The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Japan Tahiry Firenena

RSS ho an i Japan

2009-01-07

Maneran-tany: Mpanao hetsika fanoherana tena ao anatin'ny heriny tanteraka manohitra ny ady ao Gaza

An-tapitrisa ireo mponina maneran-tany no nidina an-dalam-be nanohitra ny fanafihana israeliana any Gaza tanatin'ireo andro vitsy teo aloha. Indro fantina bolongan-tsary vitsivitsy nalaina tao amin'ny YouTube maneho ny hetsika fanehoan-kery tao Tel Aviv, Londona, Tokyo, Madrida ary Istanbola, nahitana olona samihafa fiaviana maro nandeha nanandratra feo sy nihira fandriampahalemana ho ...

2008-12-26

Bahrain: Fampitahana ny fomba fiasan'ny Bahrainita sy ny Japoney

Mpamaham-bolongana Bahrainita Yagoob izay mianatra any Japana amin'izao fotoana izao - dia manatri-maso ny lazan'ny fitiavan'asa eo amin'ny Japoney. Amin'ity lahatsoratra ity ary no anehoana anareo ny fampitahana ny fomba fiasan'ny maro amin'ny Bahrainita sy ny fanaon'ny Japoney.

2008-12-08

Zavakanto & Kolontsaina ,
Fanabeazana

Takeshi ao amin'ny Saigon kara kita tsuma [サイゴンから来た妻] no manoratra ny momba ny vadiny Vietnamana izay nitsapa ny fahaizany teny Japoney [en] [日本語能力試験, nihongoo nōryoku shiken] tontosaina androany tahaka ny ataon'ny olona anarivony isan-taona te-hahalala ny haavom-pahaizana teny Japoney. Teo ampahitana ny vadiny teo amin'ny vohikalam-pitsapam-pahaizana no nahatarika an'i  Takeshi-san hihetsi-po mahita ny hamaroan'ny vahiny — avy amin'ny vazantany efatra samy manana ny fiteniny azo eritreretina rehetra — nanapa-kevitra hanoka-tena hianatra ny teny Japoney.

oviana re no mba hisy tahaka izany koa ny an'ny teny Malagasy?

2008-10-06

Japana: Fijery momba ny olan'ny Wall street

Niteraka sahoan-dresaka maro dia maro tany amin'ny tontolom-bolongana japoney noho ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny firenena sy ampita atsinanan'ny ranomasina misy azy ny olan'ny fihitsanam-bidy, ny fanentsenana ny fatiantoka ary ny fividianana taratasim-bola mifanaretsaka any amin'ny bankim-pandraharahana ao amin'ny Wall Street, izay mandrahona hiteraka fitotongan'ny toe-karena amerikana mety hipaka ...

2008-10-03

Japàna : Fampiratiana RôbôSary post

Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tectacle sarin'ireo Rôbô vaovao sy tranainy izay ampiratiana mandritra ny CEATEC 2008, any Chiba, any Japàna.  

2008-09-21

Sarimihetsika ,
Fialamboly

Ny hivoahan'ny [ja] DVD mampivoitra ilay mpanao politika japoney 27 taona Japanese Yuri Fujikawa [藤川 優里], mpikambana ao amin'ny antenimieran'ny tanànan'i Hachinohe [八戸市] ao amin'ny Pirefekitioran'i Aomori [青森県], izao no ambentin-dresaky ny dinika (forum) rehetra [ja]. Raha hitamberina ny nidirany tamin'ny asany voalohany tamin'ny fiandohan'ity taona ity, dia nantsoina hoe “mahafatifaty loatra” i Fujikawa [ja], nefa nambarany ombieny ombieny[ja] tamin'izany fotoana izany fa tsy mieritreritra velively no ho tarento izy.[ny tarento any Japana dia olona aseho tele matetika noho ny hatsaratarehiny sy ny bikany mba hisintonana mpijery sy hampiala voly ihany koa]

Hevitra ,
Gender

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra raha jerena ny tantaran'i Eoropa, Amerika ary Shina ary mampifandray izany amin'ny fomba maoderina any Japana.

2008-08-13

Vaovao Mafana ,
Aterineto & Fifandraisan-davitra

Vaovao fhafa indray momba ny raharaha nampikorataba tany Japana momba ny WaiWai ( tsaho nalaza fa mpihaza ankizy ny Japoney sasany any Amerika Latina mba hohaniny), nisy vaovao [ja] nampiakatra ny isan'ny mpamaky any Japana milaza fa eo ampanadihadiana ny ahazoany manakatona ny gazetiny azo vakiana amin'ny aterineto ny gazety Mainichi. Saingy tetsy andanin'izay, dia hitan'ny 2channel fa  efa nisy mialoha ny nisian'ny aterineto [ja] (mifanohitra amin'izay noheverina hatramin'izay), ity lahatsoratra momba ny WaiWai ity ary efa azo jerena amin'ny aterineto ho azon'ny rehetra jerena ihany koa ny porofomanamarina izany. (Naoty: Efa nilaza mazava moa ankehitriny ny gazety Mainichi fa tsy mikasa ny hanakatona ny vohikalany izany [ja].)

 

2008-07-09

Japàna : Fanambarana mikasika ireo olona nalaina an-keriny izay miteraka fahatezerana

Ny fanambarana nataon'i Koichi Kato, mambran'ny Antoko Liberaly Demôkratika Japôney [Liberal Democratic Party] sady ministra teo aloha rahateo, tamin'ny 7 Jolay 2008 lasa teo dia niteraka fahatezerana teo anivon'ireo mpiblaogy Japoney sy tao amin'ny vohikala 2channel [Japôney]. Ny tsy fandrosoan'ny adihevitra fikatsahana fihavanana amin'ny Japàna sy Kôrea Avaratra dia narohin'i Koichi Kato tamin'ny ...

2008-07-07

Global Lives Project: Fandraisan-dahatsarin'ny fiainan'ny olona 10 mandritra ny 1 andro

Natsangana hampisehoana fiainan'olona folo samihafa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao amin'ny fanarahana azy ireo sy handraisandahatsary azy ireo mandritra ny 24 ora ny Global Lives Project. Miaraka alefa amin'ny fotoana mitovy anatina toerana voaorina iray ahafahan'ny tsirairay mivezivezy mitsidika efitra 10 samihafa handefasana ny lahatsarin'ny andavanandrom-piainan'ireo nofantenana tsirairay ny 240 ora voangona.