Tantara misongadina momba ny Myanmar (Burma)
Myanmar: Pôlitika vaovao mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH
Ny Ministeran'ny Fahasalamana any Myanmar dia mitaky ny fisoratan'anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH raha te-hiasa any an-toerana ireto farany. Matahotra ny sasany sao dia ampiasaina "hifehezana" na hanimbana ny fahaleovantenan'ireo vondrona mpilatsaka an-tsitrapo any Myanmar ity pôlitikan'ny governemanta vaovao ilàna ny fisoratana anaran'ireo vondrona miady amin'ny VIH ity.
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ...
2009-08-11
Myanmar(Birmana): Bodista tafintohina tamina sarina mpilalao sarimihetsika
Sary iray manafintohina ahitana mpilalao sarimihetsika iray miaraka amin'ny namany miankanjo rebareba saffron no nisy nametraka tao amina blaogy birmana malaza iray, nampisafoaka ny fiombonamben' ireo mpitoraka blaogy birmana. Tan, mpanoratra ao amin'ny GV no nandika ity lahatsoratra ity avy tamina blaogy Birmana.
2009-08-07
Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana
Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny.
Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny ...
2009-06-05
Myanmar: Rava ilay fiangonana bodista manan-tantara
Nirodana nandritra ny asa fanavaozana azy ny fiangonana bodista iray, olona 5 farafahakeliny no maty ary mpiasa sy mpanao fivahinianana masina maro no naratra.
Ny fiangonana ao Danoke taorian'ny fianjerany (New Era Journal)
Any ampitan'ny reniranon'i Yangon ao amin'ny kaomina Dala, faritra Rangoun, no misy ity fiangonana ao Danoke ity, fiangonana manana ...
2009-05-17
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...
2009-05-09
Myanmar: rivo-mahery vaika nandrava an'i Mandalay
MgHla no nanoratra tamin'ny 6 May 2009 fa nandravarava an'i Mandalay, renivohitra fahatelo any Myanmar ny tadio.
Sary avy amin'ny bolongan'i MgHla
Hoy izy nanoratra:
“After I attended a seminar, I came back to the office around 4pm. On the way, I saw that there was a whirlwind of wind, and there were ...
2009-03-09
2009-01-16
Myanmar:Mpanao fihetsiketsehana sivy no voasambotra nandritra ny fidinana an-dalambe
Tsy taona vaoavao mahafinaritra tamin’ireo sivy mpikambana ao amin’ny National League for Democracy izay voasambotra teo akaikin’ny Parlemanta izay natsangana ao Rangoon, tany Myanmar tamin’ny talata (30 desambra) lasa teo raha teo ampangatahana ny fampiarana ny demokrasia amin’ny endriny Aung Sam Suu Kyi
2008-09-23
Herinandron'ny fampahalalana ny moana marenina: fomba hafa hampitan-kafatra
Moa fantatrao fa maro amin'ny moana izay mampita hevitra amin'ny alalan'ny fipeliky ny tanana, no mihevitra io fipeliky ny tanana io ho fiteniny voalohany ary ny teny voasoratra kosa ho fiteniny faharoa? Tsy nahalala aho manko fa soa ihany fa nahita ireo lahatsary ampolony nasehon'ny avy ao amin'ny fikambanan'ny moana ...





