Global Voices teny Malagasy » Malaysia
Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano
Noho ny habeny sy ny toerana misy azy,i  Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia.
Ny fifanarahan'ny 1961 provides ny fivarotana galonan-drano tsy voadio 350 tapitrisa isan'andro amin'ny vidiny 3 cents Maleziana ny 1,000 galona. Nanaiky koa i  Singapore fa hamatsy an'i  Johor (fanjakana Maleziana iray ao akaikin'i Singapore) isan'andro amina rano voadio amin'ny sanda  50 cents ny 1,000 galona. Hifarana amin'ny 2011 ity fifanarahana ity.
Ny fifanarahana tamin'ny 1962 dia nanome alàlana an'i Singapore hisintona rano tsy voadio avy amin'ny reniranon'i Johor. Ho setrin'izay, mahazo famatsiana rano voadio isan'andro avy any Singapore i  Johor. Fifanarahana manan-kery mandritry ny 99 taona.
Hifarana ilay fifanarahana voalohany amin'ny 2011, Dr. Mahathir Mohamad,  Praiminisitra teo aloha  dia manontany ao amin'ny blaoginy be mpanaraka tokoa raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika momba ‘ilay fifanarahana mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa:
Tsy lavitra mihitsy ny 2011. Efa nihevitra ny hanalava na tsia  ny fifanarahan'ny 2011 ve isika na hamerina hidinika fifanarahana vaovao iray momba ny rano? Hanao mahantra be fiantrana eto indray ve isika ka hivarotra rano tsy voadio amin'ny  3 cents ny 1000 galona ho an'ny mpanankarena mifanolo-bodirindrina amintsika?
Ny be fiantrana sy tsy be fanontaniana manindritsindrona dia làlana iray tsara ahazoana sakaiza. Nefa kosa mitondra inona amin'ny vahoakan'i Malezia.
Kent Moo, mpitoraka blaogy, dia manamarika ny mpitondra teo aloha dia nanainga “onjan'eso momba ny resaka fivarotana rano amin'i  Singapore, ary izany fomba fanao izany dia mandrendrika ny mpandimby azy, Abdullah Ahmad Badawi.”
Ny hafatra nampidirin'i Mahathir ao amin'ny blaoginy, toy ny mahazatra, dia niteraka fanamarihana maro. i Abang Din dia mankasitraka ny famerenana indray ny dinika momba ny tolotra rano:
Tsy dia mifanaraka loatra amin'ny tokony ho izy ny hanohizana mamatsy rano tsy voadio an'i Singapore raha tsy mifanaraka velively amin'izany ny tombontsoa azo avy aminy. Asa fandraharahana no ataontsika eto, dia aleo ho asa fandraharahana tokoa. Mazava loatra fa tsy maintsy mijery ny fifandraisantsika amin'i Singapore isika, nefa tsy ao anaty safidy kosa ny hanohy fifanarahana sadasada tsy misy dikany.
Antenaiko fa hijery akaiky an'io olana io ny governemantan'i Malezia mba tsy hanome laza ratsy ny vahoakan'i Malezia. An'ny Maleziana rehetra ny rano tsy voadio, noho izany kendreho ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra.
Ifanonline koa dia mihevitra fa ny vidin-drano hotapahana mandritry ny fifanarahana dia tokony hahitàna taratra ny sanda mihatra eny an-tsena amin'izao fotoana
Fahatsapana faran'izay tsotra iraisan'ny rehetra io. Na iza na iza doa tokony hahafantatra daholo fa raha misy fifanarahana vaovao hivarotana rano amin'i Singapore, dia tokony hisy vidiny vaovao mifanaraka amin'ny hita eo amin'ny tsena amin'izao fotoana. Malezia sy Singapore dia afaka miresaka ara-pomba diplaomatika momba io resaka rano io hahatongavana amina fifanarahana momba izay ho vidin-drano vaovao. Tsotra be izany izao, rehefa tsy lanin'ny vavonin'i Singapore ny vidiny, i Malezia kosa tsy tokony ho be filirony ka hivarotra ny rano amin'ny vidiny varoboba.
Weesg dia mino hoe vahaolana tsy mitanila io raha toa ka tsy havaozina ilay fifanarahana voalohany mba hahaizan'i Singapore mianatra mizaka tena.
Manontany aho hoe nahoana no mipongatra izany ankehitriny. i Singapore efa nanao tsilian-tsofina fa hanadaboka ilay fifanarahana voalohany momba ny rano amin'ny 2011. Rehefa mahatsapa i Malezia fa tsy izy mihitsy ny vidin-drano, ary i Singapore kosa faly hanadaboka ny fifanarahana, tsy tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany ve izany? Raha tsy manana ranoVOADIO sahaza i  Singapore aorian'ny 2011, an'i Singapore manokana izany, sa tsy izany? Toy ny olona iray mikikitra mively soavaly maty.
Izany eo ihany, faly aho hoe nandà ny tsy hanalava ilay fifanarahan'ny 2011 i Malezia. Tsara ho an'ny firenena roa tonta izany. Afaka mianatra mizaka tena koa i Singapore.
Tsara ny hampahalalàna ny olona fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana (dia fifanarahana). Mianara manaiky an'izay. Fidio am-pahendrena ny mpitondra anareo.
Ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Fifandraisana sy ny Zavakanto any Singaporedia namoaka  bokikely iray tamin'ny 2003 mba ho fanampim-panazavana momba ny resaka manodidina ny fifanarahana rano   Malezia-Singapore. Ao anatin'io bokikely io, Singapore dia manindry mafy fa mifandanja tsara ny fifanarahana tamin'ni Malezia raha ny tolotra rano no atao resaka.
Ny olana momba ny rano tsy resa-bola fotsiny fa ny fisian'i Singapore ho firenena manana fiandrianana mihitsy. Ireo Fifanarahana momba ny Rano dia tafiditra ao anatin'ny Fifanarahana Fisintahana izay miantoka ny maha firenena manana ny fiandrianany an'i Singapore. Raha azon'i Malezia ovàna araka izay itiavany azy ny votoatin'ny Fifanarahana momba ny Rano, dia mampametra-panontaniana koa ny momba ny fizakantenan'i  Singapore. Izay no tena fototry ny fifandirana.
Ny olana dia tsy ny hoe ohatrinona no alohantsika, fa ny hoe ahoana no fomba nanapahana ny fanitsiana ny sanda. Ny Fifanarahana momba ny Rano dia ahitàna andalana manokana mikasika ny hoe rehefa fotoana manao ahoana no azo anitsiana ny sandany ary ahoana no hikajiana ny fanitsiana. Ny fanitsiana ny sanda dia tsy araka izay maha-diavolana ny fon'ny andaniny na ny ankilany manokana. Raha toa MAlezia faka manova samirery ny votoatin'ny fifanarahana nekeny an-tsitrapo, aiza ny hasin'ireo fifanekena? Izay fifanarahana amin'ny ho avy rehetra hataontsika miaraka amin'i Malezia dia tsy hisy hanana ny lanjany.
Rajan Rishyakaran dia manakiana an'i Mahathir avy any Malezia ho nampikatso ny fifampidinihana teo amin'i Singapore sy Malaysia
Nahoana i  Singapore no tokony hanaiky handoa vola bebe kokoa amin'ny rano raha tsy mahazo na inona na inona ho tambiny ry zareo?
Ekena tanteraka, na tamin'ny vidin'ny rano tsy voadio tamin'ny andron'i  Mahathir aza, mbola mora kokoa ny vidin'ny rano tsy voadion-dry zareo Maleziana raha mitaha amin'ny fizakan-tena: saingy ny hilefitra amin'ny fangatahan'i Mahathir dia fiandohana ohatra ratsy any  Singapore. Noho ny tsy fahaizan'i Mahathir mitady marimaritra iraisana, ny fanaovan-javatra tsy amim-piheverana sy ny tsy fananany faharetana miaraka amin'i  Singapore, samy maty antoka izao i  Singapore sy Malezia.
