra manakaiky azy? Karazana hafatra toy inona no alefantsika ho an’ireo mpifanolo-bodirindrina amintsika?  Raha ny foto-dresaka, eo amin’io toerana io i  Singapour satria manan-karena izy, raha mahantra kosa ireo eo akaikiny. Raha rehefa manan-karena ianao, dia hiseho amin’ny hafa ho afaka manolotra lalàna fanararaotana (famoretana), mba ahoana no tianao hitondrana anao raha mahantra kosa ianao?
Ao anivon’ny resaka foana i Irana matetika satria izy irery eran-tany no firenena manaiky ny varotra voa (antsoin’ny Iraniana hoe ‘fizaràna taova’).
Fanamarihana iray nentin’ny mpamaky tao amin’ny blaogin’i  no maneho mivandravandra teboka iray:
“Heveriko ho zavatra iray lehibe notsinontsinoavina dia ny fiahiana ara-holistique (ny maha iray tsy mivaky ny zavatra iray tsy azo samantsamahana) ireo mpiara-belona amintsika tratry ny aretina mitaiza, ao anatin’izany ny marary tratry ny aretin’ny voa.
“Ireo marary voa manana fahasalamana marefo dia betsaka no avy amin’ny saranga tsy dia mahazo tombontsoa loatra amin’ny resaka sosialy sy toekarena. Amin’ny ankapobeny izy ireny dia manana tosi-drà avo na diabeta, nefa koa tsy afaka hiatrika ny hamafin’ny fikarakarana ara-pahasalamana ilaina mba hisorohana izay fahasarotana mety hitranga. Vokany, haingana sy aloha be ny fahatongavan’izy ireny any amin’ny tsy fahafahan’ny voany miasa ara-dalana intsony, izay ilàna fikarakarana amin’ny alalàn’ny dialyse.
“Ahoana ary no ataontsika hisorohana izany fahavoazana lehibe izany? Tena tsara lavitra ny misoroka  noho ny ‘mitsabo', toy ity tranga ity, ny famindrana voa dia tena voafetra, ary indrindra indrindra tsy taka-bidy. Nefa ny fisorohana koa lafo.
“Ny tena tokony ho fanontaniana izany dia hoe, hatraiza no fetra azon’ny governemanta hitondràna fikarakarana ny fahasalamana mora vidy ho an’ireo olona mila izany, nefa tsy afa-manoatra. Raha ny teti-bolam-panjakantsika natokana ho an’ny fahasalamana, tsy dia be loatra izany, raha mitaha amin’ny sehatra hafa toy ny fiarovana”
Raha mila fandalinana misimisy kokoa momba ny varotra taova (na ny fizahantany miharo famindràna) eran-tany, ny OMS dia manana fitaovana ho loharano tsara tokoa.
Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo
Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa.
Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna angovo fanolo. Niteraka hetsi-panoherana goavana tany Malezia sy Indonezia ireo fisondrotan’ny vidin-tsolika vao haingana teo Mitàna toerana lehibe eo amin’ny hamafin’ny olana ara-toekarena any amin’iny faritra iny, izay efa tandindonin’ny fiakaran’ny vidin-tsakafo sahady, ny fidangan’ny vidin’ny solika.
Miova ny fomba fiainana satria efa tonga saina amin’ny olana mikasika ny solika ny rehetra. I Tree Maple dia milaza fa hisy vondrona goavana mandàla ny tontolo iainana hijoro ao Singapour ato ho ato. Hampiasa betsaka ny loharanon’angovo azo avaozina izy io. i Tumelor kosa dia mamaritra ny tetikasan’ny fari-piadidian’i Bangkok hampiasa ny angovo azo amin’ny rivotra mba hamatsiana ny fanazavàna ireo vàla iraisan’ny daholobe (parcs publics).
Ny mpamokatra goavana indrindra thailandey amin’ireo zavatra fanjifa, Saha Group, dia nandroso drafitra iray ho fanalàna iray isan-jato amin’ny fanjifany solika amin’ity taona ity, amin’ny alàlan’ny fampiasana angovo azo amin’ny masoandro. Ho an’ny Rambling Librarian kosa indray, manantena izy fa indray andro any ny angovo azo amin’ny masoandro (sy ireo vatoaratra arifomba) dia hanome azy ny herinaratra ilainy amin’ny fitaovana fampiàsany ao an-tokantrano.
