Tantara mikasika ny Filipina tamin'ny Aogositra, 2011
Filipina: Firohotana Mihàza Katsatsaka Tokay
Volana vitsy lasa izay, ny fihazàna ny Katsatsaka Tokay na Tuko amin'ny fiteny Filipiana dia lasa irohotana tokoa ao Filipina, noho ny tatitra mandeha fa hoe vola be no ividianan'ireo mpivarotra amin'ny alalan'ny aterineto ireo katsatsaka. Nanomboka ny fihazana rehefa niely ny tsaho fa afaka manampy amin'ny fitsaboana ny aretin'ny fahasemporana sy ny VIH/SIDA ny katsatsaka.Vao haingana izy ity no naharihary ho tena fitaka sy hosoka.
Filipina : Tabataba Noho Ny Haratsian'ny Endriky Ny Manila Zoo (Toerana Fitehirizana Biby)
Ny haratsian'ny endriky ny Manila Zoo dia nahatonga fahatairana teo amin'ireo Filipiana mpampiasa aterineto taorian'ny sary izay nalefa tamin'ny aterineto, vokatry ny fiakaran'ny teny fanalahidy “Manila Zoo” ho lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny volana lasa teo. Nanomboka ny fiantsoana mba hanajanona ny vinavina haka biby maro ho ao amin'ilay valanjavaboary.
Filipina: Fiankohofana Amin'ny Tany Ho Fanoherana Ny Fanenana Ny Vola Ho An'ny Fampianarana
Mpianatra an'arivony no nidina an-dalam-be tao Filipina ny 19 Jolay 2011, mangataka ny fampiakarana ny teti-bola ho an'ny fampianarana avy amin'ny Filoha Noynoy Aquino andro vitsivitsy monja talohan'ny fanambarany ho an'ny firenena. Nampiasa ny fiankohofana amin'ny tany ireo mpianatra mba hanehoan'izy ireo ny alahelony.