Ny fiankinan-dohan'i Singapore amin'ny rano hafarana dia nanery azy hanamafy ny teknolojia vaovao mba hamokarana ny filàny manokana ara-drano. Nanangana ny  NEWater (avy amin'ny ranony efa niasa) izy ary tsy ela akory izay dia nanangana ny  ozinina lehibe indrindra any Azia ho fanasarahana ny rano sy ny sira avy amin'ny ranomasina.
Azia atsimo atsinanana: ny aterineto sy ny fitiavan-tanindrazana
Miha-mampiasa ny aterineto hanaovana fampielezakevitra ny vondrona tia tanindrazana isan-karazany any Azia Atsimo Atsinanana. Na dia ny mpitondra politika aza dia mampiasa araka izay tratra ny serasera hampiroboroboana ny firaisan-kina sy ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny fireneny.
Mandrisika tokoa izany fironana izany rehefa manome fahalalahana ny olom-pirenena tsotra haneho ny fifikirany amin'ny vondrom-piaraha-monina lehibe misy azy. Maro koa anefa ireo antoko tia tanindrazana tery saina miditra an-tsehatra manimba ny firaisan-kinan'i Azia Atsimo Atsinanana.
Angamba ny vohikala miteraka adihevitra indrindra any Indoshina amin'izao fotoana izao dia ny  ilovethailand.org na tiako i thailand. Natsangan'ny praiminisitra Thailandey io vohikala io mba hampiakatra ny lazan'ny firenena. Ny tanjon'ny vohikala koa moa dia ny manambatra sy mampahazo hevitra ny Thailandey izay maro no tsy faly amin'ny fifandroritana ataon'ny vondrona politika ao aminy.
Hitan'i Chang Noi ho paika ataon'ny governemanta thailandey ho teknikam-pampielezan-kevitra ny vahoaka ihany anefa  ity fanentanana ity:
Tsy fantatry [ny roa tonta] manentana akory ireo mety ho antony lalina mampisongadina ny fisaratsarahana. Tahaka izany ihany koa ny tsy fahafantarany izay mety ho fanefitr'ireo antony ireo. Tsy fantany ihany koa fa mety hirotsaka lalina amin'ny sehatra politika ny olona satria heveriny fa adidiny izany ary mitady ny tombotsoan'ny firenena izy ireo. Te-hanafina ny tena olana ho any ambany tsihy ny roa tonta nefa mety hiotrika ao ny olana ka ho masaka
Nahatonga  savorovoro ihany koa ny vohikala satria notakiany ho “anisan'ny tanin'i Thailand very” ny sasany amin'ny sombitanin'i Kambôdza.
Efa ampolony taona maro moa no nifandiran'i Thailand sy Kambôdza ho tompon'ny tempoly fahagola Preah Vihear . Efa imbetsaka io ampahantany io no niteraka ady mangotraka teo amin'ny mpiaro sisintany roa tonta.
Naneho ny fahadisoam-panantenany ny mpamaham-bolongana maro raha nisafidy ny hampiray hina ny iray firenena ny fitondrana Thailandey higidragidra firenena hafa any amin'iny faritra iny. Heverin-dry zareo fa tsy tokony hiroso amin'izany fandikana diso ny fitiavan-tanindrazana izany ny mpiserasera.
Araka ny efa nampoizina dia nitsipaka ampahibemaso amin'ny fomba diplaomatika ny fananganana io vohikala io ny governemanta Kambôdziana. Niteraka fananganana vohikala pro-Kambodziana tokoa manko io: ilovekhmer.org na tiako ny khmer. Ny tanjon'io vohikala io dia ny hampisehoana ny heverina fa filazana diso hita ao amin'i ilovethailand.org.
Samy lasa vavahadin-tserasera malaza sy be mpamaky any amin'ny firenena misy azy avy na ny ilovethailand.org [tiako i thailand] na ny ilovekhmer.org [tiako ny khmer]. Raha heverina ho efa tsara ny nifindran'ny fifandirana sisintany ho any amin'ny kianjan'ny serasera dia mampalahelo kosa fa lasa mandranitra ny fifankahalan'ny andaniny sy ny ankilany kosa izany.
Nahita ny hery vaikan'ny fampiasana ny aterineto hampivondronana ny fireneny ihany koa ny praiminisitra Maleziana. Ankoatra ny famahanam-bolongana sy ny fisiahan-tserasera [tweeting] fanaony isan'andro dia nanangana ny  1Malaysia.com.my ihany koa ny praiminisitra Najib Abdul Razak hametrahana “sehatra ifanakalozana” eo amin'ny mpitondra sy ny vahoakany. “1Malaysia: Vahoaka aloha, asa vita (performance) izao” no tarigetran'ny praiminisitra.
Nanangana ny vohikalany ihany koa ny mpikatroka pro-demaokrasia any Malezia ka nametraka ny lohahevitra hoe “1BlackMalaysia: Demaokrasia aloha, fifidianana izao.” Mihevitra izy ireo fa nanimba ny fototra demaokratika any Malezia ny mpitondra vaovao. Vao tsy ela akory izay tamin'ity volana ity dia nanangana takelaka Facebook sy bolongana ity vondrona ity ary mandrisika ny Maleziana hamorona sy hisintona afisin-tserasera “Aiza ny demaokrasia?”.
Efa noporofoin'i Indonezia fa  ahafaha-mampivondrona mpiserasera ny voina nihatra tamin'ny firenena. Ora vitsivitsy taorian'ny fanapoahana baomba nahafatesan'olona  nahazo an'i Jakarta tamin'ny volana lasa teo iny , dia nifandefa sioka hoe “tsy matahotra izahay” ny mpisioka an-tserasera Indoneziana [twitterrers]. Nandritra ny andro maromaro dia ny  #indonesiaunite no fangitra [hashtag] nironan'ny olona be indrindra tamin'ny Twitter. Maro ny mpampiasa ny Plurk sy ny Facebook no nanova ny sarintavany ho loko mena sy fotsy ahafantarana ny fanevan'i Indonezia. Hitan'ny mpamaham-bolongana ao an-toerana ny tombotsoan'ny fampiasana famahanam-bolongana fohy (sa hataontsika hoe siokam-bolongana?) ahafahana manao zavatra haingana. Nitanaka vava ny mpandinika nahita ny tanora Indoneziana tsy manao politika niaraka tamin'ireo liana politika samy nanameloka ny fampihorohoroana an'i Jakarta.
Nanangona ny fanampiana tamin'ny alalan'ny paypal ho an'ny tra-boinan'ny tondra-drano tany Mindanao ny mpampiasa plurk tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Nanampy ruban mavo tamin'ny sarintavany ho fahatsiarovana ny filoha teo aloha nodimandry tamin'ny faran'ny herinandro teo ny mpisioka an-tserasera (Twitter). Nahavory sonia sy mpanohana an'hetsiny, indrindra fa tao amin'ny Facebook ny fanangona-tsonia an-tserasera manohitra volavola hanitsiana ny Lalampanorenan'ny taona 1987.
Henjana ny fanentanana sy ezaka fanerena hampalalaka kokoa ny aterineto any Vietnam amin'izao fotoana izao. Tsy tambo isaina ny fanehoam-panohanana an-tserasera ny olomangan'ny fanoherana Aung San Suu Kyi avy any Myanmar. Mikofokofoka manao zavatra maro  hahazoana fitia tsy mba hetra ho ana ekipam-panatanjahantena, sy tra-boinan'ny tondra-drano ary ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana isan-karazany ny mpamaham-bolongana any Brunei.
Lohahevitra malaza sy miteraka adihevitra be ny fitiavan-tanindrazana amin'ny aterineto. Mitozo sy mazoto hatrany ny mpanao politika sy ny antoko mpanohitra any Azia atsimo atsinanana hampiroboroboana ny fitiavan-tanindrazana. Misy ny lafy tsaran'izany firoboroboana an-tserasera izany hampandraisana anjara mavitrika ny olo-tsotra  amin'ny resaka politika. Saingy ny lafy ratsiny kosa dia rehefa miteraka fifanilikilihana sy fankahalana vahiny ilay izy.
