Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Mey, 2013
Myanmar: Nandresy An'i Lady Gaga i Suu Kyi Tamin'ny Fitsapan-kevitry Ny Gazetiboky ‘Time Magazine’
Voafidy ho olona tòteny indrindra tanatin'ny roapolo taona ho an'ny Time Magazine i Aung San Suu Kyi ny 17 Aprily 2013. Nandresy an'i Lady Gaga tamin'ny salan'isa 61 isanjato amin'ireo latsabato rehetra izy. Taorian'ny fandreseny rehefa nifarana ny latsa-bato, vahoaka maro no nizara ny hafaliany sy ny fankafizany tao amin'ny Facebook.
Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao
Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"