The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Macau (China) Sokajy ara-tany

RSS ho an ny Macau (China)

2008-03-29

Macau (China)

Leocardo [pt] no mamelabelatra ny ho avin'i Makaô sy ny mpanao politika ao aminy amin'izao fotoana izao:

“Azo inoana ve ireto mpanao politika “part-time” izay mitady paika ho voafidy anatin'ny fomba fifidianana izay tsy demokratika akory mba ho voafidy, avy eo mitady izay hahatsaratsara ny fiainany sy ny fandraharahana ataony rehefa tonga eny amin'ny antenimiera? Ny zanany amin'io mianatra (ary amin'ny ankapobeny dia miaina) any andafy? Mino ny ho avin'i Makaô (izany hoe mino ny handrosoan'i Makaô) tokoa ve izy ireo sa ataony izay hahavoafidy azy mba hahamoramora kokoa ny fanaovana bizina, manao azy ho fitaovana fanaovam-bola?”

2007-12-07

Shina : Rotaka teo amin'ny mpizahatany sy ny Pôlisy tany MakaôThis is a Photos post

Nisy rotaka nitranga tamin'ny Pôlisy any Makaô sy ny mpizahatany avy tamin'ny “tanibe” [Shina]. (Tamin'ny fanambarana farany, nolavin'ny mpitondra any Makaô ny fisian'izay rotaka tamin'ny Pôlisy, ambaran-dry zareo fa fanazaran-tena tsy lavitra teo no antom-pisian'ireo Pôlisy tany). Notaterina fa vondrona ahitana mpizahatany mihoatry ny 100 no nifanolana tamin'ireo tompon-tany mpitarika fizahantany [guide] momba famangiana ny tanànan'i ...