· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Novambra, 2012

Sempotry Ny Orok'i Obama i Myanmar

An'arivony ireo olona niarahaba ny fitsidihana nataon'i Barack Obama noho izy nanoratra ny tantara amin'ny maha-filohan'i Etazonia voalohany azy nanitsaka ny tany Myanmar. Resahan'ny olona ny kabariny, ny politikany ary indrindra indrindra fa ilay oroka nomeny an'i Aung San Suu Kyi, lehibe mpitarika ny mpanohitra. Nampiasa ny tenifototra #Oburma mba hanaraha-maso ny fivahinianan'i Obama any Myanmar ireo mpikirakira aterineto.

Saritaka Noho Ny Fifanekena Hametrahana Biraon'ny Fikambanan'ny Firenena Silamo Any Myanmar

  03 Novambra 2012

Nahatonga ny firenena sy fikambanana islamika iraisampirenena maro hanolo-tena hitady vahaolana amin'ny famahana olana sy hanampiana ny niharam-boina ny rotaka tamin'ny volana jona tany andrefan'i Myanmar mahatafiditra ny Rohingyas sy ny Rakhine. Nanome soso-kevitra tamin'ny hametrahana birao maharitra any Myanmar ohatra ny Fikambanam-Piarahamiasa Islamika (OIC). Niteraka fanoherana mivaivay nanerana ny firenena izany...