· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Novambra, 2011

Filipina : Nosamborina Ilay Filoha Teo Aloha

  23 Novambra 2011

Ilay Filohan'i Filipina teo aloha Gloria Arroyo dia napetraka eo ambany 'fanaraha-maso ao amin'ny hopitaly' taorian'ny niampangana azy tamin'ny fanakorontanana fifidianana. Fanehoan-kevitra anaty aterineto maro no nahatonga ilay tenifototra #ArroyoArrest ho iray amin'ireo lohahevitra malaza indrindra eran-tany.

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

  13 Novambra 2011

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny "sasany"- sa tokony hoe "ny maro" no ho teneniko - amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.