The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Myanmar (Burma) Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Myanmar (Burma)

2007-10-13

Myanmar : Ezaka fanalam-baraka ireo mpanokatena

Ny blaogy New Mandala [Anglisy] dia manome rohy amin'ny lahantsoratra izay navoaky ny gazety Birmana fehezin'ny fitondrana jadona miaramila izay miezaka manala-baraka ireto mpanokatena. Tsahivina fa ireo mpanokatena ireo no tena loha-laharana tamin'ny fikomiana izay nitranga tany an-toerana. « Misy vehivavy matory ao anaty trano fonen'ireto mpanokatena sady nahatrarana ...

2007-10-08

Myanmar : Miverina miandalana ny aterineto

Miverina mandeha miandalana ny aterineto any Myanmar araky ny nambaran'i Nyein Chan Yar tao amin'ny blaoginy [Anglisy sy Birmana], mandritra ny 6 ora amin'ny alina. Na dia izany aza, ireo adiresy sasany toa ireo izay ampiantranoan'i blogger.com (blogspot) dia mbola tapaka ihany. I Prachatai kosa dia manaparitaka amin'ny alalan'ny blaoginy ...

2007-10-04

Mianomara, Fijery avy ao Anatiny

 Ny tranokala Birmana Underground [anglisy] dia namoaka tantaran'olona anankiray monina any Birmania, manoritra ny zava-nitranga tany hatramin'ny fiatoan'ny fifandraisana amin'ny aterineto. Manazava ny raki-tsary nandeha tamin'ny CNN androany 3 oktobra kosa i Yangon Thu mampiseho ny famoretana tany Mianomara.   Preetam Rai

2007-10-02

Myanmar: Lisitry ny voatazona sy taratasy avy amin’ny mpiasa ao amin’ny zenerasiona 88

Nahazo lisitra misy ny anarana sy ny fikambanana nihavian’ireo mpitokatena sy sivily mihoatra ny 300 izay nosamborin’ny fitondrana miaramila eto Myanmar ny mpibilaogy Niknayman. Maro amin’ireo nosamborina ireo no avy amin’ny Mandatehezam-pirenena ho amin’ny demokrasia, antoko tarihin-dramatoa Aung San Suu Kyi (izay efa nahazo ny loka Nobel ho amin’ny fandriampahalemana ...

Myanmar: Te-hampihendanja ny mpanokatena ny miaramila

Ny Feo demokratikan'i Birmania (DVB), fikambanana mpamoaka vaovao tsy mikatsaka tombotsoa, hany ahenoana ny vaovao avy ao Myanmar mbola maratra amin'izao fotoana izao no mitantara fa miezaka ny hampitsahatra ny fiainam-pahamasinan'ny mpanokatena ny miaramila. Some 300 monks who were arrested a few days ago were delivered to a garage just out ...

2007-10-01

Korea: Myanmar sy Korea

Inona no eritreretin’ny Koreana amin’ny toe-draharaha any Myanmar ? Mahaliana fa hitan’ny mpibilaogy ho mifandraika amin’ny tantaran’i Korea ny zavamisy any ary tahaka ny mifamatotra amin-dry zareo ilay firenena..Mampahatsiahy an’ireo mpibilaogy izay efa niainan-dry zareo tany Korea tamin’ny taona 1980 tany ho any ny zavamisy ao Myanmar ankehitriny. Lasa manana toerana ...

2007-09-29

Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila

Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho ...

2007-09-28

Japàna: Mpaka saringajety Japoney maty tany Myanmar

Nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 27 Septambra, dia maty noho ny tifitra ny mpaka saringajety Nagai Kenji raha mbola teo am-panaovana ny asany izy ka nitatitra ireo zava-mitranga any Myanmar. Tamin'ny voalohany aloha ny tatitra dia nanambara fa mety ho « bala tsinahy » no nahakasika an'i Nagai, raha nanomboka nitifitra ireo ...

Myanmar ny andron'ny 26 septambra

Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra : Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary.   Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana nalefan’ny mpibilaogy ...