· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Janoary, 2012

Myanmar: Mahafinaritra Ity Zoma 13 Ity

  17 Janoary 2012

Noporofoin'ny Filohan'i Myanmar Thein Sein fa tsy misangy ny governemanta amin'ny fananganana ny demokrasia tamin'ny alalan'ny fanafahana ny gadra politika rehetra androany. Araka ny vaovao notaterin'ny fahitalavim-panjakana, mpanohitra 651 no navoaka ny fonja. Heverina ho toy ny dingana lehibe mankany amin'ny lalan'ny demokrasia ao Myanmar ny fanafahana ireo gadra politika malaza ireo. Anisan'ny...

Azia Atsimo Andrefana : ny tondra-drano goavana indrindra tamin'ny taona 2011

  12 Janoary 2012

Namely ny faritra Azia Atsimo Andrefana ny ora-mikija tamin'ny taona 2011 ary niteraka tondra-drano tamin'ny firenena maro, voatery nafindra toerana ny mponina sy mpiasa aman'arivony maro, potika ny fambolena an-tapitrisany, ary namono olona maherin'ny 2 000. Afaka nitatitra ny vokatr'izany tondra-drano namotehan-javatra izany ny Global Voices tamin'ny taon-dasa. Thailandy Nanondraka...