· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Malezia tamin'ny Jolay, 2013

Riau, Indonezia : Zavon'ny ‘Ground Zero’ Ao Azia Atsimo

  21 Jolay 2013

Ilay setroka mahafaty nandrakotra an'i Singapore sy ireo faritra sasantsasany tao Malayzia hita tamin'ity taona ity dia vokatry ny doro ala tao Riau, izay ao amin'ny faritra Andrefan'i Indonezia. Mazava ho azy fa nisarika ny sain'ireo filazam-baovao goavana rehetra izany, kanefa, vitsy ny tatitra mahakasika ny manjo ireo mponina ao Riau izay tena nijaly tokoa ary mbola mijaly ihany hatramin'izao noho ny vokatra naterak'ilay setroka sy ireo doro ala maro.

Sempotry Ny Zavona i Singapore Sy Malezia

  07 Jolay 2013

Nahatakatra haavony mampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra any Singapore sy Malezia taorian'ny nandrakofan'ny setroky ny doro ala ny mpiray vodirindrina aminy, Indonezia. Io no zavona ratsy indrindra hita tany Azia Atsimo tanatin'ny taona vitsy. Nampiato ny fianarana tany amin'ireo toerana tratr'izany i Malezia raha nanome sosokevitra ny vahoakany hiomana amin'ny fihitaran'io zavona io. Efa nanao fialantsiny ofisialy i Indonezia manoloana io zavona io.