· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Jona, 2013

Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

  30 Jona 2013

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny "fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra" izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i Singa.

TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

GV Mpisolovava  01 Jona 2013

Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.