Manahirana ihany koa ny fampiasan'ny mpanao politika fampielezan-kevitra nasionalista azo iadian-kevitra ny serasera hanafenany ny zavatra tsy mety ataony. Na izany aza dia mitoetra ho fitaovana sy sehatra mahomby ho an'olona sy vondrona hiresahana lohahevitra matotra tahaka ny fitiavan-tanindrazana ny aterineto. Tsy tokony hanaiky fahatany ny sasany hanimba ny fampivelaran-tsaina ateraky ny fampiasana ny vohikala manerantany ny mpiserasera isam-paritra.
Mong Palatino
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalaza ny andro faha-100 niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana tamin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? any Malezia. Mino kosa ireo mpitsikera ilay Praiminisitra fa nosimbany ny rafitry ny governemanta demokratikan'ny firenena.
Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana:
Ahoana no fomba anaovantsika azy ity? Amin'ny fametrahana ilay fanontaniana tsotra - “aiza ny demokrasia?”. Taorian'ny 100 andro dia mbola mitady an'izany foana isika, mbola maniry an'izany foana, mbola miady ho an'izany foana isika.
Amin'ny fomba ahoana no ‘hametrahantsika' ilay fanontaniana? Avoahy na soraty amina taratasy iray. Asehoy tsara manoloana toerana manan-danja - tobin'ny mpitandro filaminana, fitsarana, biraon'ny departemantan'ny governemanta, tranoben'ny parlemanta na ny antenimieram-pirenena, biraon'ny mpanolotsaina eo an-tanàna sns…, ary makà sary.
Afaka mamoaka ny sariny ao amin'ny Facebook koa ireo mpanohana. Ity hetsika ity dia nokarakarain'ny hetsika 1BlackMalaysia ( sarinkevitra avy amin'ny teny filamatr'i  Najib 1Malaysia):
Ho hafatra feno filaminana io nefa ho hafatra mahery vaika feno tsy fankatoavana sivily fa isika vahoaka no lehiben'ny mpanao pôlitika ary tsy misy mpanao pôlitika hifanandrina amin'ny hevitry ny vahoaka ka tsy ho voasazy amin'ny fifidianana manaraka. Ny tsy fankatoavana sivily dia hetsika feno filaminana  izay azon'ny olom-pirenena tsirairay andraisana anjara sy hanehoana ny maha izy azy.
Na i Lepak tany Japana aza dia nandray anjara tamin'ilay fanoherana virtoaly.
Raha ny hita dia tsy mahita demokrasia mihitsy isika any Malezia ka noho izany dia mila mitady azy any amin'ny firenen-kafa! hahahaha any Japana… mety hisy demokrasia…na tsia….
Huichun koa dia mitady ny demokrasia any Malezia
Tena iriako tokoa ny hisian'ny deokrasia any Malezia ary ho azon'nyb rehetra idirana foana tahaka an'ilay 7-Eleven n'aiza n'aiza!
Mitsikera i Shakuntala:
Mametraka fanontaniana goavana koa ianareo, “Aiza ny Demokrasia?” indrisy fa tsy hita n'aiza n'aiza izy io. Valinteny sahisahy? tsia, toa nanao adalana ireo mpitondra antsika tamin'izy ireo niteny tamin'izao tontolo izao fa isika no tena Demokrasia marina. Na ho an'ny manan-karena sy ny fanta-daza irery izy io.
Ny sary rehetra dia avy tao amin'ny blaogy 711whereisdemocracy
Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie
Miroborobo ny fampisehoana mozika tsy miankina ao Malezia. Taona vitsivitsy lasa  izay, dia miha-maro ireo mpanakanto mamelon-tena sy ireo tarika  mahazo fankasitrahana avy amin’ireo tranonkalam-pifandraisana  toy ny YouTube sy ny MySpace.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/BRjkC_OKoRo&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/BRjkC_OKoRo&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Fantaro i Yuna. Mety hihevitra ianao fa tanora Maleziana toy ny rehetra ihany i Yuna, nefa raha manopy maso ny boky firaketany  (na ny mombamomba azy ao anatin’ny MySpace calendar?), dia manana lisitr’ireo fampisehoana miandry azy atsy ho atsy sy efa manomboka ny fandraisam-peo voalohany (EP) hanaovany dokam-barotra izy , izay  ny trano fandraisam-peo Yuna azy tenany ihany no mamokatra azy. Resahana betsaka eo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy izy, tsy noho ny famokarany mozika goavana ihany fa noho ny sariny  mahafatifaty indrindra koa.   Manaitra izy, amin’ny saina madio,  teo amin’ny sehatry ny mozika indie noho ny fiakanjoany ny tundung, sy saly  afatotra amina loha izay fanaon’ny vehivavy any Malezia. Manarona ny loha izy ity fa tsy ny tarehy. Toy ny hijab izy io, fitondran'ny  vehivavy silamo any amin'ny faritra hafa, indrindra fa ry zareo avy any Afovoany Atsinanana.
Omen’i Nat Nat ny  fivoaran’ny fiakaran'ny lazan'i Yuna:
Tsy dia  mbola fanta-daza loatra izy tany am-boalohany, nefa nahasarika ny maro tamin’ny alalan’ny hira andrana voalohany nataony, nandeha tamin’ny iray amin’ireo fampielezampeo sangany tao Malezia ny  Dan Sebenarnya. Fotoana fohy tato aoriana, maro tamin'ireo fampielezam-peo no nanomboka nandefa ny hirany. Nanjary fandre matetika tamin'ny fomba ofisialy izy.
Miezaka manome ny fomba fijeriny tsy mitongilana momba ny  mozikan’i Yuna i Lin Loves:
Mpihira goavana izy, na dia ilay zalahy teo amin’ny fandoavam-bola aza dia nilaza toy izany, ary tsara vintana tokoa aho nahazo ny rakikira farany tao am-pivarotana. Ambarako aminao fa raha vao nandre voalohany azy aho dia vaky volana hoe: “Dray!  tena mahay mihira mihitsy izany tovovavy izany, tiako be ny feony sy ny mozikany.” Avy eo anefa somary naka bahana kely aho hisaintsaina hoe  sao dia mitsara azy ivelany fotsiny noho ny fisalorany  hijab aho, ary tsapako fa mety hampitongilana ihany ny fijeriko izany. Noho izany dia niezaka ny tsy hitongilana araka izay tratrako aho ary nihevitra fa tena goavana tokoa izy.
Zendana tamin'ny  sarin’i Yuna i Indra saingy tiany kosa ny feon’i Yuna izay toy ny an'i Norah Jones:
Nijery ny mikasika azy tao amin’ny MySpace aho ary ny nanaitra ahy dia izy miakanjo  tudung! Fatratra tokoa izy, amin'io feony mitovy amin'ny an'i Norah Jones io dia tena ho lasa lavitra mihitsy izy  (araka ny fahaizako azy, tsapako any anatiko any fotsiny izany). Milantolanto malefaka, izany ny hiran’i Yuna. Andramo dia henoy anie ny hirany e, tsy mitovy ny lantom-peony  rehefa mihira sy miresaka amin'ny teny anglisy izy. Raha miresaka izy, miteny toy ny Maleziana, saingy rehefa mihira ka mampiakatra ny lantom-peony, eo indrindra ny feony no maneno  toy ny feona vehivavy Anglisy.
Miarahaba ny sarin’i Yuna i The Baju Kurung Adventure ary azo alaina ho fakàna tsirin-kevitra ho an’ny maro:
[Yuna] dia Mpihira/mpamoron-kira  indie  izay namoaka EP iray monja. Ambarako anao marina fa tena avo lenta daholo ny hirany. Tsy mbola nanatrika ny seho an-tsehatra  nataony aho , fa efa nisintona kosa ny hirany sy nijery azy tao amin’ny YouTube, ary ny nampivanitika  ahy dia izy niakanjo hijab, izay tsy mahazatra loatra ny tovovavy indie, tsirin-kevitra iray io. Andanin'izay, na hijab na tsia,  manan-talenta ikala. Izay no tena zava-dehibe.
