· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Novambra, 2010

Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy

  20 Novambra 2010

Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny mponina manoloana ny fitombon'ny herisetra ataon'ireo jiolahy tato anatin'ny herinandro maromaro izao. Tanora avy any Singapore anelanelan'ny 14-20 taona am-polony...

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

  07 Novambra 2010

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.