Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Malezia

11 Desambra 2014

Mila Fanavotana Mafy Ireo Tigra Ao Azia Atsimo Atsinanana

Antony mampihena ny isany'ny tigra dia ny fahasimbàn'ny ala sy ny fihazàna azy. Miady ny hisintonana azy ireny amin'izany hantsana izany ireo fikambanana samihafa.

03 Desambra 2014

Hoy Ny Iraky ny Firenena Mikambana: Miatrika Fanararaotana Sy Fitsaratsaram-poana Ireo Mpialokaloka Ao Malezia

Nitafa tamin'ny Al Jazeera, nolazalazain'i Richard Towle, solontenan'ny UNHCR any Malezia ny toe-draharaha mampalahelo iainan'ireo mpitsoa-ponenana sy mpangataka fialokalofana any, saingy tsy mitovy hevitra amin'izay famariparitany izay ny sasany amin'ireo mpanao politika.

24 Aogositra 2014

‘Tsy Mila Sipa Aloha, Lalao Volley ihany': Tsy Miraharaha Tolotra Mariazy Atao Aminy Ilay Kazakh Vehivavy Mpilalao Fanatanjahantena Taorian'ny Resaka Niely Be Tety Anaty Aterineto

Sabina Altynbekova, 17 taona, mpilalao volley, misolo tena ny Kazakhstan amin'ny sokajy tanora no lasa nalaza sy voaresaka matetika taorian'ny nilalaovany ho an'ny fireneny tamin'ny fifaninanana tany Taiwan.

13 Aogositra 2014

Miantraika Amin'ireo Mpiasa sy Mpivezivezy Ny “Adin'Haban-dalana” Eo Amin'i Singapore Sy i Malayzia

Niakatra 400 isanjato tampoka ny saran'ny fiampitàna ao amin'ny Fefilohan'i Singapore-Johor taorian'ny fampakaran'i Malayzia sy Singapore ny haban-dalana.

25 Jolay 2014

Miara-mientana Ny Governemanta, Ny Mpanohitra Sy Ny Vahoaka Ao Malayzia Mba Hitaky Ny Rariny Amin'ny Fianjeran'ny MH17

Nanatontosa fivoriana vonjimaika ny Parlemantan'i Malayzia ary niara-nandany tolo-kevitra miampanga ireo izay tompon'andraikitra tamin'ny fitifirana ny zotra MH17 Malayzia Airlines, izay nahafaty ireo mpandeha 298 sy mpiasan'ny fiaramanidina

20 Jolay 2014

Volana Vitsy Monja Taorian'ny Fanjavonan'ny Zotra MH370, Tafintohina Tamin'ny Fianjerana Voromby Iray Tao Okraina Indray Ny Malayziana

Mpiasa mpandray sy mpikarakara mpandeha ao amin'ny Malaysia Airlines, nanipika momba ny aina nafoy tamin'ny zotra MH17 sy ny MH370, ary nizara sary tao amin'ny Twitter sy Instagram: "Very namana teo amin'ny 30 teo aho tao anatin'ny efa-bolana."

Ho An'ireo Fianakaviana Shinoa Mbola Miandry Ny Valin'ny MH370, “Zavatra Efa Hita” Mahavaky Fo Ny Fianjeran'ny Fiaramanidin'ny Malaysia Airlines Tao Okraina

Mbola tsy afaka ao an-tsaina ny fahatsiarovana ho an'ireo izay tsy mahafantatra ny zavatra nitranga nanjo ireo havan-tiany tao anatin'ny sidina MH370 taorian'ny nanjavonany tsy ho hitan'ny "radar" intsony ora vitsy monja taorian'ny nialàny tao Kuala Lumpur ny 8 Marsta teo

21 Mey 2014

LAHATSARY : Ny Taona Rehetra Manan-tantara Mikasika An'i Azia Atsimo Atsinanana Ao Anatin'ny Tahirin'i Pathé Britanika

Maro amin'ireo lahatsary ireo no vakoka manan-danja izay mampianatra antsika zavatra maro mikasika zava-nitranga vao haingana tao amin'io faritra io, eny na ny ankehitriny aza.

20 Mey 2014

Crossroads: Lahatsary Mitantara Ireo Mpifindra Monina Any Malezia

Asongadin'ny tetikasa lahatsary fisoloana vava ny fiainan'ireo mpiasa mpifindra monina any Malezia.

15 Mey 2014

Mpanao Lalàna Avy Amin'ny Malayziana Mpanohitra Voampanga Ho Manao Asam-Panakorontanana Amin'ny Video YouTube

Malayziana mpanao lalàna ao amin'ny faoherana voampanga ho manao asam-panakorontanana, telo volana taorian'ny namoahany lahatsary YouTube manala azy amin'ny governmanta sy ny politikany sasantsasany