Ankafizin'ireo hafa firazanana ao amin'ny firenena ihany koa i Yuna. Taitra i Tragic. Fairy. Tales. raha   nahalala  ny firazanan’i Yuna:
Nangataka tamiko ity mpihira Indie vaovao Yuna ity ny anabaviko. Taitra aho raha nahalala fa hay Maley izy io. (Tsy hoe mpanavakavaka ara-pirazanana aho akory) Eny e, tsy azoko lavina fa manana feo miavaka tokoa ikala na dia tsy izy aza no tena manja indrindra eto amin'ny tanàna ary tsy araka izay nieritreretako azy velively. Raha ny hevitro manokana, mila mpihira tahaka azy ny sehatry ny mozika anatiny eto amintsika.
Toy ny areti-mifindra ny hirany ka nahatonga mpitoraka blaogy maro hanapa-kevitra hampiasa azy ho mozika lafika mba handrotsirotsiana ny mpamaky azy ireo. Hoy ny nosoratan'i Boundless Promise:
Fantatrao va re ny hira henonao eto amin'ny blaogiko izao e?.  Deeper Conversation no lohateniny ary sanganasan'i YUNA, Indie iray mpihira. Tena marina mafy e!, manan-talenta izy ary ny hirany rehetra sy ny feony dia samy FATRATRA avokoa!!! Ary dia izy daholo ihany no sady  manoratra no mandrindra azy rehetra. 22 taona izy ary mitafy  tudung ary mihira any Londona ankehitriny.
Mba hisy va re indray andro any fotoana hiresahan'ny olona ny mozikan'i Yuna fotsiny, fa tsy ny sariny e?
Malezia:Mpanavao ny tsenam-barotra ve ny Praiministra?
Tokony hiandràndra fiovàna ara-politika tampoka amin’ny fitondràna malezianina ve isika? Tsy hoe mandray fotsiny ireo haitaom-bahoaka amin'ny aterineto mba handrisihana ny fandraisan’anjaran'ny olom-pirenena i Najib Razak, mijery ny toerana izay mbola tsy nalehan’ireo nialoha làlana azy koa izy mba hametraka rafitra fanalalahàna araham-pantina, anatin’ny sehatra fitantanam-bola sy ny tolotr'asa tato ho ato. Tonga hatrany amin'ny fanafoanana ny fetra 30% ho an’ny Bumiputra (Foko Malais) ao anatin’ireo sehatra ireo izany mba hisian'ny fifaninanana bebe kokoa. Fotoana izao handalinanan'ny mpamakafaka rehetra ny amin'ity fiovana tsy nisy toa azy ity sady mangetaheta ny mponina te-hahalala hoe htraiza ny fidonan'ny fanovàna nandrasana teo amin'ny teokarena.
Tony Fernandes dia miaiky fa izy ity dia tokony ho fiandohàna mankany aminà fiovàna goavana:
Ny fanafoanana ireo fepetra takian'ny NEP¹ ao amin'ireo seha-pihariana madinika 27 dia fanombohana iray goavana. […] Saingy manantena indriindra indrindra aho mba ho ny fitambaramben’ny toekarem-pirenena manontolo no hasiam-panavaozana. […] Faniriako raha i Datuk Seri Najib no ho lasa Margaret Thatcher vaovao. Amin'izao fotoana, be loatra ireo zo azo, ireo fifandroritan'ny tombontsoa sy ny vesatra ara-taratasy mamono ny famoronana, mampivalaketraka ny fikarohana sy tsy dia mandrisika loatra ireo mpandraharaha hanorina sy hampivoatra orinasa.
M. Bakri Musa dia manolotra tsoa-kevitra mitovitovy amin'izay, hoe fanombohana fotsiny iny fa tsy vahaolana feno, toy izao no fijeriny:
Mba hahazoan’i Najib vaha-olana tsara sy feno, mila mijery ny olana madinidinika sarotra noho izay nahatonga ny fametrahana fetra [fatra] […]. Avoatra ireo dia ho afaka hanalalaka, tsy ny seha-pihariana madinika monja ihany fa ny toekarena manontolo rehetra i Najib, raha tsy ny endri-piainana maleziana rehetra mihitsy aza. Amin'izay, tena tsy ho lavitra ny nofinofiny “1Malaysia” izy.
Chua Soi Lek dia miaiky fa hetsika mampandroso izy ity ary ny Foko Malays dia tsy tokony hieritreritra fa hoe voatohintohina ny zon'izy ireo:
Mino aho fa hisintona fampiasam-bola bebe kokoa sy hisarika ireo matihanina sy ny haitao vaovao ho tonga eto amin'ny firenena ny fanavaozana, ary antenaina fa ho hery manosika ny sehatry ny tolotr'asa izy ity. […] Voarakitra ao anaty lalampanorenana ny zo fototry ny Bumiputra.Tsy misy na iza na iza afaka hanàla izany. Amin'izay, ny fanavaozana ny NEP dia tsy tokony horaisin'ireo Bumiputra ho toy ny fametraham-panontaniana momba ny zo manokana azy ireo, satria efa miraikitra ao anaty lalampanorenana izany.
Malaysia-Finance dia milaza ilay fanovana ho tena mendri-piderana tokoa ary hisarika mpampiasa vola vahiny mivantana (FDI) ho ao anatin'ireo seha-piharian'ny tolotr'asa:
Na dia tsy mbola hitan’ny firenena mivantana aza ireo tombontsoa, ny fitambatambaran'ireo laza tsara dia efa antoka sahady ho aminà tontolom-pihariana azon'ny fifaninanana ivelarana ao Malezia hisarihana ireo fampiasam-bola avy any ivelany. […] Tena ilaina ny fiovàna raha ny fahitàna hoe ho tonga hatramin'ny 60% fara faha-keliny ny fiankinantsika amin’ireo seha-pihariana ireo, izay hampihena ny fiankinantsika amin’ny fanondranana ireo kojakoja elektronika sy ireo akora fototra.
Nefa, ny hevitra hoe ny fanavaozana dia hitondra fiovàna goavana amin’ireo politika efa misy dia tsy iraisan'ny maro. Mihevitra i Tony Pua fa tsy misy na inona na inona afa-tsy ny filazana ofisialy ny amin’ireo politika efa mipetraka ary miahiahy ny amin'izay lazaina fa hoe fiantraikany:
Ny (Depiote)-Minisitrin’ny Varotra Iraisam-pirenena sy ny Indostria (MITI), Datuk Mukhriz Mahathir, niteny ampahi-bemaso fa resaka fotsiny izany fanavaozana izany, tsy ampiana tsy analàna. […] Mukhriz dia tsy hoe nanambara fotsiny ny fikasany hiaro sy hanapariaka ny Pôlitika Ara-toekarena Vaovao (N.P.E), fa niteny koa izy fa ireo fepetra fanalalahana natao vao haingana, nambaran’i Najib, dia fepetra noraisina hifandrindran-daàlana amin'ny zavatra efa misy ao amin’ireo indostrian'ny tolotr'asa. […] Ireny rehetra ireny izany dia fampandriana adrisa fotsiny. Raha ny tena marina, ireo sehatra ireo efa afaka tamin’ireo gejan'ny fmaritana ny fari-panànana. Araka izany, ireo nambaran’i Najib dia tsy hisy fiatraikany loatra amin’ny asa ataon'ny indostria, na tena tsy hisy mihitsy.
Straight Talk dia nanamafy izay fomba fijery izay miaraka amin'ity filazany ity:
Efa niteny aho fa ny sasany amin’ireo fanehoan-kevitra tany am-piandohana no diso nentin'ny fo loatra sy nandeha ho azy. Maro tamin’ireo sehatra ireo no efa nisokatra, talohan’ny fanalalahana. Raiso ho ohatra ny informatika sy ireo tolotr'asa miaraka aminy, ity sampan'asa ity dia tena efa nalalaka tamin'ny ny nametrahana ny MSC². […] Nefa toy ny mahazatra, antoko pôlitika vitsivitsy, manam-pahaizana sy tompona petra-bola vitsivitsy no midera sy manasohaso ny fanavaozana nataon'ny Praiminisitra.
Raha ny haavon’ny fijery miiba sy ny fijery ankapobeny no zohiana dia be no mbola tokony hatao, mbola mila fotoana be i Najib mba hanaporofoany fa izy tokoa ny lehilahin’ny fanavaozana.