Ao amin’ny blaogin’i Asiabiofuels , voamarika fa any Indonezia, ireo orinasam-panjakana manana toeram-pambolena midadasika dia nanàngana vondrona mba hanorina ozinina famokarana biodiesel (solika ara-biolojika). Nefa toa miha-mitonbo ny fanoherana ny fampiasàna ny biocarburants manerana ny tany, ny mpitoraka blaogy The Poisoned dia manohana azy ireo. Fa i Orangutan Outreach kosa dia miampanga ny famokarana menaka voanio ao Indonezia, izay miteraka fifandirana anatiny, fifindran-toeran’ny olona manjary lasa tsy manan-kialofana, sy ny maty.
Manana toerana goavana aty amin’ny faritra ny géothermie, indrindra fa any Philippines sy Indonezia. Fanadihadiana iray no manazava fa “ireo firenena roa ireo dia tafiditra ao anatin’ny “ faribolan’ny afon’ ny ” Pacifique, faritra iparitahan’ny volkano etsy sy eroa ary toeram-pitrandrahana goavana indrindra maneran-tany amin’ny resaka géothermie (angovo azo amin’ny hafanan’ny tany ary ve ity?????).”
Mampitandrina antsika ihany anefa i The Asia Tomorrow mikasika ny sàkana mety hosedrain’ny fivoaran’ity géothermie ity :
Sàkana maro no manelingelina ireo tetikasa goavana maro amin’ny faritra hafa. Fandavàhana marobe no tsy maintsy apetraka mba hitrandrahana araka izay tratra ny fanambanin’ny tany ka hanatràrana ny rano mafàna (mivaivay) sy ny entona mafàna ilaina amin’ny fanodinana ireo turbine hamokarana angovon’aratra. Andanin’izany, ny fahazoana-dàlana takiana hahafàhana manangana ireny tetikasa ireny dia efa manataraiky azy. Ireo volkano tsy mbola levona dia manana tahan’asidra avo tokoa, izay mitarika fahalovan’ny fitaovana fitaterana ilaina mba hampiasàna ny géothermie.
Nanamarika kosa anefa ny mpanoratra ity hafatra ity fa ny tambin’ny fitrandrahana ny géothermie dia mora lavitra :
Na dia lafo aza ny fandavàhana sy ny fanangànana loharanon’angovo (générateur) raha ampitahaina amin’ireo fomba hafa entina mamokatra angovo, tsy raisina amin’izany ny fotoana fitiliana, dia ny fikarakarana sy ny fanodinana foibe géothermique iray no mora kokoa. Mila manisa fito na valo taona any ho any manomboka any amin’ny tetikasa géothermique ka hatrany amin’ny tena fanodinana azy. Ny sàndan’ny fanaovan-dàlana any amin’ny faritra mitoka-monina dia efa isan’ny olana. Ny fananam-pitokisana amin’ny « crédits carbone » dia efa mitondra tsirim-panantenana amin’ny fampiasàm-bola amin’ireny tetikasa ireny, ary mety hahafàhana sahady mamatsy amin’ny ampahany ny vola ho enti-miainga.
I Thaïlande, Vietnama ary Indonezia dia samy misaintsaina ny hampiasa angovo nokleary. Misy fiaraha-miasam-paritra iray momba ny olan’ny fahazoana antoka nokleary (sûreté nucléaire) noraisin’ireo firenena ireo tsy ela akory izay, miaraka amin’i Shina, Korea atsino ary Japana. Nefa kosa i nomad4ever dia mitsipaka ny hanangànana foibe nokleary any Indonezia :
Mba hanohànany ny firoboroboan’ny toekareny, i Indonezia dia maminavina ny hanangana foibe nokleary miisa efatra hatramin’ny taona 2025. Ambara fa ny fanangànana foibe nokleary dia hanàla ny fiankinan-dohan’ny firenena amin’ny angovo azo avy amin’ny fossiles toy ny solika na ny arintany, nefa hahafahàna mamokatra mora foana ny herinaratra ilaina. Fa mitranga ny fanontaniana : nahoana no any amin’ny faritra be volkano sy lasibatry ny horohorontany, tratry ny safo-drano sy ny tsunamis no atsangana ireo foibe nokleary? Tsy nisy safidy hafa mihitsy ve ? Ny géothermie angamba dia safidy iray azo nizorana ary miaro ny tontolo iainana, izay afaka manampy an’i Indonezia hamaly ny filany ara-angovo tsy mitsaha-mitombo sy manatsara ny fijerin’ny hafa azy manoloana ny fiakaran’ny hafanan’ny tany, ivelan’ireo teny nandritry ny fihaonam-be tany Bali.
