Tantara misongadina momba ny Philippines
Mitondra VIH mamaham-bolongana: Mbola azo atao ny mitia
Na dia sarotra aza ny miresaka malalaka momba ny VIH/SIDA, dia mitombo hatrany ireo mpamaham-bolongana manerantany mireska ny fomba fiainany mitondra ny tsimok'aretina.
2009-10-05
Filipina: tondra-drano namoa-doza indrindra tanatin'ny 40 taona

Olona 50 mahery no maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza "Ondoy" (Kestana) nahazo ny faritra any Manille sy ny manodidina azy rehetra. Niteraka tondra-drano mbola tsy nisy toa azy tato aantin'ny 40 taona ity rivo-doza ity ary olona 280 000 no nafindra toerana tany Manille sy ny faritra 5 hafa, olona ...
2009-10-03
Azia sy Oseania: Lahatsarin'ny vokatry ny loza voajanahary
tondra-drano
Tao anatin'ny herinandro monja dia horohorontany, tsunami ary rivodoza isan-karazany no nandòna ny firenena maro any Ôseania, Azia atsinanana sy Azia atsimo atsinanana.
Tany amin'ny lahatsoratry ny Global Voices (teny anglisy) tany aloha tany no efa nampahalala antsika tamin'izay nitranga tany Thailandy, Kambodza, Laos, Philippines, ary Vietnam tamin'izay nafitsoky ny rivodoza ...
2009-09-30
Filipina: Arahi-maso ny Artistan'ny Firenena
Vao nanamafy ny Tafika an-dranomasina Filipiana fa iray amin'ny olony mizatra tena amin'ny fanaraha-maso ilay lehilahy tratra tamin'ny 17 Septambra nihaodihaody ny tranon'i Bienvenido Lumbera, poeta nahazo loka, mpilalao teatra, mpandalina literatiora ary solontenan'ny Artista ao amin'ny firenena.
2009-09-17
Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”
Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...
2009-08-07
Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana
Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny.
Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny ...
2009-07-30
Mpandresy tamin'ilay fifaninanana horonantsary momba ny Demokrasia
Inona no atao hoe Demokrasia? Izany no fanontaniana nezahan'ireo mpandray anjara maherin'ny 900 novaliana tamin'ny alalan'ny horonantsarin-dry zareo, ho valin'ny Fifaninanana Horonantsary momba ny Demokrasia nokarakarain'ny Departemantan-panjakana Amerikana sy mpiara-miasa maro hafa, misokatra ho an'ny mpandray anjara maneran-tany. Tamin'ny alalan'ny fantsona YouTube-ndry zareo, ny olona dia nandefa ireo horoantsarin-dry zareo izay mameno ilay fehezanteny hoe "Ny Demokrasia dia..."
2009-05-24
Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!
Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr
Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany dia fahazàrana ny mankalaza ny renintsika amin’ilay andro miavaka iray: ny Fetin'ny Reny. Na dia miovaova aza ny daty ankalazana azy ...
2009-05-22
Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana
hunger
Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo ...