Fanamarihana: NEP midika hoe New Economic Policy - Pôlitika Ara-Toekarena Vaovao natao mba hamongorana ny fahantrana tsy hijabahan'ny resaka ara-poko intsony ; MSC mifandraika amin’ny Multimédia Super Corridor - Lalantsara Migodanan'ny Multimedia natao mba hanapariahana ireo TIC ho toy ireo fitaovana fampandroasoana any amin'ireo firenena mandroso
Malezia: Maka lesona avy tamin'ny tondra-drano nandravarava
Nahatratra ny faritra maro tany amin'ny firenena Sarawak any Malezia tamin'ny herinandro farany teo ny tondra-drano. Mihoatra ny 8 000 ny olona tany amin'ny Distrikan'i Bau no nafindra ho amina fialofana  vonjimaika 24. Ity tondra-drano ity no ratsy indrindra tao anatin'ny telo taona. Nahatratra ny valahina ny haavon'ny rano.
Tondra-drano tany Bau, Sarawak. Sary avy amin'ny bolongan'i Denis
Manainga ny fitondram-panjakana haka lesona avy amin'ny tondra-drano i a better future :
“Immediate relief was going on quite well but the Government could have done better if they had marked all the flood sections of the roads with bamboo poles or other alternatives with clear signs to show how deep the flood level is. It would have made it easier for monitoring as well as for traffic to decide whether to “swim” through or not. These markers can be used for future planning especially in the upgrading of the main trunk roads.
“Thus unless we have proper records of flood levels in flood prone areas to guide future planning and implementation of projects, we will have more unnecessary problems due to poor implementations by the respective agencies involved in future.
“Hopefully the Government has learned all the lessons so that future floods will be less disruptive, not only in Bau but throughout Sarawak and if possible Malaysia. The main trunk roads should be built to be weather-proof, meaning the level to which they must be constructed must be above the highest known flood level. Police stations and critical government buildings must be sited in non flood prone areas, where possible. If not, then the site of any buildings should be dumped to raise it above the known flood level at the very least. Access to these buildings must be also flood proofed where possible.”
Mety ho nizotra soa amantsara ary nahombiazana ny nataon'ny mpitondra raha voamarika mialoha avokoa ny lalana tondraky ny rano nanatsatohana bararata na zavatra hafa manamarika mazava ny halalin'ny rano. Tokony ho mora kokoa ny fanoroan-dalana ny mpandeha raha mety ny “miroboka anaty lalana” na tsia. Tokony hampidirana hatao marika an-dalana rahampitso ny marika tahaka ireny indrindra  rehefa misy indray ny fanavaozana ny lalana.
Amin'izay fotoana izay mba mahalala ny haavon'ny rano isika any amin'ny faritra mora tondraka rehefa misy indray ny fametrahana foto-drafitr'asa (lalana), dia tsy ho tratry ny olana noho ny famitana asa tsizarizary ataon'ny mpanantanteraka ny asa intsony isika rahampitso.
Manantena ihany aho fa nahazo lesona hiatrehana ny tondra-drano manaraka tsy hanohintohina loatra intsony, tsy eto Bau ihany fa manerana an'i Sarawak na Malezia manontolo mihitsy aza. Tokony hahazaka ny toetr'andro avokoa ny lalana lehibe rehetra, izany hoe tokony ho avo kokoa noho ny haavon'ny rano  ambony indrindra fantatra no anorenana azy. Tokony hiorina amin'ny faritra tsy tratran'ny rano ihany koa ny tranom-panjakana sy ny biraon'ny polisy rehetra, raha azo atao. Fa raha tsy izany kosa tokony tsy asiana na inona na inona ny rihana mora tratran'ny tondra-drano ka akarina ny rihana hatao toeram-piasana. Tokony hahazaka tondra-drano ihany koa ny fidirana amin'ireny tondra-drano ireny raha azo atao.
Mandrisika ny resaka tondra-drano hatao laharam-pahamehana mialoha ny raharaha vahiny hafa iThe Lost Aborigine:
“How about the flood relief to those affected area especially those poor villages like Serian, Padawan, Bau and some in Sibu and Miri? Why we so busy with Gaza but our own people are helpless and dying? The Malaysian attitude is that we ignore our household affair and get busy with other issue that it less related to us.”
Dia ahoana moa izany ny amin'ireo tanàna mahantra mora tondraky ny rano sahala amin'i Serian, Padawan, Bau ary ny hafa any Sibu sy Miri? Nahoana isika no variana amin'i Gaza nefa ny olona eto amintsika koa mila famonjena mitady ho faty? Fihetsika Maleziana mihitsy io tsy mahalala ny raharahan-tokantranon'ny tena  nefa variana amin'ny mikasika antsika  io.
Nomarihin'i Nana Natu moa fa ity tondra-drano ity no ratsy indrindra tao anatin'ny 20 taona:
“Sarawak River showed yesterday its might when it burst it banks and water spilled into Kuching Waterfront.And the floods descrides by Kuchingites as the worst flood in 20 years, caused massive trafic jam, halted business and caused panic among some who anticipated that worst was yet to come. There were no warnings. The flood this year is worse then the one in 2004.And the floods caused 119 schools closed.”
Nasehon'ny reniranon'i Sarawak omaly ny heriny rehefa nivoaka ny molony izy ka nitondraka an'i Kuching izy. Nolazain'ny Kunchingites (mponina any) fa ity no tondra-drano ratsy indrindra tao anatin'ny 20 taona, niteraka fitohanan'ny fiara, nampitsahatra ny raharaha sy nampikoropaka ireo efa niahiahy fa mbola ho avy ny ratsiraty kokoa. Tsy nisy fampilazana mialoha. Mbola ratsy noho ny t@  2004 ny tondra-drano tamin'ity fotoana ity.  Nampikatona sekoly 119 moa ny sekoly.
Nanoratra ny mety ho anton'ny tondra-drano i Sounding Intelligent :
“I am in no position to say what the actual cause of the recent flood is but I firmly believe that it is man-made. After all, who constructed levees that forced rivers into narrow channels? Who destructed the wetlands that once absorbed excess rainfall? Who contributed to global warming?
“Global warming is a real threat. It is affecting weather patterns, creating a modest increase in violent downpours and melting ice all over the world, causing an avalanche of effects.
“Despite these warnings, some people still continue to be selfish, refuse to switch to cleaner fuels or reduce their carbon footprints somehow.”
Tsy dia tena mahalala marina ny anton'ity tondra-drano ity aho nefa mino mihitsy fa noho ny nataon'olona io. Fa iza tokoa moa no nanorina fefiloha kely  hampidirana ny  ranon'ny renirano be io?  Fa iza no nandrava ny honahona  nitroka ny  rano  be loatra teo aloha? Fa iza no nahatonga ny fiakaran'ny hafanana?
Ny fiakaran'ny hafanana amin'ny ankapobeny no tena zava-doza. Io no mampiova ny toetr'andro, mampahery vaika ny ranon'orana sy mampitsonika ny ranomandry manerana ny tany, sy mampiteraka zavatra maro hafa be dia be.
Fa na dia maro aza ny fampitandremana natao, mbola tia tena ihany ny olona, tsy mety mampiasa angovo madio izy na mampihena ny rivotra karibonika fandaniny.
Tsy voafetra tao Malaysia ihany moa ny tondra-drano fa nahazo ny faritr amaro tany Philippines, Indonesia ary Fiji ihany koa.
Mong Palatino
Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.
Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)” no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra
Andao ary isika hiresaka momba ireo lohateny nifandirana: Fitaovam-pananahana. Tafiditra tao anatin’ny korotana ara-pitondra-tena ny mpanao politika Malezianina: mpanao politika iray nanao firaisana tao an-trano fandraisam-bahiny no voaray tao anaty horonan-tsary; ary ministry ny cabinetra teo aloha no voapanga nanolana vehivavy iray.
Nanoratra momba ny olana amin’ny fanampiasana ny fivaviana sy ny vehivavy entina hampisongadinana ny dokam-barotra eo amin’ny Televizionina ny mpanoratra Tharum an’ny GV avy ao Cambodia. Nangataka ny fialan-tsiny avy amin'ny BBC ny mpanao lalana Filipianina iray mikasika ny fandaharana tora-kehy(fampihomehezana) izay nampiseho vehivavy mpiasa an-trano filipianina “ho toy ny fitaovana fampimehezana ara-pitondratena.” Hita ihany koa tao Filipina fa tratra nivanitika tao an-tranom-padidiana ireo dokotera nandritra ny fotoana nanesorana ilay tavoahangin-dranomanitra tafiditra tao anatin’ny vodin'ilay marary (fitombenana).
