Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Desambra, 2012
Singapore: Fametraham-Pialàn'ny Filohan'ny Parlemanta Noho Ny Resa-Betaveta
Nametra-pialàna i Michael Palmer, Filohan'ny Parlemanta, rehefa avy niaiky ny fanànany raharaha maizina ivelan'ny tokantranony. Vara-datsaka ho an'i Singapore ilay fametraham-pialàna, nahatonga ny tontolon'ny fitrahana bilaogy hafanafanan'ny sahoan-dresaka samihafa.
Lavin'ireo Mpikatroka Mafàna Fo Ilay Fanambarana Momba ny Zon'Olombelona Any Azia Atsimo Atsinanana
Fikambanana mpiaro zon'olombelona maherin'ny 50 avy any Azia Atsimo Atsinanana no namoaka fanambaràna iray manakiana ny fanabaribariana ilay Fanambaràna momba ny Zon'Olombelona novolavolain'ireo firenena folo ao anatin'ny Fikambanan'ireo Firenena Any Azia Atsimo Atsinanana. Nony navoaka ho fanta-bahoaka ilay fanambaràna tamin'ity volana ity, dia nolavin'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona any amin'ny faritra avy hatrany noho izy nambara ho miaty andàlana mandiso ny zo iraisana erantany amin'ny resaka fiarovana zon'olombelona