· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Oktobra, 2010

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

  17 Oktobra 2010

Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.

Azia Atsimo atsinanana : Mitoraka bilaogy momba ny baolina kitra

  02 Oktobra 2010

Betsaka ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo atsinanana izay manome vaovao lehibe farany sy ara-potoana mikasika ireo lalao baolina kitra sy ny fandaharam-potoana any amin'ny faritra. Ireto misy lisitr'ireo bilaogy mikasika ny baolina kitra any Azia Atsimo Atsinanana izay mifantoka kokoa amin'i Vietnam sy i Kambodja .