Nisy ihany koa ny olana ara-panambadiana. Namaritra tsikera momba ny filazana ny fihenam-bidim-bodiondry (vidin’ny vehivay ho vadiana)ny lahatsoratra nivoaka tao Singaporo. Najanon’I Cambodia ny fanamboarana ny taratasim-pisoratam-panambadian'ireo olom-pireneny amin'ny vahiny mba hampihenana ny fanodikodinan’olona mety hitranga
Nanome lalana ny mpanolotsaim-pirenenana Fatwa an’I Malaysia izay milaza fa ny endrika ivelan'ny taranja yoga dia ekena fa ny singa ara-panahy entiny kosa no rarana. Nanao fiantsina fihetsiketsehana ao indonezia momba ny “hafatra entina manohitra ny silamo.” ny horonantsarin’ny Geert Wilders, Fitna
Mikasika ny fampandrosoana ny renivohitra dia mihevitra ny mpitoraka blaogy fa betsaka loatra ny toera-pilokana (casino) ao an-drenivohitry Cambodia. Mibosesika ny mpivarotra an-dalambe mamboka eny amin’ny lalam-ben’I Hanoi. Miresaka ny fanoheran’ireo tompon-trano Singaporo ny mba hananganan’izy ireo trano fatorian'ny mpiasa vahiny ny mpanoratra GV Angshah.
Nanoratra momba ny korontana vokatr’ireo boky fanomezana very tao amin’ny faritanin’ny Filipina I Karlo, mpanoratr’I GV. Milaza ankarihary ny lalana vaovao sy ny hetra-tsigaran’I Singaporo ny resaka sasany tao anatin’ny Blogosphere. Nisy fifanoherana hafa ihany koa ny momba ireo tolo-kevitra mety ahazahoan-dalana ara-panjakana izay mahakasika ny fivarotana taova eo amin’ny firenena.
Niaina tao anaty tahotra I Singaporo rehefa vakin'ny mpampihoroho iray ny fonja avo lenta. Nahatsiaro ny taloha I Indonezia rehefa nananteraka ny famonoana ireo mpandatsaka baomban'ny Bali. Nandritra io fotoan io izay tamin’ity taona ity no nitondrana tatitra tao Myanmar ireo baomba niparitaka
Faharavan'ny sambo mpitatitra no voalaza fa nisy tao Filipina. Mihoatra ny 700 ny olona maty rehefa niondrana an-dranomasina ny sambo iray tao Filipina afovoany tamin’ny volana Jona farany teo. Mpifindra monina Myanmar maro dia maro no novonoina tao anaty fiara rehefa niditra antsokosoko tao Thailand atsimo izy ireo ny volana Aprily teo. Mponina mihoatra ny 3000 no tsy nanan-kialofana noho hain-trano tao Yangon sy tao Mandalay ny volana Febroary lasa teo.
lelafo tao amin’ny tsena YadanarPon an’ny Mandalay tao Myanmar. Sary avy tamin’ny blaogin'i Aung Chan Lin.
Mahagaga
Niresaka ny toe-javatra ahatahorana (fianianana) eo amin’ny foko Penan ny mpanoratra mahain’I GV Daniel. Nofinganiny tsy hitohy ihany koa ny finoanonam-poana mikasika ny ala mikitrok'i Malaysia. Nanoratra koa izy momba ny Pontianak mampatahotra.
Lasa malaza eran’izao tontolo izao ny trano fidiovan'ny pelaka (sarim-bavy tena izy) Thailand. Niatrika ny rotsa-panala voalohany teo amin’ny tantara ihany koa I Thailand. Tanteraka antsakany sy andavany ny Bangkok Freeze sy Singapore Freeze
Miditra ao anatin’ny sehatra politika ny maha-izy azy ny ranty ao Indonezia. Noho ny fahalafosan’ny menaka dia lasa malaza indray ny menaka buffaloes ao amin’ny sahan’ny Laos sy Thailand.
Misy programan’asa manampy amin'ny fampianarana ny ankizy amoron-dalan'i Laos ho tonga mpahandro sakafo ao Vietnam . Araka ny fantatra, dia niditra an-dalana ao amin’ny vohitry Vietnam ny “mpandroba, feather-boa bicycle”
<object width="425" height="344"><param name="movie" value="http://www.youtube.com/v/uZkQtHYPPJ4&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&feature=player_embedded&fs=1"></param><param name="allowFullScreen" value="true"></param><embed src="http://www.youtube.com/v/uZkQtHYPPJ4&color1=0xb1b1b1&color2=0xcfcfcf&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" type="application/x-shockwave-flash" allowfullscreen="true" width="425" height="344"></embed></object>
video ny Singapore freeze
Ady eo amin’ny Gazety sy ny governemanta
Voatatitra teny amin’ny faritra ireo toe-javatra maro mikasika ny fandikana ny fahafahan’ny mpanao Gazety. Voalazan’ I Caroline mpanoratry GV ny mikasika ny fisamborana ireo mpanao gazety roa tao Vietnam, ny helon’izy ireo tamin’izany dia ny fampisehoana ireo risoriso misy eo amin’ny masoivohon’ny governemanta. Ohatra iray hafa: nofohanan’ny fitondra-panjakana ny tatitra voatokan’ny mpahay toe-karena.
Vaovao etsy sy eroa:nofihinina tao Cambodia ny taratasin’ny The Burma Daily. Tsy mbola mijanona ny fampitahorana ireo mpanao Gazety ao Cambodia. Voahosoka i Irrawaddy, tranok’alan’ny gazety lehibe sady mahaleo tena.
Misedra fandoavan-ketra hosoka ny mpihetsika toraka blaogy Vietnamianina. Nosamborina ny mpitoraka Singaporo mpanohitra. betsaka ny tranok'ala notapahan’I Indonezia.
Gazetim-pirenena
Lasa mpanao politika ny mpitoraka blaogy teratany Malaysian; lasa mpanao blaogy koa ny mpanao politika Malaysian. Efa nomena fampitandremana ny mety ho fikasana hamorona rotaka monohitra ny politika maloton’ny Malaysia ny mpitoraka blaogy. Niteny ny govenemanta fa tiany ny hinamanana amin'ny mpitoraka blaogy noho ny herin’ny toraka blaogy misy.
Nanohana ny andro fankalazana ny hetsika blaogy 2008 hiadiana amin’ny fahantrana ny mpitoraka blaogy Filipianina. Nitory teny tao amin'ny YouTube ny eveka Katolika tao Filipina. Nanangana blaogy ny vondron’ny mpifindra monina filipianiana mba hanerena ny govenemanta hanadihady ny antony nahafaty ny mpiasa Filipianina iray. Miraika amin’ny fandefasana hafatra anapitrisa mankany amin’ny Aung San Suu Kyi ao Myanmar ny programan’asan-gazety mpandray anjara The Twitter Suu, “mba ampahafantarana azy fa manana fanohanana maneran’izao tontolo izao izy”. Nitoraka blaogy ny tsy fankasitrahana manohitra ny orinasa mpanjifa Malaysianina ny be antitra teratany iray.
Ny fitorahana blaogy ao Vietnam dia fantatra fa fitaovana matanjaka ahafahana milaza hevitra. Mpitoraka blaogy Cambodianina no nankasitrahana ho mpahay raha eo amin'ny vaovaom-pirenena. Tao Myanmar, nisy mpanao gazety zokiolona nitsikera ny fihetsik'ireo mpitoraka blaogy maro. Mpitoraka blaogy Australian iray no lasa nalaza/nitodra ady hevitra tao Filipina rehefa nampiseho ireo hetsika mahamoafadin’ilay namany, mpanan-karena tao Manila.
Voninahitra no omena ireto mpikaraka ny fotoana ireto: Sabah Bloggers Gathering 2008, Mindanao Bloggers Summit, Twitter Saigon, Philippine Blog Awards, Pesta Blogger, BarCamp Malaysia, BarCamp Cambodia, Wordcamp Philippines.