I Bellamy Budiman koa dia manohitra ny fanangànana foibe nokleary, ary manindraindra ny fampiasàna ny angovo entin’ny rivotra ho solon’izany:
Raha tena miasa loha marina momba ny olana ara-angovo ny governemanta, dia tokony mba hanao dingana kely izy mba hampivoàrana ny angovo azo avaozina. Raisintsika ho ohatra ny angovo azo amin’ny rivotra. Manana rivotra betsaka isika eto amin’ny tanintsika. Raha mba manao ezaka mametraka ireny milina mpanome herinaratra avy amin’ny rivotra ireny isaky ny tanàna ny governemanta, dia mino aho fa hisy ampahany amin’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra ho foana.
Tena hadalàna ny eritreritra hanangana foibe nokleary eto amin’ny firenena. Satria na dia ny olana tsotra ateraky ny fako sy ny fifamoivoizana aza tsy mbola hay ny mamaha azy, tsy hitako hoe inona no antony hanangànana foibe nokleary. Toa efa azoko an-tsaina sahady ny Tchernobyl amin’ny endrika vaovao, Hiroshima sy Nagasaki. Tsy mampiasa baomba, mazava ho azy. Tsy misy ilàna an’izany akory, satria dia hipoaka ho azy amin’ny tenany eo ilay izy. Na ny firenena vaventy aza efa miala amin’ny nokleary.
Ny Blog of Bobby, ao Brunei, dia mandroso tolo-kevitra :
Vahaolana iray azo irosoana ny fampiasana ny haitao hita anatin’ireny boky mitantara nofinofy ireny (l'utilisation de technologies de romans de science–fiction), izay mbola amin’ny sehatry ny fikarohana, nefa kosa tsy mbola tonga amin’ny fotoana azo amarotana azy (qui sont l'objet de recherches, mais ne sont pas commercialement viables). Isan'ny tena safidko amin’izy ireny ny fusion (fanakambanana) , ny Cold fusion (fanakambanana amin’ny fomba mangatsiaka???), sy ny zero point energy (???). Ny fanakambànana ara-nokleary no tena mpirotsaka antsehatra goavana indrindra, nefa sady mamokatra angovo betsaka izy ny mitroka ihany koa.
I Sarawak Headhunter dia manoratra, mikasika indrindra ny entona voajanahary:
Sarawak dia mahita angovo fanolo goavana azo aroso : ny entona voajanahary. Araka ny Sampan-draharaha momba ny fampandrosoana any Bintulu, dia manana tahirin’entona manodidina ny dimy alina milliards metatra toratelo eo ny firenena rehefa atambatra.
I mogLie's recycled ramblings dia misiisika mafy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitsitsiana angovo :
Angamba dieny ankehitriny izao dia efa tokony ho haintsika fa tsy angovo azo avaozina akory ny solika, ary raha tsy vitantsika ny mitsitsy angovo, dia ho voafandrika ihany isika. Tsy hoe dia efa saro-tahotra diso tafahoatra aho fa tokony mba hanova fomba fisaina isika ary mandinika fa efa tamin’ny andro fahiny izany solika natao fafy kàtrana izany. Efa iadiana izao ny fitrandrahana solika (na entona) tsy dia manao ahoana, ary ny loharanon-tsika amin’ny ho avy dia ho avy any anaty rano lalina any.
Singapore : Tsy Shina velively
Tankona tsy nahateny i Arzhou namaky fa araky ny birao iray misahana ny hetra any Amerika [USA] dia isan'ny faritanin'i Shina i Singapore :
Amazing how this common misconception is so prevalent, even at the USA government level.
“Mahazendana ny fihanaky ity hevi-diso ity, eny hatramin'ny sehatry ny gôvernemanta Amerikana akory aza.”
Azia Atsimo Atsinanana : Ireo tetezana lava indrindra
Ny mpiblaogy Pisanu monina any Bali, Indonezia dia mitatitra ao amin'ny blaogy Bisean mikasika ireo tetezana lava indrindra any Azia Atsimo Atsinanana :
« Southeast Asia is home to some of the world’s longest bridges. In our attempt to speed up economic advancements, bridges also narrowed the gaps of cultural differences between our peoples. I dream of a Southeast Asia connected by bridges where I can drive from Burma to the Philippines, from Indonesia to Vietnam. »
« I Azia Atsimo Atsinanana dia ahitana ireo tetezana isan'ny lava indrindra eran-tany. Tamin'ny fiezahantsika hanafaingana ny fandroson'ny toekarena, ireo tetezana dia nampifandray ireo kolo-tsain'ny firenentsika nisarantsaraka taloha. Nofiko indray andro any ny hamakivaky an'ny Azia Atsimo Atsinanana izay norohin'ny tetezana manontolo, ahafahako mandeha fiarakodia avy any Myanmar ka hatrany Filipina, avy any Indonezia ka hatrany Vietnama. »
Preetam Rai