Ho an’ireo mpanoratra rehetra, ekipan’ny Southeast Asia ny Global Voices, Arabaina ny tsirairay tratra ny taona vaovao!
Malezia: Dera ho an'ilay lehilahy misarontava
Matin'ny fijanonan'ny fo iray volana lasa izay ny mpanao gazety sady mpikatroka Syukree Hussain avy ao Malezia. 28 taona izy izao lasa izao. Niatrika mandrakariva ny fihetsiketsehana aseho amin'ny alalan'ny famelomana labozia fanao isan-kerinandro any Malezia i Syukree. Mahafantatra azy avokoa ny rehetra noho ny fanaovany sarontava. Nanaitra ny namany mpamaham-bolonfana sy mpitolona izao fahafatesany tampoka izao.
Nihaona tamin'i Syukree nandritra ny fihetsiketsehana fanao isan-kerinandro ho fanoherana ny lalàna momba ny fiarovana anatiny any Malezia i Anilnetto :
“Tsy dia mahalala zavatra maro momba azy manokana aho, misarontava matetika manko i Syukree. Eny, sarontava fanao amin'ny Halloween ireny. Nifantoka tany aminy ny fifantohan'ny maro tamin'ny alahady farany noho ny maha-hafahafa azy. Mivezivezy manodidina sy mifangaro anaty vahoaka izy ary manao ny fihetsika mampihomehy nefa mamoaka ny ao ampony. Kisendrasendra, raha mbola niteny i Zorro dia nipetraka teo anila ankavanan'i Zorro nikabary izy. Tamin'io fotoana io no nampahafantaran'i Zorro voalohany sy farany indrisy an'i Syukree tamin'ny vahoaka.”
Nampahatsiahy an'i Syukree i Estrelita :
“Hatokana hoan'i Syukree Hussain ny fijoroana (mitandabozia) halina. Hisy ny hanararaotra hilazalaza zavatra fohy aminy. Hafahafa ilay vavolombelon'ny fahatsapana ho very namana. Tsy fantatro izy. Fa tsy hoe tokony ho fantatro koa. Ny hany zavatra henoko nolazaina tamiko dia hoe “special” izy. Nijoro teo amin'izay inoany izy ary niaina araka ny fomba nokarohiny hiainana. Tsy maro amintsika no hahasahy hanao izany - 100% - fa farafaharatsiny amin'ny fomba hanaovan'i Syukree azy! Amin'iny lafiny iny, tsy nandainga tamin'ny tenany i Syukree ary tsy malahelo loatra aho raha maty tanora izy. Niaina tamin'ny fiainana manontolo izy ary  tsy nisy very ny fiainany isan–segondra nandritra ny faha-28 taona niainany! Hotsarovana izy. Namela marika teto amin'ity tany ity ny tenany.”
Nanomana ny  fihetsiketsehana hoe “Nono fa tsy baomba” tany Kuala Lumpur i Syukree. ireto avy ny bolongany: Seruan Keadilanon, sy Kuala Terengganu Untuk Pakatan Rakyat. Jereo ihany koa ny takelaka Flickr sy ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook.
Ao ao amin'ny bolongan'i  zorro-unmasked
Malay Mail mankalaza an'i Syukree ho olona nanam-pahasahiana:
“Ny tena mahavariana ahy, amin'ny mpisoratra anarana rehetra, dia tena niainany tanteraka ny fiainana “surrealiste”(tafahoatra ny zavamisy) ninoany. Maro ireo hafa niteny fa finoan'izy ireo ihany koa izany, saingy i Syukree no “sahisahy” kokoa amin'ny fomba tsy mahazatra nitondrany azy ireo.”
Ricecooker mahatsiaro koa an'i Syukree:
“Mahafantatra avokoa an'i Syukree ho ilay bandy tsy misaraka amin'ny solosaina findainy avokoa isika, ary raha manam-potoana izy dia miserasera avy hatrany, manao izay rehetra tiany atao, ary anisan'izany ny fanehoan-keviny any amin'ny takelaky ny hafa, mahafinaritra avokoa fa maro ireo voalaza ho manelingelina sy maharomotra.
“Fa efa voadaroka ihany koa tapabolana lasa izay i Syukree. mahatsiaro ilay zava-nitranga nahasosotra tany Teratak Dangdut gig taona maro lasa izay avokoa izahay rehetra, raha nivalandrano nifananatrika tamin'ny vondron'ny hardôsy (hardcore) niandry ny fanombohan'ny fampisehoana ireo! Efa voakomondry tao amin'ny Bau-Bau Cafe koa izy indray maka.”
Mino i E Contrario fa manana fiainana marevaka sy mamokatra i Syukree :
“Nitolona niatrika fanamby eo amin'ny lalamben'ny vanim-potoana iainantsika maro ny zatovolahy. Tsapako fa niezaka ny hampifandrindra zavatra mifanohitra amin'ny fiainana izy. Asehon'ny asasorany ny adin-tsaina nanjaka teo aminy teoamin'ny adihevitra lehibe tahaka ny fivavahana, politika, filozofia, sns. Feno sahan'adintsaina ny lohany.
“Niaina tao amin'ny fiainana maroloko sy namokatra i Sukyree — ary azo itokiana marimarina tokoa fa namela tsiaro lehibe teo amin'ny namany izy. Nanetsi-po antsika ihany koa ny fahoriany sy ny adin-tsainy. Ny kiakany mangina mahatonga antsika hijery izay ao am-pon'ny taranaka miady saina. Mampahatsiahy zavatra ihany koa ny fahalasanany: hay mora vaky ihany koa ny fiainan' (ny tanora) mailaka sy kinga.”
Andramo jerena ity rakikira an-tsarin'i Syukree ao amin'i Youtube ity:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/3DeSglokfjA&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/3DeSglokfjA&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Mong Palatino
Malaysia: Mpamaham-bolongana voampanga noho ny fanendrikendrehana
Ampangaina noho ny fanendrikendrehana famonoana olona ilay mpamaham-bolongana Malaysiana malaza Raja Petra Kamarudin. I Benstakes no mampahafantatra antsika ny fifandraisan'io fiampangana io amin'ny “fanendrikendrehan'ny ” mpamaham-bolongana ny vadin'ny Praiminisitra ho tafiditra tamin'ny famonoana ilay mpilatro Môngôla.
Azia AtsimoAtsinanana: Loharanon'angovo fanolo
Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika, maro ireo firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana no nanamafy ny ezaka ho fitrandràhana loharanon’angovo hafa ho fanolo. Eny fa na dia ireo firenena mpamokatra solitany toa an’i Malezia, Indonezia sy Brunei aza dia samy mampiasa vola hitrandraka angovo azo avaozina avokoa.
Tena andrandraina sy ilaina ny fampiasàna angovo fanolo. Niteraka hetsi-panoherana goavana tany Malezia sy Indonezia ireo fisondrotan’ny vidin-tsolika vao haingana teo Mitàna toerana lehibe eo amin’ny hamafin’ny olana ara-toekarena any amin’iny faritra iny, izay efa tandindonin’ny fiakaran’ny vidin-tsakafo sahady, ny fidangan’ny vidin’ny solika.
Miova ny fomba fiainana satria efa tonga saina amin’ny olana mikasika ny solika ny rehetra. I Tree Maple dia milaza fa hisy vondrona goavana mandàla ny tontolo iainana hijoro ao Singapour ato ho ato. Hampiasa betsaka ny loharanon’angovo azo avaozina izy io. i Tumelor kosa dia mamaritra ny tetikasan’ny fari-piadidian’i Bangkok hampiasa ny angovo azo amin’ny rivotra mba hamatsiana ny fanazavàna ireo vàla iraisan’ny daholobe (parcs publics).
Ny mpamokatra goavana indrindra thailandey amin’ireo zavatra fanjifa, Saha Group, dia nandroso drafitra iray ho fanalàna iray isan-jato amin’ny fanjifany solika amin’ity taona ity, amin’ny alàlan’ny fampiasana angovo azo amin’ny masoandro. Ho an’ny Rambling Librarian kosa indray, manantena izy fa indray andro any ny angovo azo amin’ny masoandro (sy ireo vatoaratra arifomba) dia hanome azy ny herinaratra ilainy amin’ny fitaovana fampiàsany ao an-tokantrano.
Ao amin’ny blaogin’i Asiabiofuels , voamarika fa any Indonezia, ireo orinasam-panjakana manana toeram-pambolena midadasika dia nanàngana vondrona mba hanorina ozinina famokarana biodiesel (solika ara-biolojika). Nefa toa miha-mitonbo ny fanoherana ny fampiasàna ny biocarburants manerana ny tany, ny mpitoraka blaogy The Poisoned dia manohana azy ireo. Fa i Orangutan Outreach kosa dia miampanga ny famokarana menaka voanio ao Indonezia, izay miteraka fifandirana anatiny, fifindran-toeran’ny olona manjary lasa tsy manan-kialofana, sy ny maty.
Manana toerana goavana aty amin’ny faritra ny géothermie, indrindra fa any Philippines sy Indonezia. Fanadihadiana iray no manazava fa “ireo firenena roa ireo dia tafiditra ao anatin’ny “ faribolan’ny afon’ ny ” Pacifique, faritra iparitahan’ny volkano etsy sy eroa ary toeram-pitrandrahana goavana indrindra maneran-tany amin’ny resaka géothermie (angovo azo amin’ny hafanan’ny tany ary ve ity?????).”
Mampitandrina antsika ihany anefa i The Asia Tomorrow mikasika ny sàkana mety hosedrain’ny fivoaran’ity géothermie ity :
Sàkana maro no manelingelina ireo tetikasa goavana maro amin’ny faritra hafa. Fandavàhana marobe no tsy maintsy apetraka mba hitrandrahana araka izay tratra ny fanambanin’ny tany ka hanatràrana ny rano mafàna (mivaivay) sy ny entona mafàna ilaina amin’ny fanodinana ireo turbine hamokarana angovon’aratra. Andanin’izany, ny fahazoana-dàlana takiana hahafàhana manangana ireny tetikasa ireny dia efa manataraiky azy. Ireo volkano tsy mbola levona dia manana tahan’asidra avo tokoa, izay mitarika fahalovan’ny fitaovana fitaterana ilaina mba hampiasàna ny géothermie.
Nanamarika kosa anefa ny mpanoratra ity hafatra ity fa ny tambin’ny fitrandrahana ny géothermie dia mora lavitra :
Na dia lafo aza ny fandavàhana sy ny fanangànana loharanon’angovo (générateur) raha ampitahaina amin’ireo fomba hafa entina mamokatra angovo, tsy raisina amin’izany ny fotoana fitiliana, dia ny fikarakarana sy ny fanodinana foibe géothermique iray no mora kokoa. Mila manisa fito na valo taona any ho any manomboka any amin’ny tetikasa géothermique ka hatrany amin’ny tena fanodinana azy. Ny sàndan’ny fanaovan-dàlana any amin’ny faritra mitoka-monina dia efa isan’ny olana. Ny fananam-pitokisana amin’ny « crédits carbone » dia efa mitondra tsirim-panantenana amin’ny fampiasàm-bola amin’ireny tetikasa ireny, ary mety hahafàhana sahady mamatsy amin’ny ampahany ny vola ho enti-miainga.
I Thaïlande, Vietnama ary Indonezia dia samy misaintsaina ny hampiasa angovo nokleary. Misy fiaraha-miasam-paritra iray momba ny olan’ny fahazoana antoka nokleary (sûreté nucléaire) noraisin’ireo firenena ireo tsy ela akory izay, miaraka amin’i Shina, Korea atsino ary Japana. Nefa kosa i nomad4ever dia mitsipaka ny hanangànana foibe nokleary any Indonezia :
Mba hanohànany ny firoboroboan’ny toekareny, i Indonezia dia maminavina ny hanangana foibe nokleary miisa efatra hatramin’ny taona 2025. Ambara fa ny fanangànana foibe nokleary dia hanàla ny fiankinan-dohan’ny firenena amin’ny angovo azo avy amin’ny fossiles toy ny solika na ny arintany, nefa hahafahàna mamokatra mora foana ny herinaratra ilaina. Fa mitranga ny fanontaniana : nahoana no any amin’ny faritra be volkano sy lasibatry ny horohorontany, tratry ny safo-drano sy ny tsunamis no atsangana ireo foibe nokleary? Tsy nisy safidy hafa mihitsy ve ? Ny géothermie angamba dia safidy iray azo nizorana ary miaro ny tontolo iainana, izay afaka manampy an’i Indonezia hamaly ny filany ara-angovo tsy mitsaha-mitombo sy manatsara ny fijerin’ny hafa azy manoloana ny fiakaran’ny hafanan’ny tany, ivelan’ireo teny nandritry ny fihaonam-be tany Bali.
I Bellamy Budiman koa dia manohitra ny fanangànana foibe nokleary, ary manindraindra ny fampiasàna ny angovo entin’ny rivotra ho solon’izany:
Raha tena miasa loha marina momba ny olana ara-angovo ny governemanta, dia tokony mba hanao dingana kely izy mba hampivoàrana ny angovo azo avaozina. Raisintsika ho ohatra ny angovo azo amin’ny rivotra. Manana rivotra betsaka isika eto amin’ny tanintsika. Raha mba manao ezaka mametraka ireny milina mpanome herinaratra avy amin’ny rivotra ireny isaky ny tanàna ny governemanta, dia mino aho fa hisy ampahany amin’ny olana amin’ny famatsiana herinaratra ho foana.
Tena hadalàna ny eritreritra hanangana foibe nokleary eto amin’ny firenena. Satria na dia ny olana tsotra ateraky ny fako sy ny fifamoivoizana aza tsy mbola hay ny mamaha azy, tsy hitako hoe inona no antony hanangànana foibe nokleary. Toa efa azoko an-tsaina sahady ny Tchernobyl amin’ny endrika vaovao, Hiroshima sy Nagasaki. Tsy mampiasa baomba, mazava ho azy. Tsy misy ilàna an’izany akory, satria dia hipoaka ho azy amin’ny tenany eo ilay izy. Na ny firenena vaventy aza efa miala amin’ny nokleary.
Ny Blog of Bobby, ao Brunei, dia mandroso tolo-kevitra :
Vahaolana iray azo irosoana ny fampiasana ny haitao hita anatin’ireny boky mitantara nofinofy ireny (l'utilisation de technologies de romans de science–fiction), izay mbola amin’ny sehatry ny fikarohana, nefa kosa tsy mbola tonga amin’ny fotoana azo amarotana azy (qui sont l'objet de recherches, mais ne sont pas commercialement viables). Isan'ny tena safidko amin’izy ireny ny fusion (fanakambanana) , ny Cold fusion (fanakambanana amin’ny fomba mangatsiaka???), sy ny zero point energy (???). Ny fanakambànana ara-nokleary no tena mpirotsaka antsehatra goavana indrindra, nefa sady mamokatra angovo betsaka izy ny mitroka ihany koa.
I Sarawak Headhunter dia manoratra, mikasika indrindra ny entona voajanahary:
Sarawak dia mahita angovo fanolo goavana azo aroso : ny entona voajanahary. Araka ny Sampan-draharaha momba ny fampandrosoana any Bintulu, dia manana tahirin’entona manodidina ny dimy alina milliards metatra toratelo eo ny firenena rehefa atambatra.
I mogLie's recycled ramblings dia misiisika mafy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fitsitsiana angovo :
Angamba dieny ankehitriny izao dia efa tokony ho haintsika fa tsy angovo azo avaozina akory ny solika, ary raha tsy vitantsika ny mitsitsy angovo, dia ho voafandrika ihany isika. Tsy hoe dia efa saro-tahotra diso tafahoatra aho fa tokony mba hanova fomba fisaina isika ary mandinika fa efa tamin’ny andro fahiny izany solika natao fafy kàtrana izany. Efa iadiana izao ny fitrandrahana solika (na entona) tsy dia manao ahoana, ary ny loharanon-tsika amin’ny ho avy dia ho avy any anaty rano lalina any.